- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Halloween: Fialambolim-pandevenana Sa Tetidratsin'ny Tandrefana?

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Mongolia, Ozbekistan, Tajikistan, Tiorkmenistana, Zeorzia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
Halloween celebrations in Kyrgyzstan. Photo from Kloop.kg.

Fankalazàna Halloween tao Kyrgyzstàna. Sary avy amin'ny Kloop.kg.

Fomba fanao isantaona tsy mandratra ve sa fikafika ratsin'ny Tandrefana?

Izany no fanontaniana mipetraka isantaona eo anoloan'ireo olompirenena ao amin'ny faritra Sovietika fahiny arakaraky ny fiakaran'ny adihevitra manodidina ilay fialantsasatra tsy fanta-piaviana marihana isaky ny 31 Oktobra.

Ny fanjakàn'i Tajikistàna angamba no tena goavana indrindra amin'ireo mpankahala Halloween ao amin'ny faritra [1] (ambaran'ny polisy fa tsy mila mampihatra izany i Turkmenistàna sy Ozbekistàna) miaraka amin'ireo tanora Tajiks notànan'ny polisy sy nobedesina mafy noho izy ireo nankalaza ilay fety tamin'ny 2013 sy 2014.

Tamin'ity taona ity tao Kyrgyzstàna, toerana izay tonga hatrany amin'ny fitondràna mihitsy ny  fifandonan'ny fahalalahana sivily sarintsariny sy ireo antso hanamafisana ny soatoavina nentindrazana, niditra [2]an-tsehatra tamin'ny fanakianana imasom-bahoaka io alin'ny Fanomezam-boninahitra ny Maty io ilay olomalaza ao an-toerana, Assol Moldokmatova:

Tsy ankasitrahako ny Halloween ary raràko ny zanako, ny fianakaviako ary ny namako tsy hankalaza ity horakoraky ny “Fitondrantenan'ny Helo” ity. Ny ankizy mazàna no latsaka amin'ity fety tafahoatra ity, ary matetika mizaka fikorontanan'ny fihetsehampo mitondra mankany amin'ny rarintsaina, alahelo, hatezerana sy famonoantena.

Ary tsy ho Halloween mihitsy rehefa tsy misy fahitàna avy amin'ny Sputnik mampitsangam-bolo, media Rosiana fehezin'ny fanjakàna izay ny rantsany ao Ozbekistàna dia mandefa fanairana foana manontany (misolo tena ireo Azerbaijanis) hoe Iza no Niteraka ireo Mpamadika (Fanbkalaàna Halloween) Manerana ny Tany [5]?

Valiny: Mazava loatra fa i Etazonia.

Screenshot from the website of Moscow-controlled Sputnik.az. The introduction notes that "according to experts" the Halloween fad is being driven by "vested interests"

Pikantsary avy amin'ilay tranonkala Sputnik.az eo ambany fifehezan'i Maosko. Hoy ny teny fampidirana hoe “araka ny voalazan'ireo manampahaizana” ny “tombontsoan'ny mpanamboatra fitafiana” no manosika ny lamaodin'ny Halloween.

Na manana mpanohana marobe aza izy, tsy nanome porofo mivaingana i Moldokmatova ao Kyrgyzstàna momba ireo famonoantena mifandray amin'ny Halloween tao amin'ny firenena niaviany, ary adihevitra faran'izay mangotraka/mampifanenjana no naterak'izany tao amin'ny Facebook.

Mpampiasa iray, Lawyer Kg, no nanoso-kevitra an-katezerana [6] hoe “ny Fibahanana an'i Assol” no mety ho “sosokevitra tsara kokoa”, raha mpampiasa iray hafa kosa nanao fanondroana feno haratsian-toetra [7] an'i Moldokmatova (sary eto ambany) ho mitondra “sarontava eny amin'ny tena fiainany andavanandro.”

Screen capture of Assol Moldokmatova from YouTube.

Pikantsary ahitàna an'i Assol Moldokmatova avy ao amin'ny YouTube.

Hatreto aloha, ao Kyrgyzstàna farafaharatsiny, vao mainka mampatsiro ny Halloween ho an'ireo tanora ny resabe misy, araka ny fanamafisan'ity tatitra anaty lahatsary novokarin'ny Kloop.kg, media tantànin'ny tanora ity: