- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Orinasa Iray Mitsangana Ao Armenia Mampihena Ny Isan'ny Mpiasa Mifindra Monina Any Rosia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
A woman at work at the huge glove factory in Choratan, a village near the Armenia and Azerbaijan border

Vehivavy eo amperin'asa ao amin'ny orinasa lehibe fanamboarana fonon-tanana ao Choratan, tanànakely akaikin'ny sisintanin'i Armenia sy Azerbaijan

Lahatsoratra fiaraha-miasa [1] izay niseho voalohany tao amin'ny tranonkala Chai-Khana.org [2] ity manaraka ity.

Armeniana mihoatra ny 700.000 no mahita asa any ivelan'ny fireneny, ny ankamaroany any Rosia, ary mandefa fandrotsaham-bola izay mitovy amin'ny ampahadimin'ny harin-karena faobe. Avo ny tahan'ny tsy fisian'ny asa ao amin'ity firenena Kaokazy ity, indrindra any ambanivohitra sy any amin'ny faritra akaikin'ny sisintanin'i Azerbaijan, izay repoblika nanana fifandirana kely tamin'ny fitakiana ny faritan'ny Nagorno-Karabakh talohan'ny nahazoan’ ireto farany ny fahaleovantenany avy amin'ny Firaisana Sovietika .

Ao amin'ny toerana toy izany, tena tsizarizary ny fotodrafitrasa .

Izany no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny iray amin'ireo mpandraharaha avy any amin'ny faritra Tavush any Armenia hanorina orinasa fanamboarana fonon-tanana indrindra any amin'ny toerana tena miavaka toy izao.

Amin'ny dikantsoratry ny lahatsary eto ambany novokarin'ny Chai-Khana.org mpiara-miasa amin'ny Global Voices, manazava ny antony nisafidianany hiasa ao amin'ny orinasa fanamboarana fonon-tanana ireo mpiasa, , izay vehivavy ny ankamaroany, fa tsy nandray asa any Rosia, mpiara-dia ara-politika amin'i Armenia.

Amin'izao fotoana izao manana mpiasa 150 ny orinasa ao an-tananakelin'i Choratan, ary mitombo be ny varotra fonon-tanana izay alefa any Rosia ny ankamaroany.