Nosokafan'i Maraoka Ny Fampiasa VoIP Alohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro

Telefaonina taloha be ao amin'ny trano fandraisam-bahiny ao an-drenivohitra Tangier. Sary: Steve Calcott.
Tampoka ny nanaovan'ireo manampahefana Maraokana ny fandraràna ny fampiasa VoIP nanomboka tamin'ny Janoary 2016 izay nanafoana ny antso avy amin'ny fitaovana tahaka ny WhatsApp sy ny Skype. Tamin'ny 24 Oktobra, afaka niditra tamin'ireo sy ny fampiasa hafa tsy nampiasa ny VPNs na fitaovana hafa ireo mpisera Maraokana.
Tsy namoaka fanambarana ofisialy mikasika ny fanesorana ny fandrarana ny sampan-draharaha mpanara-maso ny tontolon'asa fifandraisandavitra ao amin'ny firenena (fantatra amin'ny fanafohezan-teny Frantsay, ANRT) na vonjimaika izany fanesorana fandrarana na noho ny vokatry ny fiovana ara-politika. Na izany aza, nanombatombana ireo Maraokana mpisera fa natao noho ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro (COP22) izao fanesorana fandrarana ao an-tanànan'i Marrakesh izay hotontosaina eo anelanelan'ny 7 sy 18 Novambraho avy izao. Inoan'izy ireo fa hiverina amin'ny laoniny indray ny fandrarana raha vao tapitra ny fihaonambe .
#Morocco lifting the #VoIP ban during the #cop22 is an insult to Moroccans that are treated like lesser humans. https://t.co/7zvJgQ2cDG
— Aida Alami (@AidaAlami) October 25, 2016
Faniratsirana ny Maraokana izay entina ho ambany noho ny olona ny fanesoran'i Maraoka ny fandrarana ny #VoIP mandritra ny #cop22 . https://t.co/7zvJgQ2cDG
Remise en marche #voIP au Maroc pour la #cop22 sinon en tant que citoyen marocain on peut pas y acceder le reste de l'année. Honte à l'ANRT!
— GhizlanD (@dghizlan1) October 24, 2016
Fampandehanana indray ny VoIP eto Maraoka noho ny # COP22. Raha tsy izany, amin'ny maha olompirenena Maraokana, tsy afaka hiditra aminy izahay mandrapaha-tapitry ny taona. Henatra ho an'ny ANRT
Voip débloquée au Maroc, les 30.000 étrangers comptent plus que les 30 millions marocains 😑 #COP22 #Censure
— Sara (@Sara_med24) October 24, 2016
VoIP [tolotra] novahana eto Maraoka. Ireo vahiny 30.000 no aman-danja kokoa noho ny Maraokana 30 tapitrisa.
Pour ne pas passer pour un État policier pendant la #COP22, le Maroc débloque temporairement la VoIP.
— Mo Drissi (@mdrissi) October 24, 2016
Nosokafan'i Maraoka vetivety ny tolotra VOIP mba tsy ho hita ho fanjakan'ny polisy izy mandritra ny # COP22
Morocco's VoIP ban being lifted for #cop22 reminiscent of activists not beat up on select days intl reporters r permitted 2 cover a protest
— Zineb Belmkaddem (@Onlyzineb) October 25, 2016
Mampahatsiahy ny tsy fidarohana ny mpikatroka amin'ny andro isafidianana hamelana ireo mpanangom-baovao iraisampirenena hanaraka fihetsiketsehana iray izao fanesorana fandrarana VoIP eto Maraoka noho ny #cop22 izao
Nametraka ny fandraràna ny fampiasa VoIP ny ANRT anisan'izany ny WhatsApp, Skype ary Viber tamin'ny fiandohan'ity taona ity noho ny lalànan'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin'ny 1996 ao amin'ny firenena, izay mametraka ny rafitra tsy maintsy hahazoana lisansa ahafahana manome tolotra fiantsoana .
Tsy mbola niverina amin'ny laoniny ny fidirana amin'ireo tolotra ireo na dia teo aza ny hetsi-panoherana avy amin'ireo mpisera tezitra ka nanao ankivy ny orinasan'ny fifandraisandavitra nandritra ny roa andro. Tsy maningana anefa i Maraoka amin'izany tranga izany. Manao fanakanana amin'ny ampahany na manontolo ny fitondram-panjakana maro hafa manerana ny faritra MENA (Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana), fara fahakeliny fampiasa VoIP iray, toy ny asehon'ny sarintany etsy ambany ao amin'ny igmena.org .

Fandrarana amin'ny tolotra VoIP manerana ny faritra Afrika Afovoany Atsinanana sy Avaratra . Sarintany avy amin'ny igmena.org
Tamin'ny fanadihadiana momba ny lohahevitra, nanoratra ny iGMENA, fandraisana andraikitra hanao fikarohana momba ny fitantanana aterineto, fa matetika noho ny “fiarovana ny tombontsoan'ny orinasan'ny fifandraisandavitra am-perinasa no antony handrarana ny VoIP, maro amin'izany no manao ampihimamba ary, fara fahakeliny, manana ampahan-drenivola ao ny governemanta.”
Nefa izao kosa, misy vidiny ara-toekarena ny fandraràna. Araka ny tatitra avy amin'ny Foibem-Panavaozana Teknolojia Brookings momba ny fibahanana sy fahatapahan'ny aterineto dia misanda 320 tapitrisa dolara amerikana amin'ny harin-karen'ny firenena ny fanakatonana ny fampiasa VoIP manerana ny firenena tao Maraoka tao anatin'ny 182 andro, nandany ny harin-karena faobe tao amin'ny firenena. Taorian'ny fandrarana tamin'ny volana Janoary, naneho ny ahiahiny ihany koa ireo mpandraharaha Maraokana fa mety hanelingelina ny fampandrosoana ny raharaham-barotra vao misondrotra ny fandraràna, indrindra fa ho an'ireo izay miantehitra amin'ny tolotra VoIP mba hifandraisana amin'ny mpanjifa iraisam-pirenena .
Ankoatra ny sanda eo amin'ny fihariana, miankina amin'ny ain-dehibe indraindray ny fanakanana ny antso sy fampiasa fandefasan-kafatra, indrindra fa amin'ny fotoanan'ny korontana sy ny fifandirana. Tamin'ny fiandohan'ity volana ity tao Yemen, voalaza fa nanakana ny WhatsApp ny tafika Houthi, izay nanakantsakana ny fahafahan'ny olom-pirenena hifandray, nosakanana hatramin'ny niandohan'ny ady ny kaonty hifanontaniana amin'ny [filaminan'ny] ny tsirairay, nosakanana koa ny fizaram-baovao ao amin'ny firenena ahitana tranonkalam-baovao am-polony maro.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...