Miandry Anao Ny Farihy Ohrid ao Makedonia

Ohrid - place to be (Photo MB)

Ohrid – Ilay toerana tokony haleha. Sarin'i Marie Bohner, CC BY.

‘ity taona ity, lohateny i Makedonia niaraka tamin'ireo krizy ara-politika sy ny “Revolisiona maro loko” vokatr'izany. Raha ao Skopje renivohitra anefa no mitranga ny ankamaroan'ireo korontana, manome fahatsapana fitoniana kokoa ny fitsangatsanganana any atsimon'i Makedonia. Manome fahafahana ny mpitsangatsangana hahita ny iray amin'ireo zava-tsarobidin'ny Balkana — ny farihy Ohrid.

Mitampify ao ambadik'i Gresy, Albania, Kosovo, Bolgaria sy Serbia Makedonia, fiantombohan'ny tantaran'i Eoropa, Slavy sy “Ottoman”. I Clement avy any Ohrid no namorona ny abidia sirilika tany Makedonia, ary Aleksandra Lehibe sy Mustafa Kemal Atatürk dia niaraka nanao io firenena io ho tranony nandritra ny fotoana maharitra..

Koa satria nahaleo tena i Makedonia, 25 taona lasa izay, niteraka resabe ny dingam-panorenana ofisialy ny maha-izy azy ny firenena, indrindra manodidina ny fifandirana amin'ireo Grika mpifanolo-bodirindrina aminy momba ny anaran'ny firenena (miezaka manazava ilay olana ity lahatsary ity), ary ny fanandratana ireo sarivongana goavana ho toy ny singa iray amin'ilay tetikasa Skopje 2014. Na atao aza hoe loharanon'ny fanamby sasany, ny fahasamihafan'ny kolontsain'i Makedonia ihany koa no mahatonga ilay firenena ho tsara tarehy..

Manome fijery mahaliana amin'io fahasamihafàn'ny kolontsaina io ny bilaogy Adventure Travel  : ” Tena samihafa ny Balkans ary ny tanàna sy ny faritra tsirairay dia samy manana ny tsirony manokana sy taotrano mampiavaka azy. Aorian'i Slovenia izay toa madio tsy misy pentina, toa misafotofoto sy malotoloto kely i Makedonia. Saingy tena nanintona ahy ny farihy Ohrid ka tsy te hiala aho.”

Do you fancy a boat ride? (Photo MB)

Tia mitaingina sambo ve ianao? Sary avy amin'i Marie Bohner, CC BY.

Tena mora ny ahatongavana any Ohrid avy any amin'ny faritra hafa any Eoropa, na amin'ny fiaramanidina na amin'ny fiara fitateram-bahoaka na fiara. Misy sidina mivantana avy ao Alsace any Frantsa — sidina somary mafimafy ihany satria mandalo eo ambonin'ny  Alpes ary mitondra antsika any ao anatin'ny ora roa latsaka. Manolotra seho mahavariana ny farihy ho an'ireo mpandeha avy eny ambony ny sidina, satria mihodina eo ambonin'ny farihy ny fiaramanidina mialoha ny hipetrahany.

Iray amin'ireo farihy tranainy indrindra sy lalina indrindra any Eoropa ny farihy Ohrid. Mitahiry biby sy zavamaniry mahavariana sy manokana ihany koa izy. Hazavain'ny lahatsoratra iray nataon'i Daniel Kelly ao amin'ny Lake Scientist fa “ao amin'ny faritra lalin'i Ohrid irery, ahitana ahidrano karazany roapolo, karazana zavamaniry roa, karazana bibikely dimy tsy hitan'ny maso ary karazana trondro folo. Fa ireo biby any amin'ny fanambanin'ny ranony no tena samy hafa, ahitana karazany 176 teratanin'ilay farihy. Miparitaka be ireo karazan-java-manan'aina ireo ao anatin'ny farihin'i Ohrid ka toa zary lasa tsy dia olana manan-danja ireo karazana biby hafa.

Voahodidina tendrombohitra maitso tsara tarehy izay matetika rakotry ny oram-panala ny farihy. Tsy maintsy mandalo kely ao amin'ny farihy miaraka amin'ireo tantsambo raha te-hahita ny hatsaran'ny farihy sy ny tanàna ary ireo fiangonana 365 – in-dray andro ao anatin'ny taona. Ary misy maoske koa!

Tamin'ny 1979 , nambaran'ny UNESCO indray ho lova iraisam-pirenena i Ohrid  ary notanisain'ny National Geographic ho iray amin'ireo “toerana 100  izay hanova ny fiainanao“.

Avy ao amin'ny Ohrid, afaka miditra mora foana amin'ireo tanàna roa hafa ao amin'ny faritra ny mpitsidika izay manome fomba fijery hafa mihitsy ilay faritra. Eo amorona'ilay farihy ihany koa i Struga eo akaiky eo , fa milamina kokoa ny tanàna miohatra amin'i Ohrid satria vitsy kokoa ireo mpitsidika iraisam-pirenena raisina, afa-tsy ny fiakaran'isa kely amin'ny fahavaratra. Albaney no foko betsaka kokoa amin'ny mponina ao an-tanàna, ary toy ny vavahady mitndra mankany Albania mihitsy izy.

Struga, on the shore of Lake Ohrid (Photo MB)

Struga, manamorona ny farihin'i Ohrid. Sary avy amin'i Marie Bohner, CC BY.

Zarain'ny renirano Drim Mainty ho roa i Sturga, miteraka lalankely maromaro manome tsio-drivotra mahafinaritra, tomorina trano fisotroana sy trano fisakafoanana ary toerana tsara itsangatsanganana amin'ny hariva. Momba ny sakafo Makedoniana matsiro, aza adino ny mitsidika ny trano fisakafoanana Md Nicholas any Struga, izay mandroso karazana sakafo nentin-drazana aroso amin'ny lovia voaravaka izay tsy mankaleo, anisan'izany ny fromazy manta na nendasina, legioma, natono na nopotsehina, hena atono ary trondro sy holatra eo an-toerana. Na dia mijanona any Ohrid aza ianao, tena torohevitray ho anao ny hitsidihana an'i Struga amin'ny takariva mba hanandramana ny tsiron'ireo sakafo ireo..

Homemade baked beans, mushrooms, cheese and nut & honey crepes. Yummy! (Photo MB)

Mofo tsaramaso namboarina tao an-trano, holatra, fromazy sy voanjo & mofo tantely. Miammmm! SARY : Marie Bohner

Manolotra zavatra tsy ampoizina tsara be koa ny tsenan'i Ohrid. “Leblebidžilnica” dia tsena iray mivarotra karazana voanjobory (leblebija amin'ny teny Makedoniana, leblebi any Tiorka sy Albaney) ary koa voanjo sy fanampin-tsiron-tsakafo

Visiting the market in Ohrid (Photo MB)

Fitsidihana ny tsenan'i Ohrid. Sary avy amin'i Marie Bohner, CC BY.

Mora ny  mandeha fiara fitateram-bahoaka na fiara iombonana na fiarakaretsaka mitokana ao an-tanàna, izany no antony tsy tokony hampisalasala anao hanao fitsidihana avy any Ohrid mandeha any Bitola, tanàna faharoa lehibe indrindra any Makedonia, mitoetra somary ambony kokoa any an-tendrombohitra. Fantatra tamin'ny fahagola ho Heraclea Lyncestis - tanànan'i Hercules any main'ny Tanin'ny Sakadia – antsoina hoe ‘Tanànan'ny Kaonsily‘ nandritra ny vanim-potoanan'ny Ottoman ary iray amin'ireo toeram-piadiana nandritra ny Ady Lehibe I;  Bitola dia efa sampanan-dàlana hatry ny ela ary tanànan'ny mpivezivezy.Mihoatra noho i Bitola sy Stroga, fifangaroan'ny kolontsaina ilay tanàna. Eny an-dalana ianao mifanena amin'ny Romana, sy Tiorka, Frantsay ary Alemana mpitsangatsangana. Miaina andro aman'alina Bitola misy an'ireo trano fisakafoanana, trano fisotroana, zaridaina sy seho kolotoraly manitona, ary raha te-hiova amin'ny labiera Skopsko fisotronao isanandro ianao, andramo ny Bitolsko!

Bitola from above (Photo MB)

Bitola hita avy eny ambony. Sary avy amin'i Marie Bohner, CC BY.

Zavatra tsy nananako fotoana nanaovana azy, ary antony nilàko nihazakazaka niverina tany amin'ilay faritra, isan'izany ny fanaovana an-tsitrika tao amin'ny Fariky Ohrid mba hijery ireo sisa tavela voarakotra ao anaty rano ao, ny fianihana an-tongotra ireo tendrombohitra manodidina ny farihy Ohrid sy Bitola; ary hihinana sakafo iray tsy mampino ao amin'ny trano fisakafoanana  Md Nicholas ao Struga.

Tiako Makedonia. Inoako fa ho tianao koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.