Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana 2016, Fikasana Hanamafy Ny Feo Antserasera Ao Amin'ny Faritra

Screen shot from SiliconCaribe.com website.

Dikasary avy amin'ny tranonkala SiliconCaribe.com.

Mihevitra ilay Jamaikana mpandraharaha ara-teknolojika Ingrid Riley fa fotoana lehibe izao hisehoan'ireo bilaogera Karaibeana sy hanandratan'izy ireo ny feony eo amin'ny tontolon'ny aterineto.

Nanangana ny Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana 2016 (#CBW2016) hatomboka amin'ny 5 hatramin'ny 10 Desambra 2016 i Ingrid sy ny fampitam-baovaony ara-teknolojia Karaibeana efa nahazo loka sady marika an-danonana antsoina hoe SiliconCaribe. Ny lohahevitra amin'ity CBW voalohany ity dia “Ny Herin'ny Fanintonana Nomerika” ary ny tanjona lehibe dia ny hanomezana sehatra ho fankatoavana ireo bilaogera Karaibeana sy taranaka karaibeana. Ao daholo izy ireo ary tokony hanan-kambara.

SiliconCaribe Editor-in-Chief and founder of Caribbean Bloggers Week Ingrid Riley. (Screenshot from SiliconCaribe.com)

Talen-dahatsoratry ny SiliconCaribe ary mpanorina ny Herinandron'ny Bilaogera Karaibeana, Ingrid Riley. (Pikantsary avy amin'ny SiliconCaribe.com)

Ao amin'ny aterineto avokoa no anatanterahana ny sivifolo isan-jaton'ny ny hetsika, izay hampahafantarina sy ho hiantsafana ireo matihanina amin'ny herim-panintonana nomerika sy ireo vao misondrotra.

Hikarakara fihaonan'ny bilaogera ampiantranoin'ireo bilaogera taranaka Karaibeana ihany koa ny hetsika maharitra herinandro. Handray ny fihaonana ao Kingston, Jamaika i Odessa Chambers, tompon'ny bilaogy momba ny fomba fiainana sy ny fialam-boly accessjamaica.com. Mel Gabriel ao Port of Spain, mpanoratra, tonian-dahatsoratra sy tompon'ny CaribbeanLookBook.com no ho Trinidadiana mpampiantrano. Hampiantranoin'i Mikelah Rose, mpanorina ny StyleandVibes.com kosa ny fihaonana ao New York. Horaisin'i Ursula Barzey, mpanorina ny bilaogy momba ny fitetezan-tany sy ny zavatra lafo vidy CaribbeanandCo.com kosa ny fihaonana any Londra.

Fanararaotra tsara indrindra ho an'ireo Karaibeana mpanoratra sy mpaneho hevitra hivoaka ny randram-baovaon'ny Facebook, ny tenirohy sy ny fampitana sioka fanaon'izy ireo ity CBW ity hahazoana mpanjohy bebe kokoa, hampisy fiantraikany bebe kokoa eo amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera maneran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.