Trinite sy Tobago, Tsy Nampitombo Ny Fitokisan'ny Vahoaka Ny Polisy Ny Vokatry ny Lahatsarin'ny Fitifirana

Headquarters of the Trinidad and Tobago Police Service in Port of Spain. Photo by BBC World Service (Nina Robinson), CC BY-NC 2.0.

Foiben'ny Sampan-draharahan'ny Trinidad sy Tobago ao amin'ny Antseranan'i Espaina. Sary avy amin'ny BBC World Service (Nina Robinson), CC BY-NC 2.0.

Atao famotorana ao amin'ny Fahefana misahana Fitoriana Polisy ao amin'ny firenena ankehitriny ireo polisy manamboninahitra ao amin'ny Sampan-draharahan'ny polisy Trinite sy Tobago voarohirohy tamin'ny fitifirana nahafaty an'i Adele Gilbert ilay mpiasan'ny fanorenana tamin'ny 20 Oktobra 2016.

Narakitry ny anabavin'ny niharam-boina tanaty lahatsary ny zava-nitranga ary nalefany tao amin'ny media sosialy, izay naparitaky ny mpisera aterineto marobe. (Mampihoron-koditra ny lahatsary; tsy tsara jeren'ny mpijery mora tohina)

Nisy ny sahoan-dresaka fa noho ny fanadihadiana natao tamin'i Gilbert mikasika ny kamera drôna hita  manakaiky ny toerana niasany no nahatonga ny loza. Nilaza ny tatitra hafa fa nanomboka nitifitra ireo polisy manamboninahitra i Gilbert satria tadiavin'ny polisy noho ny heloka bevava maromaro izy, anisan'izany ny fanondranana zava-mahadomelina sy ny famonoana olona – saingy ao amin'ny lahatsary, nilaza ny anabavin'i Gilbert fa notifirin'izy ireo teo amin'ny tratrany izy na dia “tsy nanao” na inona na inona aza. Manizingizina ireo manamboninahitra fa nitam-piadiana i Gilbert; mifanohitra amin'izany kosa anefa no nolazain'ireo nanatri-maso.

Niteraka adihevitra tao amin'ny firenena mikasika ny tsy fitokisana polisy – na farafaharatsiny ny fari-pahaizan'izy ireo amin'ny fanatanterahana ny andraikitr'izy ireo ny zava-nitranga. Na dia niaiky aza ny mpiserasera aterineto fa tsy nahafantatra ny tantara manontolo, maro ireo nizara avy hatrany ny fihetseham-pony. Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fahitalavitra CNC 3, Chris Marchan naneho hevitra hoe:

From what I saw in the video is no weapon, officers picking up their shells and hiding it in their pockets, no attempt to help the injured man instead carrying his body like it was a dead dog they were going to dump on the side of the road and lastly male police officers assaulting a female civilian… Now I'm not saying that the individual is innocent, idk the guy or was there but the police could of have executed their job in a better way […]

Tsy misy fitaovam-piadiana raha ny zavatra hitako tamin'ny lahatsary, maka ny basin'izy ireo ireo polisy manamboninahitra ary manafina izany ao anatin'ny paosin'izy ireo, tsy misy fikasana hanampy ilay olona maratra fa tonga dia nitondra ny vatany tahaka ny fatin'alika ho arian'izy ireo eny amoron-dalana ary farany polisy manamboninahitra miherisetra amin'ny vehivavy sivily iray… Tsy milaza aho ankehitriny fa tsy manan-tsiny ilay olona, tsy fantatro ilay lehilahy na ny teo, saingy tokony nanatanteraka ny asan'izy ireo tamin'ny fomba tsara kokoa ny polisy[…]

Tsy resy lahatra ireo mpiserasera aterineto hafa fa tena mendrika hahazo ireo tsikera voarainy ny asan'ny polisy. Niresaka momba ny fandrobàna tao amin'ny toerana fihetezam-bolo izay nitranga tamin'ny 7 Oktobra 2016, izay namonoan'ny polisy tsy tokony hiasa jiolahy iray sy nandratra iray hafa, ary nisy ny fahavoazana tsy nahy nahazo ireo mpanjifa efatra izay naratra, ary namoy ny ainy taty aoriana ny iray tamin'izy ireo, nahatsapa i Christopher Peters fa toe-javatra “voaozona foana na nanao na tsy nanao” :

In the last incident with the inspector in the barber shop, he was condemned for shooting at the bandits. In [another] incident […] the police officer was condemned for shooting and missing the bandits. In this incident, I don't know the circumstances but it do [sic] seem that whatever action the police take they are going to be condemned.

Tamin'ny tranga farany miaraka amin'ny inspektera tao amin'ny toerana fihetezam-bolo, nohelohina izy noho ny fitifirana ireo jiolahy. Tamin'ny tranga [hafa] […] nohelohina ilay polisy manamboninahitra noho ny fitifirana sy tsy nahavoazany ireo jiolahy. Amin'ity zava-nitranga ity, tsy fantatro ny toe-javatra saingy hita fa na inona na inona asa nataon'ny polisy, hohelohina foana izy ireo.

Mpisera Facebook Chica Emery niezaka nitondra fandanjalanjana:

The video only shows part of what happened so it's too early to condemn the police. Do you know what caused the shooting? Never be quick to judge, wait until the entire story is known.

Mampiseho ny ampahan'ny zava-nitranga fotsiny ny lahatsary, ka aloha loatra raha hiampanga polisy. Fantatrao ve ny antony nahatonga ny fitifirana? Aza maika hitsara, miandrasa mandra-pahafantatra tsara ny tantara manontolo

Tamin'ny ny adihevitra tamin'ny pejy Facebook-n'ny tranonkalam-baovao malaza Wired868, nandefa ny fanehoan-kevitry ny “olona iray monina ao amin'ny tanàna sy mahafantatra ilay [niharam-boina]” i John Gill:

1. That law-abiding citizen wanted for murder and robbery.
2. The lady attack the officer.
3 yall know how many families that young man destroyed?
4. When her brother was killing people why she didn't take him in to the police?
5 let her bawl nah, he made alot of mothers bawl too!!!!!!!

   1. Tadiavana noho ny famonoana olona sy ny halatra ity olom-pirenena mpanaja lalàna ity.
2. Manafika ny polisy ilay ramatoa.
3 Mahafantatra izy hoe firy ny fianakaviana noravan'ity tovolahy ity?
4. Rehefa namono olona ny anadahiny, nahoana no tsy nentiny tany amin'ny polisy?
5 Avelao izy hitomany any, nampitomany renim-pianakaviana maro ihany koa izy!!!!!!!

Saingy nanizingizina i Vernal Damion Cadogan fa tsy nisy ny fangorahana:

This has nothing to do with what happened before he got shot or what led to his shooting. This has to do with what passes for police procedure in this place.
I know none of us would like a relative treated this way regardless of what they did.

Tsy misy ifandraisany amin'ny zava-nitranga talohan'ny naha-voatifitra azy na nahatonga ny fitifirana azy izany. Misy ifandraisany amin'ny zavatra mitranga amin'ny fomba fiasan'ny polisy tao amin'ity toerana ity izany.
Fantatro fa tsy misy amintsika te hanana havana atao tahaka izany na inona na inona nataony.

Raha nilaza ny tati-baovao iray tamin'ny taona 2015 fa nidina ny isan'ny olona matin'ny polisy nanomboka tamin'ny taona 2010 raha “49 no matin'ny polisy taorian'ny fampiharana samihafa ny lalàna”, nanamarika ihany koa ny tatitra fa mafy ny asan'ny polisy raha ny fihanaky ny basy tsy ara-dalàna no resahana ary vokatry ny fampiasam-basy ny 75% ny vono olona ao amin'ny firenena. Na izany aza, nilaza ihany koa ny lahatsoratra fa “tsy manamafy velively ny fahatokisan'ny vahoaka ny asan'ny polisy” ny fizotran'ny fanadihadiana mandeha mora sy ny faha-samihafan'ny tatitry ny polisy sy ny nanatri-maso.

Maro ireo mpaneho hevitra tao amin'ny lahatsarin'i Gilbert no vaky fo raha nandre ny fitarainan'ny anabavin'ny niharam-boina, ary mpisera Facebook iray, Asha Williams-Tejada, nilaza fa vao mainka nanimba ny “fitokisan'ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ny fomba nitantanana ny toe-draharaha.

Na ahoana na ahoana, natomboka teo ambanin'ny Fizarana 26 ao amin'ny Lalàna momba ny Fahefana misahana ny Fitoriana Polisy ny fanadihadiana, izay milaza hoe, “Azon'ny Manampahefana atao ny manao famotorana amin'ny fanapaha-keviny manokana mifototra amin'ny fitarainana napetraky ny vahoaka, polisy manamboninahitra, ny manampahefana na olom-panjakana, na sampana manampahefana na fitsarana famaizana ao amin'ny Sampan-draharahan'ny polisy”. Tamin'ny fanambarana ofisialy, nangataka tamin'ireo nanatri-maso ny zava-nitranga mba hiseho ny PCA, manazava hoe:

This incident is a clear example of why the PCA has been lobbying support for amendments to its legislation including, but not limited to, providing the Authority with the power to solely and independently take charge of and preserve the scene in instances such as this.

Ity zava-nitranga dia ohatra mazava mahatonga ny PCA mandresy lahatra manohana ny fanitsiana ny  lalàna, ao anatin'izany, saingy tsy voafetra, ny fanomezana fahefana ho an'ny Birao mba handray an-tanana manokana sy mahaleotena ary hiaro ny zava-misy amin'ny tranga tahaka ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.