Eto Amin'Izao Tontolo Izao, Na Tsara Pasipaoro Isika … Na Tsia

La police evicte les réfugiés de Calais en Mars 2016. CC BY-SA 4.0

Polisy manaisotra ny mpitsoa-ponenena ao Calais tamin'ny marsa 2016. CC BY-SA 4.0

Maneho tsy fankasitrahana ny fandavan'i Frantsa tsy hamela ireo mpitsoa-ponenana hiditra ao amin'ny fireneny i Amélie Jacques, bilaogera frantsay efa niaina tao Paris sy ny tanàna itatra manodidina azy, avy eo tany Roma,  dia tany Ouagadougou ary ankehitriny ao Soweto miaraka amin'i Anthony sy ny zanany. Toy izao no hita ao amin'ny bilaoginy “Ubuntu Ny maha-olombelona iraisantsika “, ao amin'ny tambajotra Mondoblog  :

Qu’ils soient réfugiés, demandeurs d’asile, migrants économiques, fuyant la guerre, les persécutions ou cherchant un avenir… tous les migrants devraient pouvoir entrer et s’installer en Europe, en France. Aucun argument ne tient d’un point de vue moral pour refuser à des hommes d’entrer et de rester dans un pays.

Mon pays refuse visa et asile à des hommes, des femmes, des familles qui viennent y chercher la paix, un emploi, etc. A moi pourtant, on ne m’a jamais refusé de traverser une frontière. Pour des vacances en famille, pour étudier ou même pour travailler, à chaque fois c’est une formalité : quelques documents à fournir parfois, quelques dizaines d’euros, éventuellement un vaccin, et hop ! J’ai pu entrer et rester de quelques semaines à plusieurs années en Angleterre, aux États-Unis, en Italie, au Burkina Faso, en Iran, aujourd’hui en Afrique du Sud…

Sur quoi se fonde cette inégalité ? Les Français ne valent pourtant pas mieux que d’autres hommes et femmes pour avoir plus de droits. Plus de droits, ce sont des privilèges ; et en l’occurrence, des privilèges basés sur la naissance car dans notre monde, on naît avec le bon passeport… ou pas. Cette situation d’inégalité de droits est moralement intenable. Soit on nivèle par le bas en cantonnant tous les hommes au territoire où ils sont nés, soit on reconnaît pour tous un droit à migrer.

Tokony ho afaka hiditra sy hanorim-ponenana ao Eoropa, ao Frantsa ireo mpifindra monina rehetra na mpitsoa-ponenana no iantsoana azy, na mpangataka fialokalofana, na mpifindra monina ara-toekarena, nandositra ny ady, sy ny fanenjehana na mitady ny ho avy. Tsy misy tohan-kevitra ara-maoraly handàvana ny olona hiditra na hijanona ao amin'ny firenena iray.

Mandà ny visa sy ny fialokalofana ho an'ireo lehilahy,  vehivavy sy fianakaviana  izay tonga hitady filaminana, asa, sns ny fireneko. Izaho anefa, tsy mbola nolavina hiampita ny sisintany mihitsy. Na hiala sasatra ny fianakaviana, na hianatra na hiasa mihitsy aza, manaraka fombafomba atao: mila antontan-taratasy maromaro indraindray , euro vitsivitsy, misy ihany koa ny fanaovana vakisiny, dia lasa izao! Afaka niditra sy nijanona herinandro vitsivitsy hatramin'ny taona maro tany Angletera,  tazonia, Italia, Burkina Faso, ary Iran aho, ary amin'izao fotoana izao aty Afrika Atsimo …

Avy amin'inona ilay tsy fitoviana? Tsy hoe mendrika kokoa noho ireo lehilahy sy vehivavy hafa anefa ny Frantsay  mba hanan-jo bebe kokoa na izany aza. Tombontsoa ny fananan-jo bebe kokoa ; ary amin'ity tranga ity,  mifototra amin'ny fahaterahana ny tombontsoa, satria eto amin'ny tontolo misy antsika, misy ny teraka tsara pasipaoro… na tsia. Tsy azon'ny saina ekena ity tranga tsy fitovian-jo ity. Na isika mampitovy ny rehetra avy any ambany ka manakana ny olona rehetra tsy hivoaka amin'ny faritany nahaterahany, na omena ny olon-drehetra ny zo hifindra monina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.