Sardinina Daholo Isika Amin'ny Tsenan'ny Fampialofana Ao Hong Kong

sardines

Ao Hong Kong, Sardinina isika rehetra. Sary nataon'i Disillusionist (CC BY-ND 4.0)

Malaza amin'ny toe-piainana feno olona  sy ny trano fonenana tsara toerana lafo vidy i Hong Kong. Taranaky ny politikan'ny fampialofana maro nifandimby no nampanantenaina amin'ny fanatsarana ny fari-piainana, kanefa mbola eo ampanatontosana izany hatrany. Hita  lasa kely sy lafo kokoa ireo trano tao an-drenivohitra tao anatin'ny taompolo maro farany.

Trano toy ny tranom-borona , efitra nosamatsamahana [mg] na nosarahana tamin'ny hazo, sy ny toy izany, no nampiasaina mba ho ala nenina farany ho an'ireo olona mahantra indrindra ao an-drenivohitra. Fa ankehitriny na dia ny trano nozarazaraina aza dia alefa ho an'ny tsena mihaja, satria efa tsy miraika intsony amin'ny tsy rariny ny olona  ary efa nanaiky hipetraka amin'ny toerana tery kely amin'ny vidiny lafo.

Na inona na inona  karazana trano hipetrahantsika, sardinina avokoa isika rehetra eto Hong Kong  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.