- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Global Voices Momba Ny Fifidianana Amerikana (MIVANTANA tamin'ny 26 Oktobra tamin'ny 5 ora hariva GMT)

Sokajy: Etazonia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, GV Face

Trump, Hillary sa Stein? Na dia tsy afaka mifidy ao Etazonia aza ireo mpandray anjara maro ato amin'ny Global Voices, dia mahatsiaro manana andraikitra amin'ity fifaninanana ho filoham-pirenena Amerikana ity tahaka ny fifidianana vitsy teo aloha.

Ny fanontaniana tonga ao an-tsainay dia: Ho lasa mitsabaka kokoa sa mitokatokana kokoa i Etazonia? Afaka manova zavatra ho an'ny vehivavy manerantany ve ny vehivavy filoham-pirenena ao Etazonia? Ho lasa toeran-tsarotra honenan'ny mpifindra monina sy vondrona vitsy an'isa ve i Etazonia?

Mba hahafantarana ny tebitebintsika sy ny hevintsika isaky ny Alarobia, manomboka amin'ny 26 Oktobra hatramin'ny 9 Novambra, mpandray anjara efatra ato amin'ny Global Voices no hiaraka sy hiresaka momba ny vaovao farany mikasika ny fifidianana ao Etazonia, inona no eritreritry ny olona any ivelan'i Etazonia, ary ahoana ny fahatsapan'ireo Amerikana mpandray anjara namantsika — izay mivezivezy manerana izao tontolo izao ary zatra ny dingana ara-politika any amin'ny firenena hafa – mikasika ity fifidianana ity.

Hahafinaritra ny fizarana voalohany amin'ity andian-dahatsoratra mizara telo ity, resaka somary haingakaingana eo amin'ny namantsika tonian-dahatsoratra amin'ny media sosialy monina ao Beirut, Zuhour Mahmoud, sy ny tonian-dahatsoratra namanay ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra Joey Ayoub, sy mpifidy Amerikana sady mpandray anjara namanay miresaka momba an'i Iran monina ao Amsterdam, Tori Egherman, ary Sahar Ghazi, Amerikana mpifidy sady tonia mpanatanteraka ato amin'ny Global Voices monina ao San Francisco.

Aza miala ary mandefasa fanontaniana aty aminay amin'ny alalan'ny fampiharana Fanontaniana sy Valiny.