Ho Fanohanana Ireo Olona Manana Filàna Manokana, Nolokoina Volomparasy Ireo Trano Avobe Mampiavaka An'i Singapaoro

About 10,000 people joined the Purple Parade in Singapore. Source: Official Facebook event page

Olona manodidina ny 10.000 no nanatevina laharana ny Matso Volomparasy tao Singapaoro. Loharano: pejy Facebook ofisialin'ilay hetsika

Olona vinaina ho 10.000 eo no nanjohy ilay Matso Volomparasy tao Singapaoro tamin'ny 5 Novambra lasa teo ho fanohanana ilay fanentanana izay hampiroboroboana fiarahamonina iray andraisan'ny rehetra anjara sy ankalazàna  ny fahafaha-manaon'ireo olona manana filàna manokana.

Ampahany hita tamin'ilay fanentanana koa ny nitsilovana jiro volomparasy ireo fotodrafitrasa 19 manan-tantara sy mampiavaka an'i Singapaoro, nandritry ny andro valo.

Araka ny voalazan'ireo mpikarakara, ny volomparasy dia manambara firaisankina amin'ireo olona manana filàna manokana. Mandritra izany, ny fangon'ny kianjan'ny Matso volomparasy dia “manambara fitoviana (mitovy refy amin'ny lafy rehetra), ny fiombonana ary fitambarana  matanjaka.”

Vondrona maro isankarazany, andrim-panjakana ary an'aliny tamin'ireo ao anatn'ny  fianakaviana nanamafy ilay antso hisian'ny fijerena akaiky ny zon'ireo olona manana filàna manokana no nanatrika ilay hetsika. Hatreto, ity no hetsika Matso Volomparasy goavana indrindra nokarakaraina voalohany hatramin'ny 2013.

Ny Praiminisitra Lefitra, Tharman Shanmugaratnam, izay nanatevina laharana ilay matso koa, dia niantso ireo orinasa mba handray mpiasa bebe kokoa avy amin'ireo olona manana filàna manokana :

Ny fanambintsika manaraka dia ny hampiditra ireo Singapaoriana manana filàna manokana ho any anaty toeram-piasàna. Maro ireo mpampiasa no mila manatanteraka ny anjarany. Ary toy izany isika rehetra – amin'ny maha-mpiaramiasa, mpanjifa, ary namana. Miankina amintsika ny fiarahana mientana.

Nomarihan'ilay mpitarika Singapaoriana ny fanavaozana ny rafi-panabeazana izay napetraky ny governemanta mba hampidirana ankizy bebe kokoa avy amin'ireo manana filàna manokana ho any anatin'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Nampiany hoe ny politika ankehitriny arahan'ny fanjakàna dia ny hizàra ny fitomboan'ny firenena amin'ireo sehatra marefo.

Ireto ny sary sasany tamin'ilay hetsika izay nampiasa ny tenifototra #PurpleParadeSG, #GoPurpleSG, sy #purpleparade2016:

#GoPurpleSG  omaly: somary nitentina volomparasy kely ny tao amin'ny manodidina ny Suntec nanomboka ny tolakandro ka hatramin'ny nandrehetana ireo rindrina manodidina ny MBS tamin'ny alina. Ny Matso Volomparasy dia hetsika manohana ny ampandraisana anjara sy ankalazàna  ny fahafaha-manaon'ireo olona manana filàna manokana. Isika no manao izay hitondrana ny hetsika hiroso ho aminà fiarahamonina iray andraisan'ny daholobe anjara bebe kokoa, amin'ny alàlan'ny fanokafana ny masontsika amin'ireo olona manana filàna manokana ao anatin'ny fiarahamonintsika.

Tsy manaitra ery ve ny mahita ny Teatra Victoria sy ny Tranobe Fanaovana Fety voaloko volomparasy?

#purpleparadesg #gopurplesg

A photo posted by Fion Tan (@beesy_tan) on

Agreed #purpleparadesg

A photo posted by @veryfunnyha on

Manaiky

Fisaorana mitafotafo ho anareo rehetra izay nanatevina laharana ny Matso Volomparasy 2016! Mahatsiaro ho tiana tokoa izahay rehetra! 💜

Tompon'ny sehatra tanteraka! Tarika mpandihy ambony kodiarana. Ny Matso Volomparasy dia hetsika manohana ny ampandraisana anjara sy ankalazàna  ny fahafaha-manaon'ireo olona manana filàna manokana. Isika no manao izay hitondrana ny hetsika hiroso ho aminà fiarahamonina iray andraisan'ny daholobe anjara bebe kokoa, amin'ny alàlan'ny fanokafana ny masontsika amin'ireo olona manana filàna manokana ao anatin'ny fiarahamonintsika.

We are all prepared for #purpleparade2016 contingent. #MDAS #gopurplesg

A photo posted by MDAS (@musculardystrophy_sg) on

Efa voaomana ho amin'ny fanaovana ny #purpleparade2016 izahay rehetra

Purple bridge #gopurplesg #clarkequay #singapore #シンガポール

A photo posted by Jun (@nrb19449) on

Tetezana Volomparasy

Never give up! 😀 #gopurplesg #purpleparadesg #purpleparade2016 #thepurpleparade2016

A photo posted by ~Flashduel (@flashduel.y) on

Aza kivy! 😀

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.