Tsy Hita Tao Shina Ny Mpamorona Fitaovana Iray Fitaterana Ireo Hetsipanoherana

A photograph of demonstrations in Shandong province, posted on Twitter by Lu Yuyu. Photo via Weibo.

Sarin'ireo hetsipanoherana tany amin'ny faritanin'i Shandong, navoakan'i Lu Yuyu tao amin'ny Twitter. Sary avy ao amin'ny Weibo.

Tsy hita nanomboka ny 15 Jona niaraka tamin'ny olon-tiany i Lu Yuyu, mpamorona ilay vohikala fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena, Tsy ao anaty Vaovao (非新聞).

Nitatitra sy nizara vaovao momba ireo hetsipanoherana tany Shina io gazetin'ny olom-pirenena io tamin'ny alàlan'ny kaonty Twitter @wickedonnaa, ny Blogspot ary ny YouTube hatramin'ny 2013.

Manara-maso ny ambaratonga sy ny isan'ireo trangan-javatra, ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra ary ny antony tao ambadik'ireo hetsipanoherana ihany koa ny ekipa ao anatin'io gazety io amin'ny alàlan'ny tatitra ataony isam-bolana momba ny antontanisa. Nirakitra trangan-javatra miisa 28.950 izany tany amin'ny taniben'i Shina tamin'ny 2015. Nirakitra trangan-jazavatra 9.869 ilay vohikala tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2016.

Manangona lahatsary sy sarin'ireo hetsipanoherana eny ifotony avy amin'ireo loharano anaty aterineto io vohikala io ary mamerina mizara ireo vaovao ireo amin'ny alàlan'ireo sehatry ny media sosialy maro. Toerana lehibe fizarana izany ny kaonty Twitter @wickedonna ary matetika dia ahitàna fanavaozana maro isan'andro ilay kaonty, izay sahanin'i Lu Yuyu (Darkmamu).

Hatramin'ny 14 Jona, tsy namoaka vaovao ny kaonty @wickedonna. Nanaitra ireo mpanaraka azy ny naman'i Lu, @youyuping, ny 20 Jona:

Mitady maika olona tsy hita, @wickedonnaa, tsy hita ny misy ilay [mpanangana] gazety fampitam-baovao tena saro-pady.

Ao amin'ny Weibo, mitady azy ihany koa ny naman'i Lu, @ZGHQW99:

卢 昱宇自11年来专业收集国内各种民间群体性事件,分别发布在他的新浪微博和推特上面,几年间从未间断过,让中外网友看到一个真实而苦难的中国。中国红旗网 《工农之声》版块也长期采用稿件。也一直上个星期,小卢突然失踪,至今无法联系到本人,连其家属的手机也突然处于无人接听状态,请各位多多关注!

Nikaroka ireo trangan-javatra faobe manerana ny firenena i Lu Yuyu hatramin'ny 2011 ary nizara ireo vaovao tao amin'ny Sina Weibo sy Twitter. Nanao izany tsy an-kiato izy tanatin'ny taona maro mba hahafahan'ireo mpampiasa aterineto avy ao Shina sy any ivelany mahita ny fijalian'ny vahoaka ao Shina. Na ny tsanganana “Worker and Peasant” (Ny mpiasa sy ny Tantsaha) an'ny Hongqi [miaraka amin'ny antoko] aza dia namerina namoaka ny lahatsorany. Ny herinandro lasa teo, nanjavona i Lu ary tsy afaka nifandraisana. Na ny findain'ny havany aza tsy misy mamaly. Miangavy anareo hijery ity tranga ity.

Tanatinà tafatafa niarahana tamin'ny @beidaijin navoaka tao amin'ny Paopao.net tamin'ny 2014, nanazava ny antom-pisian'ny asany i Lu:

为抗争者放声助力,尽可能引起关注,将有效的抗争模式传递给更多处于近似境遇的人群以供参照。

Ho fanamafisana ny feon'ireo mpanohitra sy hisarihana ny sain'ny vahoaka. Hanapariahana ny karazana tolona niainan'ny vahoaka mba hahafahan'ny hafa misintona lesona avy amin'ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan'izy ireo.

Nanomboka nikaroka ireo hetsi-bahoaka sy ireo trangan-javatra i Lu tamin'ny 2011 ary nanomboka nizara mavitrika ireo vaovao tamin'ny alàlan'ny media sosialy tamin'ny 2013, namolavola izay lasa ho nifandanja tamin'ny rafitra fanivanan'i Shina ny ao anaty aterineto. Koa satria miparitaka ao amin'ny media sosialy ny kaontin'ireo nanatri-maso ireo hetsipanoherana ka fafan'ireo mpanivana aterineto haingana, nikatsaka ny hanome fahafahana ny vahoaka hahazo vaovao mahaliana ny mpiara-belona i Lu tamin'ny alàlan'ny asany, ary nirakitra sary feno kokoa an'ireo trangan-javatra.

Lu Yuyu, the person behind @wickdonnaa which reports on Chinese mass incidents has been missing since June 15. Photo from Twitter user @youyuping

Lu Yuyu, ilay olona ao ambadiky ny @wickdonnaa. Sary avy amin'ilay mpampiasa Twitter @youyuping.

Matetika dia mandany valo ora anatin'ny andro iray izy mitrandraka ireo vaovao ao amin'ny media sosialy mikasika ny hetsipanoherana, manamarina ireo vaovao ireo amin'ny alalanà fitaovam-pikarohana samy hafa, ary manamarina fa tena avy amin'ireo toerana nisian'ilay hetsipanoherana tokoa ireo lahatsary sy sary. Nidera ny asan'i Lu i @hpgd0 tao amin'ny Twitter taorian'ny nahafantarany mikasika ny fanjavonany:

Sahy mijoro ho vavolombelona amin'ireo fijaliana maro ho antsika ny “Tsy ao anaty Vaovao”. Mari-panajana ny fanolorana ezaka goavana amin'ity asa ity. Indraindray aho minia tsy mijery ireo vaovao, satria mila fahasahiana ny mijery ny fijalian'ny hafa. Saingy tsikaritro fa manaraka ny trangan-javatra rehetra izy, isanandro. Afaka atao lohatenim-baovao lehibe ao Japana izy ireny, feno ny tsy rariny eo anivon'ny fiarahamonina avokoa izy ireo. Tsy lavorary ny fiarahamonina, saingy tsy hanatsara azy ny fanivanana ireo vaovao ratsy.

Inoana marimarina fa mifandraika amin'ny asa fanaovan-gazetiny ny fanjavonan'i Lu sy ny olon-tiany. Maro ireo nanombatombana fa voatazona izy ireo noho ireo hetsipanoherana vao haingana tany amin'ny tanànan'i Wukan, faritanin'i Shandong, izay nipoahan'ny hetsipanoherana noho ny fiadiana tany mbola mitohy. Nilaza tamin'ny Onjampeo Free Asia i Xing Jian, mpanohitra nalefa sesitany:

乌坎事件再次持续升温,中国官方很有可能担心他们对乌坎事件会持续报道,所以人被失踪,也说明了中国政府对言论自由的进一步打压。我们呼吁国际社会及人权机构予以关注

Raha mitohy ny fisarihan'ny tranga tao Wukan ny sain'ny vahoaka, miahiahy momba ireo tatitry ny media mikasika io hetsipanoherana io ireo manam-pahefana Sinoa. Izay no antony nampanjavonany azy. Fanafoanana bebe kokoa ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ity. Mandrisika ny fiarahamonina iraisam-pirenana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona hijery akaiky an'ity izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.