Tantara tamin'ny 08 Novambra 2016
GV Face: Nandresy i Trump. Dia Ahoana Izany? [Vaovao nohavaozina]
Hiresaka momba ny mpandresy sy ny resy amin'ity fifidianana ity izahay, ahoana ny fahatsapanay momba ny iray amin'ireo fotoam-pifidianana nampisara-tsaina indrindra tamin'ny tantaran'ny Etazonia ary inona no dikan'izany amin'ny vondrom-piarahamonina manerantany misy anay.
Averin'i Kehinde Wiley Sainina Ireo Sary Tranainy Satria ‘Raha Misy Dikany ny Ain'ny Mainty, Mendrika Ho Hita Amin'ny Sary Hosodoko izy Ireny’
Heverin'i Kehinde Wiley fa ny taokanto, ao anatin'ny hatsaràny, dia manasongadina ny isika ho toy ny soatoavina maha-olombelona. Izany no mahatonga ireo olona hafa volonkoditra (mainty sy zarazara) ho ivon'ireo sary ataony.
Aiza Ary Ahoana Ny Fandriakan'ny Rà Indizeny ao Brezila?
Mamoaka ireo fandaozana sy herisetra mianjady amin'ny vazimba teratanin'i Brezila, indrindra fa ao Mato Grosso do Sul sy ao Maranhão ny tatitra iray vao nivoaka.
Tokony Tsy Hanafina Ny Tsy Fahazoany Fahafinaretana Mandritra Ny Firaisana Ara-nofo Ny Vehivavy Hoy Ilay Rosiana ‘Mpiaro Ny Ara-nofo’
Natsangana tamin'ny tenirohy #честныйоргазм ( "#OrgasmaMadio"), ny fanentanana vaovao natombok'i Elena Rydkina "mpiaro ny ara-nofo" mandrisika ny vehivavy mba hizara ny tantaram-piainan'izy ireo momba ny fotoana mody nahatongavan'ny tampom-pahafinaretana hanomezana fahafaham-po ny sakaizany tsy nahavita nanome fahafinaretana azy ireo noho ny tsirambina na tsy firaharahiana.
Liana Kokoa Amin'ny Mpisolovavan'i Melania Trump Ao An-toerana Ireo Slovenina Noho Ny Momba Ny Tantarany
Nitory olona maro noho ny fanalam-baraka i Melania Trump vao haingana , ary nanaitra ny tontolo liberaly ny nisafidianany an'ilay mpisolovava Slovenina iray tao an-toerana.
Mikasa Hanome Famindrampo Manatantara Ho An'Ireo Maherifom-pirenena Sy Ireo Mpiady Hanafahana Azy I Jamaika
Mitehaka amin'ny volavolan-dalàna mikendry ny famafana ny rakitra heloka bevava an'ireo mpiady ho amin'ny fahafahana sy ireo maherifom-pirenena hafa ireo Jamaikana ary nilaza fa tokony efa natao hatry ny ela ny hetsika.
Monténégro : Vao Maika Niteraka Fanontaniana Bebe Kokoa Fa Tsy Valiny Ny Fifidianana Solombavambahoaka Farany Teo
69 isanjaton'ny Monténégrins no tsy mankasitraka ny zavabitan'ny governemanta eo amin'ny fitantanana ny toekarena, raha tsy matoky ny governemanta sy ny parlemanta kosa ny 50 isanjaton'izy ireo.
Tànana Mitsotra sy Lolo No Andraisan'ireo Mponin'i Melbourne ireo Siriana Mpitsoaponenana
"Ireo lolonay dia fampahatsiahivana fa na dia fihetsika bitika aza dia mety hisy fiantraikany lavitra/goavana be."
Lalàm-panorenana Vaovao Ho An'i Côte d’Ivoire
Manavao ireo andrim-panjakana Ivoariana ilay lalàna vaovao, ary manao ho fanamby ny hiainana miaraka ao anaty firenena iray izay voazarazaran'ny fifampiandanian'ireo foko sy finoana.