- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosokafan'i Maraoka Ny Fampiasa VoIP Alohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
An old phone at a hotel in the city of Tangier. Photo by Steve Calcott [1]

Telefaonina taloha be ao amin'ny trano fandraisam-bahiny ao an-drenivohitra  Tangier. Sary: Steve Calcott.

Tampoka ny nanaovan'ireo manampahefana Maraokana ny fandraràna ny fampiasa VoIP nanomboka tamin'ny Janoary 2016 izay nanafoana ny antso avy amin'ny fitaovana tahaka ny WhatsApp sy ny Skype. Tamin'ny 24 Oktobra,  afaka niditra tamin'ireo sy ny fampiasa hafa tsy nampiasa ny VPNs na fitaovana hafa ireo mpisera Maraokana.

Tsy namoaka fanambarana ofisialy mikasika ny fanesorana ny fandrarana ny sampan-draharaha mpanara-maso ny tontolon'asa fifandraisandavitra ao amin'ny firenena (fantatra amin'ny fanafohezan-teny Frantsay,  ANRT) na vonjimaika izany fanesorana fandrarana na noho ny vokatry ny fiovana ara-politika. Na izany aza,  nanombatombana ireo Maraokana mpisera fa natao  noho ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro [2] (COP22) izao fanesorana fandrarana ao an-tanànan'i Marrakesh izay hotontosaina eo anelanelan'ny 7 sy 18 Novambraho avy izao. Inoan'izy ireo fa hiverina amin'ny laoniny indray ny fandrarana raha vao tapitra ny fihaonambe .

Faniratsirana ny Maraokana izay entina ho ambany noho ny olona ny fanesoran'i Maraoka ny fandrarana ny #VoIP [4] mandritra ny #cop22 [5]   . https://t.co/ [6]7zvJgQ2cDG [6]

Fampandehanana indray ny VoIP eto Maraoka noho ny # COP22. Raha tsy izany, amin'ny maha olompirenena Maraokana, tsy afaka hiditra aminy izahay mandrapaha-tapitry ny taona. Henatra ho an'ny ANRT

VoIP [tolotra] novahana eto Maraoka. Ireo vahiny 30.000 no aman-danja kokoa noho ny Maraokana 30 tapitrisa.

Nosokafan'i Maraoka vetivety ny tolotra VOIP mba tsy ho hita ho fanjakan'ny polisy izy mandritra ny # COP22

Mampahatsiahy ny tsy fidarohana ny mpikatroka amin'ny andro isafidianana hamelana ireo mpanangom-baovao iraisampirenena hanaraka fihetsiketsehana iray izao fanesorana fandrarana VoIP eto Maraoka noho ny #cop22 izao

Nametraka ny fandraràna ny fampiasa VoIP ny ANRT anisan'izany ny WhatsApp, Skype ary Viber tamin'ny fiandohan'ity taona ity  noho ny lalànan'ny paositra sy ny  fifandraisan-davitra tamin'ny 1996 ao amin'ny firenena, izay mametraka [15] ny rafitra  tsy maintsy hahazoana lisansa ahafahana manome tolotra fiantsoana .

Tsy mbola niverina amin'ny laoniny ny fidirana amin'ireo tolotra ireo na dia teo aza ny hetsi-panoherana [16] avy amin'ireo mpisera tezitra ka nanao ankivy ny orinasan'ny fifandraisandavitra nandritra ny roa andro. Tsy maningana anefa i Maraoka amin'izany tranga izany. Manao fanakanana amin'ny ampahany na manontolo ny fitondram-panjakana maro hafa manerana ny faritra MENA (Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana), fara fahakeliny fampiasa VoIP iray, toy ny asehon'ny sarintany etsy ambany ao amin'ny igmena.org [17] .

Bans on VoIP services across the Middle East and North Africa region. Map by igmena.org [18]

Fandrarana amin'ny tolotra VoIP manerana ny faritra Afrika Afovoany Atsinanana sy Avaratra . Sarintany avy amin'ny igmena.org

Tamin'ny fanadihadiana momba ny lohahevitra, nanoratra ny iGMENA, fandraisana andraikitra hanao fikarohana momba ny fitantanana aterineto, fa matetika noho ny “fiarovana ny tombontsoan'ny orinasan'ny fifandraisandavitra am-perinasa no antony handrarana ny VoIP, maro amin'izany no manao ampihimamba ary, fara fahakeliny, manana ampahan-drenivola ao ny governemanta.”

Nefa izao kosa, misy vidiny ara-toekarena ny fandraràna. Araka ny tatitra [19] avy amin'ny Foibem-Panavaozana Teknolojia Brookings momba ny fibahanana sy fahatapahan'ny aterineto dia misanda 320 tapitrisa dolara amerikana amin'ny harin-karen'ny firenena ny fanakatonana ny fampiasa VoIP manerana ny firenena tao Maraoka tao anatin'ny 182 andro, nandany ny harin-karena faobe tao amin'ny firenena. Taorian'ny fandrarana tamin'ny volana Janoary, naneho [20] ny ahiahiny ihany koa ireo mpandraharaha Maraokana  fa mety hanelingelina  ny fampandrosoana ny raharaham-barotra vao misondrotra ny fandraràna, indrindra fa ho an'ireo izay miantehitra amin'ny tolotra VoIP mba hifandraisana  amin'ny mpanjifa iraisam-pirenena .

Ankoatra ny sanda eo amin'ny fihariana, miankina amin'ny ain-dehibe indraindray ny fanakanana ny antso sy fampiasa fandefasan-kafatra, indrindra fa amin'ny fotoanan'ny korontana sy ny fifandirana. Tamin'ny fiandohan'ity volana ity tao Yemen, voalaza fa nanakana [21] ny WhatsApp ny tafika Houthi, izay nanakantsakana ny fahafahan'ny olom-pirenena hifandray, nosakanana hatramin'ny niandohan'ny ady ny kaonty hifanontaniana amin'ny [filaminan'ny] ny tsirairay, nosakanana koa ny fizaram-baovao ao amin'ny firenena ahitana tranonkalam-baovao am-polony maro.