- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Stand with Standing Rock”: Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Dakota Access Pipeline

Sokajy: Etazonia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

rivas-nodapl

Efa am-bolana izao ny Sioux Lakotas no nifamory hibahana ny fitsabahan'ny Dakota Access Pipeline amin'ny taniny. Milaza tena ho “Mpiaro ny rano” izy ireo, satria hampidi-doza ny rano azo sotroina ao amin'ny Valan-javaboarin'i Standing Rock, ao Dakota Avaratra ny fananganana fantsona goavana ao.

Nanatevin-daharana ny Lakotas ireo Fokom-Pirenena mihoatra ny 200 tonga voalohany, sy ireo mpikatroka manerana izao tontolo izao. Naaton'ny Fitondrana Obama vonjimaika ny fananganana ny fantsona goavana taorian'ny fandravana toera-masina Sioux tamin'ny septambra 2016.

Saingy nandravarava ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Dakota Access Pipeline ny polisy misahana ny rotaka tamin'ny 27 oktobra, tamin'ny fanamarinan-tena fa nitoby tamin'ny tany an'olon-tsotra ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tamin'ny voalohany io fantsona lehibe io dia nokasaina handalo eo anilan'i Bismarck, ao Dakota Avaratra, saingy navily lalana mba hanavatsava ny tanin'ny vazimba teratany Lakotas. Ity sombin'ny lahatsary fanadihadiana momba ireo vehivavin'i Standing Rock ity no hamehy ny fifaningoran-tombontsoa tafiditra amin'ity raharaha ity. “Mbola mitolona amin'ity tolona efa nanomboka tamin'ny taonjato faha-18 ity hatrany izahay hatramin'izao fotoana izao”, hoy ny iray amin'ireo olona nanaovana antsafa.

Mbola tsy nanana hery tahaka izao izahay talohan'ny fisian'ny media sosialy…

Hanao topimaso amin'ireo lahatsoratra sasantsasany navoaka sy nozarain'ireo olona ao Standing Rock sy amin'ireo izay manana fifandraisana amin'ireo olona ao ireo ity lahatsoratra etoana ity.

Nomen'ny media sosialy fitenenana ireo olona nampanginina hatry ny fotoana ela. Maro amin'ireo miaro ny zo mifandraika amin'ny rano sy ny fiarovana ny tanin'ny teratany ireo no mahantra. Ao amin'ity filma fohy nivoaka tao amin'ny BBC [1]ity i Juliana Brown Eyes no manazava:

We live in a rural area. We live in an impoverished area. Before social media, we didn't have this kind of pull — you know — in the world.

Monina ambanivohitra izahay. Monina amin'ny faritra mahantra izahay. Talohan'ny fisian'ny media sosialy izahay tsy mbola nanana hery — fantatrao — eto amin'izao tontolo izao tahaka izao.

Nizara ny sary eto ambany tao amin'ny Instagram [2] izy. Tonga tao Standing Rock izy hanohitra ny Dakota Access Pipeline. Nandoko ny tanany ho manga ho mariky ny rano izy. .

Oglala Lakota Tribal members Scotti Clifford & Juliana Brown Eyes-Clifford from the band Scatter Their Own have been arrested for protesting against the Dakota Access Pipeline. They have been standing in solidarity with their relatives in Standing Rock SD to protect the sacred water! You can contribute to the Legal Defense Fund for Sacred Stone Spirit Camp. https://fundrazr.com/d19fAf [3]

A photo posted by Juliana Brown Eyes (@julianabrowneyes) on

Nosamborina ny mpikambana ao amin'ny foko Oglala Lakota Scotti Clifford sy i Juliana Brown Eyes-Clifford avy ao amin'ny vondrona Scatter Their Own noho ny nanaovany fihetsiketsehana ho fanoherany ny Dakota Access Pipeline. Naneho fihetsika fanehoam-piraisankina tamin'ireo fianakaviany ao amin'ny Standing Rock izy ireo hiarovana ny rano misy hasina ! Afa-mandray anjara amin'ny Tahiry Fiarovana ara-Pitsarana ny Tobin'ny Fanahin'ny Vato Masina ianareo ao amin'ny https://fundrazr.com/d19fAf. [4]

 

Aleveno ny foko…

Ao amin'ny Instagram i schwifty.squanch [5] no namoaka sary fampitahana ny ady tao Wounded Knee tamin'ny taona 1890 [6] sy ny toe-draharaha ao Standing Rock amin'ny taona 2016. Farafahakeliny Sioux Lakotas 150 no naripaky ny miaramila amerikana an-tsoavaly tamin'ny taona 1890.

Manoratra izy:

The pipeline was supposed to be built north of #Bismarck [7] #NorthDakota [8] but was called off due to the ‘potential danger’ it held for the community. So what'd they decide? ‘Let's put it north of the #Natives [9]. But this is the crazy part it threatens a city but not a small community? Because why? We're expendable?

Tokony naorina avaratr'i Bismarck ny fantsona, saingy nofoanana izany satria “mety hampidi-doza” ny tanàna. Ka inona ny fanapahan-kevitr'izy ireo? Ny hampandalo azy avaratry ny vazimba teratany. Fa fahadalàna izany fa mampidi-doza ny tanàna ilay izy fa tsy vondrom-piarahamonina kely? Nahoana ? Tsy misy dikany izahay ?

#nodapl this is not a native Issue it's a human issue this is going on literally less than an hour from where I am it's scary it's heart breaking and unnecessary. What's going on is there is a pipeline attempting to be built that is right north not even a mile north of the #StandingRockSiouxTribe and less than a half mile west of the #MissouriRiver and a mile north or the #CannonballRiver there is the community of #Cannonball directly south of this pipeline. When the pipeline bursts it'll take less than 2 minutes for the people water to be contaminated it'll take an hour and the capital of #SouthDakota and so on and so fourth. The pipeline was supposed to be built north of #Bismarck #NorthDakota but was called off due to the ‘potential danger’ it held for the community. So what'd they decide? ‘Let's put it north of the #Natives. But this is the crazy part it threatens a city but not a small community? Because why? We're expendable? The pipeline shouldn't even be built because if it is moved south of this reservation it's directly above another if it's moved south of there it's directly above a major city if it's moved south of there it's over another rez and so on and so fourth. This is not just #NativeLands we are protecting it's ALL of ours. Anyone who lives in the #greatplains region this is your battle too. #nodapl #WakeUp [10]

A photo posted by B.M.W. (@schwifty.squanch) on

Ao amin'ny Facebook, [11] nanao fehinteny ny tolona amin'ny teny tsotra i Anthony Roberts mpanoratra : “Ny fahefan'ny fitiavana sy ny fitiavana fahefana”.

Mety hisy ve ny vahaolana?

Nampangain'ny mpitarika ny cheyennes sy ny sioux ny nanaovana azy ireo tao amin'ny biraon'ny sherifan'ny fiadidian'i Morton, polisin'ny faritra.

tribal-chiefs-speak-out-nodapl [12]

Nanambara toy izao i Dave Archambault II, sefon'ny foko Sioux ao Standing Rock :

We are being arrested for trespassing on our own land […] All we have is support. All we have is unity. All we have are our prayers. And it's strong. We still have a chance.

Nosamborina izahay satria niditra an-tsokosoko tamin'ny taninay […] Fanohanana ihany no mba anananay. Firaisankina ihany no mba anananay. Ny vavakay ihany no anananay. Ary matanjaka izany. Mbola manambintana ihany izahay.

Namoaka ny lazaina ho “marika mampahery” i Wes Enzinna, talen-dahatsoratry ny Mother Jones : fivoriana niarahan'ny sherifan'ny fiadidian'i Morton sy ny olobe ara-poko.

Marika mampahery : nihaona teo an-tetezan'ny lalana 1806 ny sherifan'ny fiadidian'i Morton sy ny olobe ara-poko.

Fifohazana lehibe

Taorian'ny fandravan'ny vondrona misahana ny rotaka ny toby, namoaka tononkalo nosoratany tao amin'ny Facebook [17] ilay mpihira Kelli Love:

I speak to your warrior heart,
Sometimes it is not easy to find compassion and love in the face of violence.
To pray for the men in uniform waging war on my brothers and my sisters…
so I will pray for the great awakening
To fall on every man in all the lands.

Miteny amin'ny fonao miady aho,
Indraindray tsy mora ny mahita fangorahana sy fitiavana eo anoloan'ny herisetra.
Mivavaka ho an'ireo olona manao fanamiana nefa miady amin'ny anadahiko sy ny rahavaviko ry zareo…
Ka mivavaka aho hisian'ny fifohazana lehibe
hahatrarany ny olona tsirairay eto an-tany.

Sady lava no sarotra ity tantara ity : efa taranaka maromaro izao no nanao ny tolona hiarovana ny rano sy ny tanin'ny vazimba teratany. Ahitana tantaram-paharavan'ny tontolo iainana sy hala-tany efa nisy talohan'i Standing Rock amin'izao taona 2016 izao. Tantaran'ady, sy famonoana sy fifanarahana nohajaina sy notapahina.

Ampifandrafiany ny zo hanan-kolontsaina sy ny fanasana atidoha ara-kolontsaina. Tafiditra ao ny fahafenoan'ny fianakaviana sy vahoaka teratany. Ireo olona rehetra ireo, sy zavatra haf amaro ihany koa, no mifaningotra ao Standing Rock amin'izao fotoana izao.

Raha tianao ny hahalala bebe kokoa momba ity tolona ity, dia jereo ireto rohy amin'ny teny anglisy ireto :

Aza misalasala manampy eo amin'ny fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity [na amin'ny teny anglisy] raha misy rohy hafa hitanao.