- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandritra Ny Roanjato Taonan'ny Fahaleovantena Arzantina, Ny Zato Taonan'ny Hatsaran-Tarehy Sy Ny Tantara Ao Anatin'ny 80 Segôndra

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
La modelo Mariela Irala personificada con el look de Evita. Imagen del video 100 Years of Beauty: Argentina

Ny mpilatro Mariela Irala mampiavaka ny angeso Evita, toy ny olomangan'ny taompolo 1940. Sary nosintonina avy amin'ny video [1]100 Years of Beauty: Argentina‘.

Ho fankalazana ny 200 taonan'ny fanambarana ny fahaleovantenan'i [2] Arzantina, namoaka lahatsary manohina 100 taonan'ny hatsaran-tarehy: Arzantina [1], tamin'ny famoahana ny andiany Nº 24 amin'ny 100 Years of Beauty [3] [zato taonan'ny hatsaran-tarehy] ny  Cut.com [4].

Fehezin'ny lahatsary fahatsiarovana nivoaka tao amin'ny YouTube maharitra iray minitra mahery kely tamin'ny 26 oktobra ny hatsaran-tarehin'ireo vehivavy sy ireo olomanga ara-kolontsaina nanamarika ny tantaram-pirenena Arzantina isaky ny taompolo tsirairay avy hatramin'ny taona 1910: taonjato iray lazaina amin'ny sary sy sariohatra.

Manavatsava ny tantaram-pirenen'i Arzantina mikorotandrotana tamin'ny taonjato lasa, nahitana ireo fotoanan'ny tolona, fanantenana, fitotonganana [ara-toekarena] maro, ady sy fanonganam-panjakana enina [5], ary mamintina izany ao anatin'ny segôndra vitsivitsy ilaina amin'ny fanadihadiana lalina nataon'ny ekipam-panatontosana izay mitondra mankany amin'ny fifantenana amim-pitandremana ireo taovolo, hosotra an-tarehy, ireo kipitsopitsony sy fihetsika natokana hanehoana ny lamaody, ny toetra sy ny tantaran'ny vahoaka Arzantiniana.

Noho izany ity lahatsary kely dia kely ity dia manomboka tamin'ny maoderinisman'ny fanombohan'ny taonjato faha-20, ny fijerena indray ireo olomanga tsy iadian-kevitra tahaka ilay Eva Perón [6] tian'ny maro sy sabel “Coca” Sarli [7] tsy hay adinoina ; eo ihany ko any vanim-potoana matroky ny didijadona miaramila [8] sy ireo Madres de Plaza de Mayo [9] [renin'ny kianjan'ny volana mey] nandritra ny taompolon'ny taona 70, asehon'ny foloara fotsy, sariohatra ara-tantara sy kolontsaina mbola mitohy mandraka androany.

Tamin'ny fiposahan'ny taompolo 1980 no nisian'ny ady teo amin'i Arzantina sy i Angletera amin'ny fiandrianana amin'ny Nosy Malvinas [10] [Maloinina] , izay mifangarika amin'ny taovolo manaitra ny nofo sady dia tamin'izany fotoana izany ny safotofoton'ny ady. Avy eo nosokafana tamin'ny fitotonganana ara-toekarena [11] nandravarava, nifanindran-dalana tamin'ny lamaody flogger, izay niainga avy amin'ny fampiasana Fotolog [12], tambajotra sosialy voalohany, teo amin'ny tanora, ny taonjato faha-21.

Tao amin'ny lahatsary manaraka i Chris Chan [13], tonian-dahatsoratry ny andiany 100 Years of Beauty nirona tamin'ny fikarohana ara-tantara talohan'ny fanatontosana ary manazava ny fifandraisana misy eo amin'ny tantara mahavariana an'i Arzantina sy ny fivoaran'ny hatsaran-tarehy tamin'ny taonjato farany teo:

Al mirar todo el video de principio a fin, lo que yo veo es que el sentido de la belleza argentina consiste, sí, en ser sofisticada y cosmopolita, cultivada y chic, pero por otro lado, se trata siempre de la forma en que las mujeres argentinas han usado la belleza para mirar hacia el futuro tanto como para recordar y recuperar el pasado.

Rehefa tarafina amin'ny ankapobeny, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny lahatsary, ny hitako dia, eny, mifaningotsingotra sy kôsmôpôlita, manam-pahalalàna sady chic, ny fironana hatsaran-tarehy ao Arzantina, saingy etsy ankilan'izany, ampiasain'ny vehivavy ijerena ny hoavy sady hahatsiarovana ny lasa ny hatsaran-tarehy.