Ahoana No Iresahana Ny Fandresen'ny Cubs Amin'ireo Namana Tsy Amerikana

Remix of public domain images by Allen Smithee

Sary namboarin'i Allen Smithee

Zara raha misy, na tsy misy mihitsy ny resaka Baseball eto amin'ny Global Voices mpampangatsiaka rano virtoaly ahitana firenena marobe. Saingy amin'ny fisian'ny mponina iray avy ao Chicago miaraka aminareo ato sy ny fahagagana madio amin'ny fandresen'ny Chicago Cubs teo amin'ny World Series omaly alina, dia tsy azo ihodivirana ny fidiran'ny lohahevitra ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny fantsona Slack ifampiresahanay ato amin'ny Global Voices, ary lasa malaza be an-tserasera avy eo… .

Ilay mponina avy ao Chicago (Chicagoan) no nanomboka azy mazava ho azy.

Chicagoan: Mbola ao anaty haron'ny fandresena manatantaran'ny tanànako halina tamin'ny world series…. mety na tsy afa-miasa feno aho androany.

Karaibeana: World Series, hoy ianao? Ampahatsiahivo ahy izay firenen-kafa mbola nifaninana. (pi-maso) Arahabaina na dia izany aza!

Wisconsinian mponina ao Eoropa: Canada! (mitranga lela):

Karaibeana: Ha, marina ny ianao, Wisconsinian, saingy tsy ilay matanjaka loatra!

Aziatika Atsimo: Tena tohina fa nandresy ihany ny Cubs. Fahagagana baseball—miandry ny hanaovan'i Hollywood azy. Mahalasa adala etsy andaniny: ankizivavy kely niresaka tampoka tamiko tao an-jaridaina omaly, nilaza fa mandeha amin'ny lalao Cubs foana ny rainy ary tsy mbola nandresy mihitsy izy ireo. Niaraka taminy ny raibeny, ary nanao satroka baseball Michigan, ka nolazaiko izy fa namako izany. Ary niresaka izahay avy eo. Fantatra avy eo fa mpanao gazety izy, niasa amin'ny lohahevitra momba ny gazety malalaka manerantany, ary niasa tao amin'ny Knight Foundation talohan'ny nisotroany ronono. Manana namana iombonana marobe izahay. Mampifandray ny olona amin'ny fomba hafakely ny Baseball.

Chicagoan: Karaiba, mijery ahy ianao tahaka ny hoe hevitra taty amiko ny fanomezana anarana ireo andian-tantara nataon'ny gazety NY ...?

Karaibeana: Tsy izany mihitsy, saingy manantena anao tanteraka hitarika fanentanana hanova ny anaran'ny fifaninanana amin'ny zavatra ara-tsaina kokoa aho, tahaka ny hoe “Cross-Border Series”. Ny fampiasana ny teny “world (izao tontolo izao)” amin'ny toe-javatra tahaka ity no iray amin'ireo karazana antony mahatonga ny bandy tahaka an'i Trump mirotsaka ho fidiana filoham-pirenena.

Wisconsinite: Toa, fivoarana iray manontolo izany. [Tsonga Loharano milaza ny tantaran'ny anaran'ny fifaninanana]. Arakaraka ny betsaka fantatrao!

Amerikana Tatsimo: Tsy miditra media sosialy aho androany. Maro loatra ny mpankasitraka amin'ny kalesy. Indray mandeha ihany teo amin'ny fiainako no nijery ny lalaon'ny Cubs, tsy mbola nahita olona maro dia maro tsy liana amin'ilay lalao mihitsy. Fialana bala hisotroana sy hanelingelenana ny olona manodidina azy ireo fotsiny io.

Chicagoan: Raha afaka mitsambikina ao anaty kalesy ireo mpankafy ny White Sox, afaka manao izany koa ianao! Baseball: mampitambatra ny olona. Nentin'ny taranaka faharoa Aziatiaka-Amerikana ho anao.

Wisconsinite: (Tokony lazaiko amin'izany rehetra izany, mpankafy ny Milwaukee Brewers aho, ary fahavalonay hatramin'ny fahafatesana ny Cubs, ka tsy mankalaza aho)

Chicagoan: LOL, hitarika ezaka hanome anarana vaovao ho azy indray aho “andian'ireo lehilahy fotsy Amerikana nahazo tombontsoa”.

Karaibeana: Tsy efa nisy naka ve izany anarana izany?

Azia Atsimo: hahahahahahahaha

Amerikana Atsimo: Misy ireo mpilalao ao amin'ny ligy lehibe avy ao Meksika, Kolombia, Venezoela, Panama, Repoblika Dominikàna, Pôrtô Rikô, Kiobà, Curacao, Brezila, Alemaina, Aostralia, Japan, Korea, Taiwan. Tsy dia tena ahitana ny fifangaroan'olona amin'ny baolina kitra Eoropeana, saingy tsy ratsy.

Aziatika Atsimo: Ary Pakistan koa, tamin'ity fotoana ity, nihevitra hampiditra izany koa handraisana fepetra tsara aho.

Karaibeana: Mampiseho indray ny hosoka amin'ny fihetseham-po Amerikana manohitra ny mpifindra-monina izany.

Amerikana Tatsimo: Mbola tsy nieritreritra hiresaka baseball ao amin'ny fantsona Slack ahol! Iza no avy any Pakistan?

Aziatika Atsimo: Farhan Zaidi, tale jeneralin'ny Dodgers, Kanadiana-Amerikana manana fiaviana Pakistaney.

Tafovoany atsinanana: Saika rahalahin'ny baseball ny cricket.

Karaibeana: Rahalahin'ny baseball tany amin'ny oniversite ny cricket.

Aziatika Atsimo: Tsy afaka hiatrika ny ankamaroan'ny mpijery fanatanjahan-tena aho. Amin'ny cricket na baseball, fara faharatsiny, fantatro ny lalao. Efa-taona tao amin'ny kolejy adala baolina ary tsy nahay na inona na inona aho. Nandeha tany amin'ny lalao roa, mino aho. Na angamba lalao antsasany roa. Inona no tsy tian'ny atidoha hianarana, tsy te hianatra ny atidoha.

Karaibeana: Ny hany fanatanjahantena ankafiziko dia ny andrana cricket (tsy tiako ny endrika fohy noho ny antony itoviana amin'ny asongadin'ny Amerikana Tatsimo) sy tennis. Afaka mitsangatsangana ny hafa rehetra.

Tafovoany atsinanana : Baolina kitra (football)= baolina kitra (soccer), Aziatika Atsimo?

Karaibeana: Tsia, football Amerikana.

Tafovoany atsinanana : tsy mba mazava amiko mihitsy ny football Amerikana, tamin'ireo sarimihetsika firy efa hitako. Ny football Amerikana amiko dia: Sumo + mihazakazaka + baolina hafahafa

Aziatika Atsimo: Tsy azoko ihany koa ny baolina kitra. Na izany aza, nolazaina matetika aho fa tokony hijery izany ho an'ny lehilahy mafana aho.

Karaibeana: Haha! Ny tenako koa dia mpankafy baolina kitra Mondialy ihany.

Wisconsinite: Niròna kokoa tany amin'ny football Amerikana aho ary tiako izany, ka afaka mampianatra ny olona liana: mitranga lela (emoticone):

Nipoitra teny ho eny ny mponinay Kanadiana

Kanadiana: Iray amin'ireo zavatra tokana fantatro momba ny baseball dia ny tsy finoana azy fa handresy ny Cubs, satria manondro izany toy ny zavatra tokana ny hiram-bahoaka ka sarotra ampitahaina amin'ny mety misy fa “ho tianao indray aho, tahaka ny teo aloha”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.