- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitady Fialokalofana Tonga Avy Any An-dranomasina: Fandraràna Tsy Hahazo Fahazoandàlana Mandrakizay No Vinavinain'ny Governemanta Aostraliana

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Zon'olombelona
Asylum Seekers intercepted near Australia [1]

Mpitady fialokalofana tratra tany akaikin'i Aostralia – Pikantsary avy amin'ny lahatsary ‘Tsy Misy Fika’ tamin'ny 2014 an'ny tafika mpiandry sisintany Aostraliana

Nampitombo be ny fizarazaran-kevitra ao anatin'ny Aostralia momba ny fandraisana an-tànana ny raharaha mpikatsaka fialokalofana tonga amin'ny sambo ilay tolokevitra farany naroson'ny governemanta — irian'ny governemanta mpifikitra amin'ny fombandrazana, tarihan'i Malcolm Turnbull, ny hikapoka azy ireny amin'ny tsy fahazoana fanomezandàlana mandrakizay. [2]

Amin'izao fotoana izao, fomba roa lehibe no iatrehan'ny politika Aostraliana [3] ireo mpikatsaka fialokalofana tonga amin'ny sambo: fampiantranoana azy ireny any amin'ireo toby fitànana eny an-dranomasina, na ao Nauru io, na ao amin'ny nosy Manus any amin'ny Papouasie Nouvelle-Guinée, sy ny famerenana ireo efa tonga tao Aostralia. Ireo voatàna ary nekena ny fangatahany fialokalofana dia heverina fotsiny ho toy ny afaka mipetraka mandra-pamindra azy ireo ho any amin'ny firenena iray ao amin'ny faritra. Saingy ny tsy fisian'ireo firenena afaka amindràna dia midika fa marobe ireo mpitady fialokalofana no taraiky any anatin'ireny toby ireny mandritry ny fotoana tsy voafetra.

John Lord ao amin'ny The AIM Network [4] (The Australian Independent Media Network) dia anisan'ireo marobe tezitra amin'ilay volavola ho fandraràna mandrakizay tsy hahazo fahazoandàlana:

Fanesoana ny lalàna iraisampirenena ny fandraràna ireo mpitsoaponenana tsy hahazo mandrakizay ny fahazoandàlana hiditra an'i Aostralia. Izany no zavatra jadona indrindra tsy mbola reko hatrizay. Mihatra amin'ireo olondehibe rehetra nalefa nanomboka ny Jolay 2013 any amin'ny nosy Manus na Naru io.

Manamafy io fa raha tsy mahita firenena fahatelo hamindràna ireo olona ao Naru sy Manus ireo ny governemantantsika dia hanasazy azy ireo hifonja mandrakizay ao an-toerana, fanamelohana ho faty na eo aza ny zavamisy hoe mandritry ny fiainan'izy ireo manontolo, tsy nisy heloka bevava vitany. Henatra ho an'ny fireneko.

Marobe ihany koa ireo hafa ety anaty serasera no mahita ilay olana ka miteny mahery. Andrew Laird, mpisolovava, dia iray amin'ireo mpanohitra mibaribary an'ilay drafitra:

Mizarazara ny hevitra (eo amin'ireo mitapy sy ny olona mendrika) raha ny governemanta kosa mikatsaka ny handrara mandrakizay ireo mpitady fialokalofana mba tsy hiditra ao Aostralia

Somary mangingina ihany ao amin'ny Twitter ireo mpomba ilay fandraràna naroso. @redpill1811 no iray amin'ireo naningana :

Faly amin'ilay politika vaovao momba ny #mpitadyFialofana Hampihena ny risipon'ireo mpifindramonina ara-dalàna hangataka tolotra amin'ireo mpampita tsy ara-dalàna io

Ny antoko Firenena Tokana [10] an'i Pauline Hanson no nahazo laza sy nianjeran'ny rihitra. Manana mpikambana efatra izy ao amin'ny Antenimieran-doholona izay itakian'ny governemanta vatom-pifidianana sivy avy amin'ireo tsy miankina mba handaniana ilay tolodalàna. Ny PHON dia antoko iray mpanohitra ny fifindramonina sy ny Silamo [11].

Tsara ny mahita hoe toa mandray ny hevitry ny Firenena Tokana ny governemanta. Toy ny tamin'ny farany teo mihitsy.

Nantenain'i @Ann1912 ny hiverenan'ny tantara. Nahavita telo taona, fepotoana fiasàna tao amin'ny antenimiera i  Hanson, [17] ny 1996 hatramin'ny 1998.

@PaulineHansonOz [18] mihomehy irery aho rehefa mahatsiaro hoe, #Toy ny tamin'ny farany teo mihitsy, [19] ho vita ihany ny aminao

Fa notsinian'ny hafa ireo antoko lehibe :

Aoka isika tsy hanatsiny an'i Pauline Hanson noho ireo famelezany farany teo ireo mpitady fialokalofana. Ireo antoko lehibe no efa nizotra tamin'io làlana io  hatry ny ela

Na izany aza, mampisalasala ny hoe hotohanan'ny Antokon'ny mpiasa, mpanohitra, ilay tolodalàna ilaina hampiharana ilay fandraràna :

Milelaka ny felatanan'i Pauline Hanson i Malcolm Turnbull ary HENOY HENOY [27] i @billshortenmp [23] miantso izany

Manohitra mibaribary ilay fandraràna ireo olo-maventin'ny Antokon'ny Mpiasa fahiny, Kristina Keneally [28] sy Craig Emerson [29]:

Araka izany dia raràntsika tsy hahazo mitsidika intsony mihitsy an'i Aostralia ve ireo mpitsoaponenana izay nahita fialofana any amin'ireo firenena hafa ? Hadalàna izany. Mahamenatra. Mampahatahotra.

Ekeko, ry KK. Tsy heloka bevava ny fitadiavana fialokalofana. An'i Pauline Hanson ny voninahitra sy laza. Mahamenatra, Antoko Liberaly tohanan'ny Firenena Tokana

Ny olona sasany mino hoe misy fifanarahana iraisampirenena ao ambadik'io fitadiavana toerana hametrahana ny mpitsoaponenana voatàna ao Nauru sy ny nosy Manus [33] io ho alefa any aminà firenena iray fahatelo, mety ho i Nouvelle Zealande, na Etazonia:

Vokatry ny fifanarahana andalam-piketrehana ifanaovana amin'ny NZ ve ny fiovàna amin'ilay lalàna momba ireo mpitady fialokalofana? Tsy vita ny hietritreritra antony hafa ankoatra izay

Ho an'i Jane Gilmore (@JaneTribune), zavatra ataon'ny governemanta mba hanariana dia ny sain'ny maro tsy hijery ny tsy fahombiazany io drafitra io:

Teniko ho an'i @junkeedotcom [35] “hevitra poakaty manirikiry ny andrana farany mba hanariana dia antsika tsy hahita ny tsy fahaizan-dry zareo mitantana

Nahasarika ny fifantohan'ireo vaovao sy media sosialy hatrany ampitan-dranomasina ilay tolodalàna :

Miroso mankamin'ny fandraràna mandrakizay ireo mpifindra monina avy any an-dranomasina tsy hahazo hiditra any aminy i #Aostralia

Tsy isalasalàna, mbola hihamafy io fifantohana io rehefa tafiditra any amin'ny parlemanta ilay tolodalàna, ato ho ato