- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
China released the draft of cyber security law on 6 July. Remix image.

Namoaka ny volavolan-dalàna amin'ny lalànan'ny fiarovana ao amin'ny Aterineto i Shina ny 6 Jolay. Sary natambatr'i Oiwan Lam.

Namoaka volavolan-dalàna vaovao [1] ny Sampan-draharaha mitantna ny Sehatry ny Aterineton'i Shina, izay hangataka amin'ireo kaompania mpandrindra ny Aterineto hametraka mialoha ny rindrambaiko fanarahamaso amin'ireo fitaovana fiseraseràna, ary manao ara-dalàna ireo fizotra manokana mba hitsaboana ny fianteherana amin'ny Aterineto, izany rehetra izany ho an'ny tombotsoan'ny fiarovana ireo ankizy.

Mandrisika ny indostrialy sy ireo sehatra ara-tsosialy hiditra bebe kokoa amin'ireo resaka fiarovana ny ankizy ao amin'ny Aterineto, ireo volavolan-dalàna, amin'ny alalan'ny rafitra fampitandremana votoaty sy fanesorana, rindrambaiko fanivànana ary  fanarahamaso voapetraka mialoha, fanaovana ho ara-dalàna sy fampahafantarana ireo fitsaboana ny fiankinan-doha amin'ny Aterineto, ary ny rafitra fanamarinana ny taona ho an'ireo kilalao atao amin'ny Aterineto. Navoaka ny 30 Septambra, misokatra ho an'ny fanehoankevitry ny daholobe hatramin'ny 31 Oktobra 2016 ny Lalàna Mikasika ny Fiarovana Ireo Zaza Tsy Ampy Taona ao amin'ny Aterineto. [1]

Maro ireo manahy hoe mety hampiasaina amin'ny tanjona hafa ireo fitaovana ahafahana manara-maso namboarina ao anatin'ireo fitaovana ampiasaina na voapetraka mialoha  amin'ireo fitaovana fiseraseràna. Araka ny Andalana Faha-11 sy 12 ao amin'ireo lalàna:

    第十条 国家鼓励并支持研发、生产和推广未成年人上网保护软件。
国家网信部门会同国务院工信等部门组织制定未成年人上网保护软件研发、生产和推广的政策并组织实施。

第十一条 学校、图书馆、文化馆、青少年宫等公益性场所为未成年人提供上网设施的,应当安装未成年人上网保护软件,避免未成年人接触违法信息和不适宜未成年人接触的信息。
第十二条 智能终端产品制造商在产品出厂时、智能终端产品进口商在产品销售前应当在产品上安装未成年人上网保护软件,或者为安装未成年人上网保护软件提供便利并采用显著方式告知用户安装渠道和方法。

Andalana Faha-11. Tokony manisy rindrambaiko hiarovana ireo zaza tsy ampy taona sy hisorohana azy ireo tsy ho afaka miditra ao amin'ny torohay tsy ara-dalàna sy tsy mifanaraka amin'izy ireo, ireo mpamatsy Aterineto rehetra any an-tsekoly, toerana fivarotamboky, ary ivon-toerana ara-koltoraly ho an'ireo tanora.

Andalana Faha-12. Tsy maintsy iantohan'ireo Mpanamboatra sy ireo Mpanafatra ireo fitaovana rehetra mikasika ny solosaina hoe efa misy rindrambaiko fiarovana ny zaza tsy ampy taona ireo entana, na misy torolàlana mazava amin'ny fomba fametrahana ireo rindrambaiko fiarovana ny zaza tsy ampy taona, mialohan'ny hamarotana ireo entana eny an-tsena.

Mpitoraka blaogy iray any Guangzhou, izay nisafidy ny tsy hamoaka ny mombamomba azy, naneho ny ahiahiny hoe aorian'ny fahalanian'ilay lalàna, hisy teknolojia fanarahamaso voapetraka mialoha izay tsy hety esorina intsony ireo finday sy solosaina rehetra amboarina any Shina.

Mety ho afaka ampiasaina hitsikilovana ireo zavatra rehetra atao amin'ny fitaovan'ny tompony, na ao anatin'ny aterineto na tsy ao, io rindrambaiko fanarahamaso io. Mety ho afaka ampiasaina hanimbàna ny fandehan'ireo fitaovana fihodivirana ihany koa ireo. Nanipika ihany koa ilay mpitoraka blaogy hoe, taloha, nanana fibanàhana ara-teknika ireo teknolojia fanarahamaso hita tamin'ny fitaovana vita Shinoa, ka nahatonga azy ireo ho marefo manoloana ireo mpijirika ratsy saina.

Miverina ve ny “Tohodrano Maitso Mpiambina ny Tanora”?

Ny taona 2009, nandraman'ny governemanta Shinoa ny nanery ireo mpanamboatra solosaina maneran-tany sy ao an-toerana hametraka mialoha [2] rindrambaiko manivana fantatra amin'ny anarana hoe “Tohodrano Maintso Mpiambina ny Tanora,” izay mibahana ireo vohikala voarara, amin'ny fampifandraisana ireo fitaovan'ireo mpampiasa rehetra sy ny angon-drakitr'ireo vohikala voraàra ao amin'ny Aterineto. Satria nahita ny tataka tao amin'ilay rindrambaiko ireo Shinoa mpisera amin'ny Aterineto, najanona ilay tetikasa.

Tsy marihan'ireo lalàna ankehitriny hoe karazana rindrambaiko toy ny inona no hapetraka ao anatin'ireo fitaovana fiseraseràna rehetra, mba hahafahana tsara misoroka ireo zaza tsy ampy taona tsy hiditra aminà “torohay tsy ara-dalàna sy tsy mifanaraka amin'izy ireo” araka ny voafaritry ny lalàna Shinoa. Fa milaza kosa izy ireo hoe tokony hifandray amin'ny angon-drakitra fototra tantanan'ny governemanta na ireo manampahefanan'ny antoko ireo rindrambaiko rehetra. Mamaritra mazava tsara ny Andalana Faha-10 fa ho tomponandraikitra amin'ny fampivoarana, fanamboarana ary fametrahana ny politikan'ny rindrambaiko ny Sampandraharahan'ny Aterineto sy ny Ministeran'ny Indostria ary ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao. Izany no antony ilazan'ireo mpisera maro amin'ny Aterineto hoe niverina “ny Tohodrano Maintso”. Nofafan'ny mpanivana vohikala Shinoa ireo adihevitra rehetra mikasika io.

Fandraisana ny ‘Fiankinan-doha amin'ny Aterineto’

Tsy dia voasivana be loatra kosa ireo resadresaka ao amin'ny Aterineto mikasika ny fanaovana ho ara-dalàna ireo fitsaboana ny fiankinandoha amin'ny Aterineto. Raha toa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenen'ireo mpitsabo saina mbola manohy miady hevitra hoe tena olana tokoa ve ny fiankinandoha amin'ny Aterineto [3], hita ho vonona hitrandraka  rafitra iray fanombanana eo an-toerana ny governemanta Shinoa, ary hametraka ireo zaza tsy ampy taona amin'ny antsoina hoe fitsaboana “famadihana”. Araka ilay volavolan-dalàna narafitra:

第二十条 教育、卫生计生等部门依据各自职责,组织开展预防未成年人沉迷网络的教育,对未成年人网络成瘾实施干预和矫治。
县级以上人民政府及其教育行政部门应当为中小学校配备专门教师或提高教师专业水平,增强对未成年人沉迷网络的早期识别和干预能力,并可以通过购买服务等方式提供预防和干预未成年人沉迷网络的教育或服务。
国务院卫生计生部门会同有关部门推动出台网络成瘾的本土化预测和诊断测评系统,制定诊断、治疗规范。

Andalana Faha-20: Tokony hikarakara sy hametraka fandaharanasa fampianarana sy fahasalamana sy fikarakaràna ara-pitsaboana ireo sampan-draharaha misahana ny fanabeazana sy fahasalamàna mba hisorohana ireo zaza tsy ampy taona tsy ho latsaka amin'ny fiankinandoha amin'ny Aterineto, ary hamadika ireo zaza tsy ampy taona efa miantehatra amin'izany.

Ny governemantam-bahoaka sy ireo manampahefana amin'ny fanabeazana ao amin'ny fari-piadidiana sy ny amboniny dia tokony hametraka any amin'ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa, mpampianatra manokana manampahaizana amin'io raharaha io, na mampitombo ireo fahaizamanaon'ireo mpampianatra mba hitiliana mialoha sy hiditra an-tsehatra amin'ny olan'ny fiankinandoha amin'ny Aterineto eo amin'ireo zaza tsy ampy taona dieny mbola kely izy ireo. Afaka mividy tolotra avy amin'ireo fikambanana misehatra manokana amin'ny fisorohana sy fidirana an-tsehatra amin'ny fiankinandoha amin'ny Aterineto eo amin'ireo zaza tsy ampy taona ihany koa ireo sekoly.

Hiara-hiasa miaraka amin'ireo manampahefana hafa ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, mba hamokatra rafitrairay fitiliana mialoha sy fanombanana ny fiankinandoha amin'ny Aterineto, ary hamokatra kaody hijerena sy hitsaboana ny fiankinandoha amin'ny Aterineto.

Any Shina, tena lasa mihetsiketsika be ireo toeram-pitsaboana saina sasany amin'ny fanindrahindrana ny fitsaboana ny fiankinandoha amin'ny Aterineto. Olona fanta-daza i Yang Yongxin, izay nampalaza ny andrana mba haminavinàna ny fiankinandoha amin'ny Aterineto sy ny fampiasàna ny “électrochoc [4]” (fitaovana elektrika) hitsaboana ireo olona tsaboiny. Ny taona 2006, nametraka ny Ivontoerana Fitsaboana ny Fiankinandoha amin'ny Aterineto voalohany teo amin'ny firenena i Yang tao amin'ny Hopitalin'ny Fahasalamana Ara-tsainan'ny Tanànan'i Linyi any amin'ny faritanin'i Shandong.

Hatramin'ny naneken'i Shina ara-pomba ofisialy ny fiankinandoha amin'ny Aterineto ho fikorontanana ara-pahasalamana, ny taona 2008, an-jatony ireo lasy fanazarantena  natsangana mba hitsaboana ny olan'ny fiankinandoha. Teren'ny ankamaroan'ireny lasy ireny  ireo zaza hanao fanazarantena ara-batana henjana be. Nisy tatitra vitsy nilaza fisianà zaza maty tampoka tany amin'ireny lasy ireny. Ny taona 2014, nisy ankizivavy 19 taona nampijaliana mandra-pahafatiny mihitsy [5] nandritra ny lasy fanazarantena hialàna amin'ny fiankinandoha amin'ny Aterineto ,nokarakarain'ny sekoliny tany amin'ny faritanin'i Henan.

Na azo lazaina ho ezaka entina “hampitoviana” ny fitsaboana ny fiankinandoha sy hisorohana ireo fahafatesana mandritra ny fitsaboana aza ilay lalàna, milaza mialoha ny ankamaroan'ireo Shinoa mpisera amin'ny Aterineto fa vao mainka io hanimba kokoa ireo zaza tsy ampy taona.

Ao amin'ny Twitter, nilaza izao i @acgtyrant:

Mijery ireo Volavolan-dalàna narafitra mikasika ny Fiarovana Ireo Zaza Tsy ampy Taona Amin'ny Aterineto aho, tsy manisy resaka manokana ny amin'ny andraikitr'ireo orinasa ara-pahasalamana hiarovana ny tsy haha-voantohintohina ireo zaza tsy ampy taona ireo ilay izy. Raha lany ireo volavolan-dalàna ireo, toa mety ho betsaka ihany ireo zaza tsy ampy taona ho faty [mandritra ny fitsaboana], tena maneso ity.

Ao amin'ny Sina Weibo, mitovy amin'ny Twitter, maro ireo mpisera amin'ny Aterineto manangam-peo [7] manohitra ny fitsaboana amin'ny fiankinandoha amin'ny Aterineto, ao amin'ny sehatra fanehoana hevitra, miaraka amin'ireo sasany miresaka ny fitsaboana amin'ny “électrochoc” ataon'i Yang Yongxin:

杨永信要合法了?领导是不是有山东临沂人?

Ho atao ara-dalàna hoe i Yang Yongxin? Manontany tena aho raha avy any amin'ny tanànan'i Shandong Linyi ve ireo mpitondra?

网瘾是关乎青少年精神的问题,但是如此粗暴草率的议案还不知道会引发什么样其他的重大问题。当然了这样一个对杨永信这么久视而不见的政府能做出来什么样的事情我们也不知道,让我们拭目以待。

olana mikasika ny fahasalamana ara-tsain'ireo zaza tsy ampy taona ny fiankinandoha amin'ny Aterineto, saingy mety hitondra any aminà olana goavana hafa ny lalàna toy izany. Tsy hainay mihitsy hoe inona no ho vitan'ny governemanta izay namily ny masony tsy hijery an'i Yang Yongxin hatry ny ela be izay. Mila miandry isika ary ho hita eo.

谁起的草案让杨永信电一年我就同意你们谁敢?

Raha manaiky ataon'i Yang Yongxin “éléctrochoc” mandritra ny taona iray ireo nandrafitra io lalàna io, hanome alalana aho.

我小学就开始玩电脑,现在才成年了,所谓的网瘾还是没见识过,出去一个月不碰电脑一点事都没有,什么叫瘾?烟瘾算吗?怎么治?电击啊

Nilalao kilalao amin'ny solosaina foana aho efa hatramin'ny sekoly ambaratonga voalohany. Amin'izao aho efa olon-dehibe ary tsy manana olana amin'ny fiankinandoha  mihitsy. Afaka miaina tsy mahita solosaina mandritra ny iray volana aho. Ahoana ny hamaritanareo ny hoe fiankinandoha ? Ahoana ny mikasika ny fiankinandoha amin'ny sigara? Ahoana no hitsaboanareo io? Electrochoc!

Ao amin'ny tohivakam-baovao hafa, nitondra [8] ny olan'ny zon'olombelona ireo mpisera amin'ny Aterineto:

干预、限制人的自由,其法律依据是什么?认定为疾病、需要戒瘾的依据是什么?

Inona no fototra araka ny lalàna amin'ireo famerana ny fahalalahana manokan'ny olona toy izany? Inona no fototra [ara-medikaly] amin'ny famaritana [ ny fiankinandoha amin'ny Aterineto] ho aretina mitaky fitsaboana?

所以说网瘾怎么治,电击?打? 这是想怎么地阿,人权还有吗?为了保护下一代,真的,还是不要生了

Ahoana no fiatsaboana ny fiankinandoha amin'ny Aterineto, électrochoc? Daroka? Mbola manana zon'olombelona ve isika? Mba hiarovana ireo taranatsika manaraka, tsy tokony hiteraka intsony isika.

最重要的是,你怎么证明你没有网瘾?我可不想以后走路上莫名其妙被以有“网瘾”的名义被拉去进行所谓的“治疗”!

Ny zava-dehibe dia ny hoe ahoana no hanaporofoana fa miankin-doha ianao? Manontany tena aho hoe indray andro ve aho mety ho lazaina ho miankin-doha  amin'ny Aterineto ary voatery ho tazonina “hotsaboina”.