- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana 2016, Fikasana Hanamafy Ny Feo Antserasera Ao Amin'ny Faritra

Sokajy: Karaiba, Angletera, Etazonia, Jamaika, Trinite sy Tobago, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
Screen shot from SiliconCaribe.com website.

Dikasary avy amin'ny tranonkala SiliconCaribe.com.

Mihevitra ilay Jamaikana mpandraharaha ara-teknolojika Ingrid Riley [1] fa fotoana lehibe izao hisehoan'ireo bilaogera Karaibeana sy hanandratan'izy ireo ny feony eo amin'ny tontolon'ny aterineto.

Nanangana ny Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana 2016 [2](#CBW2016) hatomboka amin'ny 5 hatramin'ny 10 Desambra 2016 i Ingrid sy ny fampitam-baovaony ara-teknolojia Karaibeana efa nahazo loka sady marika an-danonana antsoina hoe SiliconCaribe [3]. Ny lohahevitra amin'ity CBW voalohany ity dia “Ny Herin'ny Fanintonana Nomerika [4]” ary ny tanjona lehibe dia ny hanomezana sehatra ho fankatoavana ireo bilaogera Karaibeana sy taranaka karaibeana. Ao daholo izy ireo ary tokony hanan-kambara.

SiliconCaribe Editor-in-Chief and founder of Caribbean Bloggers Week Ingrid Riley. (Screenshot from SiliconCaribe.com)

Talen-dahatsoratry ny SiliconCaribe ary mpanorina ny Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana, Ingrid Riley. (Pikantsary avy amin'ny SiliconCaribe.com)

Ao amin'ny aterineto avokoa no anatanterahana ny sivifolo isan-jaton'ny ny hetsika, izay hampahafantarina sy ho hiantsafana ireo matihanina amin'ny herim-panintonana nomerika sy ireo vao misondrotra.

Hikarakara fihaonan'ny bilaogera ampiantranoin'ireo bilaogera taranaka Karaibeana ihany koa ny hetsika maharitra herinandro. Handray ny fihaonana ao Kingston, Jamaika i Odessa Chambers, tompon'ny bilaogy momba ny fomba fiainana sy ny fialam-boly accessjamaica.com. [5] Mel Gabriel ao Port of Spain, mpanoratra, tonian-dahatsoratra sy tompon'ny CaribbeanLookBook.com [6]no ho Trinidadiana mpampiantrano. Hampiantranoin'i Mikelah Rose, mpanorina ny StyleandVibes.com [7] kosa ny fihaonana ao New York. Horaisin'i Ursula Barzey, mpanorina ny bilaogy momba ny fitetezan-tany sy ny zavatra lafo vidy CaribbeanandCo.com [8]kosa ny fihaonana any Londra.

Fanararaotra tsara indrindra ho an'ireo Karaibeana mpanoratra sy mpaneho hevitra hivoaka ny randram-baovaon'ny Facebook, ny tenirohy sy ny fampitana sioka fanaon'izy ireo ity CBW ity hahazoana mpanjohy bebe kokoa, hampisy fiantraikany bebe kokoa eo amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera maneran-tany.