- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miha-mafàna Ny Toe-draharaha Rehefa Nampanantena “Hiverina Eny An-dalamben'i Venezoela” Ireo Mpanao Fihetsiketsehana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Los movimientos de calle en Venezuela parecen ser el comienzo de intensas manifestaciones para enfrentar la negativa del gobierno a dar lugar al referendo revocatorio contra el presidente Nicolás Maduro. En la foto: Detalle de la fotografía tomada por María Alejandra Mora durante las marchas de Maracaibo en 2014. Publicada bajo licencia Creative Commons.

Toa manamarika ny fanombohan'ny fihetsiketsehana mafàna manohitra ny fandavan'ny governemanta hanatontosa fitsapan-kevibahoaka hanesorana ny filoha Nicolàs Maduro ny fihetsiketsehana an-dalambe ao Venezoela. Sary: Sary nalain'i María Alejandra Mora nandritra ny diabe tao Maracaibo tamin'ny 2014. Arovan'ny Creative Commons.

Taorian'ny fandavan'ny fanjakana Venezoeliana hanatontosa fitsapan-kevibahoaka fanesorana ny filoha [1] araka ny nangatahan'ny mpanohitra, nidina an-dalambe ny Venezoeliana an'arivony manoloana izay hitan'izy ireo fa tsy fahombiazan'ny fifampiraharahana amin'ny krizy ara-politika sy ara-toekarena [2] ao amin'ny firenena.

Azo arahina amin'ny tenirohy #LaTomaDeVenezuela [3] [Ny fakàna an'i Venezoela] ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny hevitra manohana sy manohitra ny fitsapan-kevibahoaka. Ahitana ireo singa amin'ny diabe isan-toerana ankoatra ny renivohitra Caracas ihany koa ny resaka, nisy ireo diabe notontosaina ao amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena, tahaka ny faritra lemaka Barinas [4], ny faritra (an-tendrombohitra] Andes ao Mérida [5] sy Táchira [6], ny fanjakana afovoany avaratra ao Carabobo [7], ary ny nosy Margarita [8] ao amin'ny faritr'i Nueva Esparta.

Tsy mitsaha-mitombo ao Venezoela ny korontana ara-toekarena sy ara-politika – mifandray betsaka amin'ny fihintsanan'ny vidin-tsolika, ary niafara tamin'ny tsy fahampian'ny sakafo [9]sy fanafody [10]ho an'ny olon-tsotra Venezoeliana. Ho an'ny maro amin'ireo mpanohana ny mpanohitra, ny fialàn'ny Filoha Nicolás Maduro sy ny fitantanany no afaka manampy hampisy fiovana tena ilaina, fa tsy nahavita nitondra dingana fanesorana ny filoha tao amin'ny Fitsarana Tampony fehezin'i Maduro ny Kongresy, izay maro an'isa ny mpanohitra.

Raha nanaiky hanao fitsapan-kevibahoaka ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana, dia tsy nety nanohana izay endri-datsa-bato rehetra kosa ny fitondrana Maduro mba hitohizan'ny fe-potoam-piasany, tamin'ny fiantohana ny hitsipahan'ny fitsarana enina samihafa ny dingana ho amin'izany.

Tamin'ny lahatsoratra farany indrindra [11] [mg] momba ny fanapahan-kevitry ny governemanta, manazava ny mpanoratra Venezoeliana ato amin'ny Global Voices, Marianne Diaz hoe:

En un contexto de crisis social, política y económica [12], con las tasas de violencia e inflación más alta del mundo (se predice que la inflación cierre el año en 500%), y un grave y complejo contexto de desabastecimiento de alimentos y medicinas, para muchos la realización del referendo revocatorio era el único camino que permitiría al país recuperar la institucionalidad perdida y generar un pacto de gobernabilidad.

Ao anatin'ny krizy ara-tsosialy, ara-politika sy ara-toekarena [2], ahitana tahan'ny herisetra sy vidim-piainana ambony indrindra eto amin'izao tontolo izao (voalaza mialoha fa hahatratra hatramin'ny 500% ny sondrobidim-piainana amin'ny faran'ny taona), sy ho fanoherana ny toe-draharaha amin'ny tsy fisian-tsakafo sy fanafody dia ny antso hanaovana fitsapankevibahoaka hanesorana ny filoha ihany lalana hitan'ny Venezoeliana maro ahafahan'ny firenena hanarina indray ny fivilian-dalan'ny andrim-panjakana sy hanangana dinam-pitantanana.

Nandrisika ny mpanao fihetsiketsehana mba hanatevin-daharana ny diabe tamin'ny 27 Oktobra ho fanohanana ny Antenimieram-pirenena (ahitana mpanohitra maro an'isa hatramin'ny fifidianana 2015) ny fanambarana nataon'ny [13] Latabatra Boribory ho amin'ny Firaisankina Demokratika na MUD (firaisambe ivondronan'ireo antoko sy mpanao politika manohitra ny antokon'ny fitondrana) mba handray anjara amin'ny fitokonana maharitra 12 ora ny ampitso, sy ny diabe ao amin'ny lapa Miraflores [14] – iorenan'ny governemanta Venezoeliana – amin'ny 3 Novambra.

Naneho hevitra avy hatrany tamin'ny fanambarana ny tao amin'ny Twitter:

#LlegóLaHora [15] [Fotoana izao] Venezoela: rahampitso Zoma @AsambleaVE [16] [Antenimieram-pirenena], fitokonan'ny olom-pirenena ary amin'ny #3N [17][3 Novambra], mankany Caracas ny rehetra mba hanao diabe ao Miraflores. Aelezo!

.@MariaCorinaYA [20] miaraka amin'ny @soyfdelrincon “hidina an-dalambe isika rahampitso miaraka amin'ny #AN [22] [Antenimieram-pirenena] hitaky ny fialàn'i @NicolasMaduro [23]

“Ny fakàna an'i Venezoela”

Notontosaina tamin'ny Alarobia 26 Oktobra ny fihetsiketsehana voalohany eo ambanin'ny teny filamatra “Ny Fakàna an'i Venezoela”.

Nampiseho fandraisana anjara goavana teo amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena sy fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, polisy sy ny mpomba ny fanjakana ireo sary nozaraina mivantana.

Anisan'ireo sary be mpizara indrindra ny sarin'ilay mpanao fihetsiketsehana iray miantsoantso eo amin'ny ampinga enti-manohitra ny rotaka hoe “Handeha hamono ahy ianao satria noana aho?”

“Handeha hamono ahy ianao satria noana aho?” no nolazain'ny lehilahy Venezoeliana iray. Reraka izahay. Atsaharo ny manodikodina anay. #AMirafloresHoy [25] [Miraflores Anio]  #LaTomaDeVenezuela [26]  [Fakàna an'i Venezoela]

Niely manerana ny Twitter ny sary misy ireo fifandonana sy tatitra fihoaram-pefy sy famoretana. Iray amin'ireo tantara be mpizara indrindra ny polisy mahery setra tao an-tanàna avaratr'i Maracay. Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana tao fa nialokaloka tao anatin'ny katedraly ao an-tanàna [29]izy ireo mba handositra ny polisy sy ny vondrona mitam-piadiana hafa ary ny mpomba ny governemanta. Ora maro taty aoriana, afaka nivoaka nilamina ireo mpanao fihetsiketsehana, saingy mbola nitohy ny fihetsiketsehana.

Ao amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena, niezaka nanakana ny fandrosoan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana sasany, tahaka ity vehivavy ity tao amin'ny fanjakana Andes ao Táchira ity:

#LaTomaDeVenezuela [26] Tsy manao zipo ny vehivavy ao #Tachira [30] amin'izay afaka mijery izay tsy hananan'ny Mpiambina Nasionaly ianao!

Mandritra izany, nivezivezy tao amin'ny media sosialy ny sary torohay manambatra ny isan'ny famaizana nandritra ny andro.

Ahoana ny fomba nanafoanan'ny didy jadona ny afovoan-tanàna.

Ho an'ny maro, manamafy ny fitakiana fanesorana ny filoha ny fisian'ny olona marobe eny an-dalambe, zavatra notoherin'ny solontenam-panjakana hatrany.

Araka ny nolazain'ny Myteks, Laboratoaram-baovao hoe:

Nilaza i Nicolás sy Diosdado fa hosoka ny 1% amin'ny sonia. Ity ny fampahatsiahivana anareol! Eny an-dalambe #LaTomaDeVenezuela [26]pic.twitter.com/iojnCb7Kck [35]

Naka betsaka tamintsika izy ireo ary nanaisotra ny tahotsika koa aza izy ireo #LaTomaDeVenezuela [26] 🇻🇪‼️

Mizara vaovao, sary sy horonantsary mampiseho ny ambaratonga sy ny habetsahan'ny fanoherana ny fitondran'i Maduro ny media tsy miankina tahaka ny Efecto Cocuyo [39] sy Prodavinci [40]

Tahaka izao ny  #LaTomaDeVenezuela [26] ao amin'ny lalana manivaka Francisco Farjado ao Caracas

Na izany aza, vitsy ny olona voasariky [43] ny fitokonana nomanina tamin'ny 27 Oktobra. Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao ny Venezoeliana sasany fa noana loatra izy ireo handray anjara amin'ny fitokonana tsy idiran'ny asa sy ny fiantsenana.