Iza no handresy amin'ny 8 Novambra: Trump, Hillary sa Stein?
Na dia maro aza ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices no tsy afaka mifidy ao Etazonia, mahatsiaro tafiditra amin'ity fifaninanana ho filoham-pirenena Amerikana ity tahaka ny fifidianana vitsy teo aloha izahay.
Ny fanontaniana tonga ao an-tsainay:
- Ho lasa mitsabaka kokoa i Etazonia sa mitokatokana kokoa?
- Afaka manova zavatra ho an'ny vehivavy manerantany ve ny vehivavy filoham-pirenena ao Etazonia?
- Ho sarotra kokoa ho an'ny mpifindra monina sy ny vondrona vitsy an'isa ve ny monina ao Etazonia?
Mba hanehoana tahotray sy hamoahana ny hevitray, isaky ny Alarobia, nanomboka tamin'ny 26 Oktobra ka hatramin'ny 9 Novambra, mpandray anjara efatra ato amin'ny Global Voices no hiaraka sy hiresaka momba ny vaovao farany mikasika ny fifidianana ao Etazonia, inona no eritreritry ny olona any ivelan'i Etazonia, ary ahoana ny fahatsapan'ireo Amerikana mpandray anjara namanay — izay mivezivezy manerana izao tontolo izao ary zatra ny dingana ara-politika any amin'ny firenena hafa – mikasika ity fifidianana ity.
Resadresaka #2: Talata, 2 Novambra
Enina andro alohan'ny hifaranan'ity lalao fampielezan-kevitra ity, mitebiteby tanteraka ny tsirairay.
Mba hiresahana ireo fanehoan-kevitsika mandreraka momba ny fampielezan-kevitra, mahafinaritra ity fizarana faharoa mizara andiany telo ity, resaka somary haingakaingana eo amin'i:
- Marianna Breytman, mpifidy Amerikana monina ao New York sady mpandrindra ny Lingua Community
- Georgia Popplewell, Port of Prince, Tale Mpitantana ny Global Voices monina ao Trinite
- Sana Saleem, Tonian-dahatsoratry ny Global Voices Pakistan monina ao San-Francisco
Nevin Thompson, tonian-dahatsoratry ny media sosialin'ny Global Voices sady tonian-dahatsoratry ny Global Voices Japana no handrindra ny resaka
Tamin'ny herinandro lasa, Zuhour Mahmoud, tonian-dahatsoratry ny media sosialin'ny Global Voices monina ao Beirota no nandrindra ny resadresaka teo amin'i Joey Ayoub, tonian-dahatsoratra Global Voices ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, sy Tori Egherman mpifidy Amerikana monina ao Amsterdam ary mpandray anjara ao amin'ny Global voices Iran, ary i Sahar Ghazi, mpifidy Amerikana monina ao San Francisco sady tonian'ny fitantanana ny Global Voices. Afaka mijery izany fizarana voalohany izany ato [mg] ianao.