Nahatonga Hetsi-panoherana Nasionaly Ny Tolotra Ratsy Omen'ny Orinasam-Pifandraisana Finday Saodiana

Riadh, the Saudi capital. Photo from Flickr user Abdallah.

Riyadh, renivohitra Saodianina. Sary avy amin'ny mpisera Flickr: Abdallah.

Navoaka voalohany tao amin'ny tranonkalan'ny Fikambanan'ny Fifanakalozana Media Sosialy (SMEX) ny dika voalohan’ ity lahatsoratra navoakan'i Mahmoud Ghzayel ity.

Ny harivan'ny 30 Septambra, nanomboka nanao fanentanana  manohitra ny tambajotra fandraharahana an'onjam-pifandraisana ao amin'ny firenena ireo mpiseran'ny media sosialy ao Arabia Saodita, manohitra ny tolotra ratsy sy ny mbola hanakanana hatrany [mg] ny teknolojia, indrindra ny fifandraisana VoIP  izay tokony ho azo maimaim-poana.

Mbola mitohy ny fanohanana azon'ny fanentanana, ary miantso ho amin'ny fanaovana ankivy ireo manome tolotra ratsy indrindra amin'ny tsenan'ny fifandraisan-davitra ao Arabia Saodita ireo mpisera aterineto . Nokasaina haharitra ora telo ny fanaovana ankivy voalohany izay nanomboka tamin'ny 1 Oktobra nanomboka tamin'ny 6 ora hariva ora ao an-toerana. Nanaiky ny hampitsahatra ny fampiasana ny tambajotran'ny findainy ireo mpandray anjara (nivadika Wi-Fi raha hanao ny asa an-tserasera rehetra), nampitsahatra ny fandefasan-kafatra rehetra sy nandà ny hampiditra fahana lahatahiry amin'ny findainy. Namerina izany fanaovana ankivy izany ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ireo andro ambiny tamin'ny herinandro .

#Hahatonga_fatiantoka_ho_anareo_izahay
Ny datin'ny fanentanana dia ny 30 Dhu'l-Hijjah/1 Oktobra
Amin'ny 6 ora hariva ka hatramin'ny 9 ora alina .. ora 3
Herinandro lava. [Dhu'l-Hijjah no volana faharoa ambin'ny folo sady farany amin'ny fanisanandro silamo arahana ao Arabia Saodita]

Nilaza  ireo mpanao fihetsiketsehana fa “Tsy tokony hohamaivanina ny fanaovana ankivy mandritra ny adiny telo raha toa ka miverimberina isan'andro satria  tombanana ho an-tapitrisany [ Riyals Saodiana] ny fatiantoka .”

Milaza ireo mpandray anjara amin'ny hetsi-panoherana an-tserasera fa manery ny tambajotran'ny fandraharahana finday ao Arabia Saodita izy ireo mba hanome tolotra “mendrika ny olona manana ny Vina 2030 ,” izay tondrozotra ara-toekarena novinavinain'ny Printsy Lefitra Mpandova ny Fanjakana sady Minisitry ny Fiarovam-pirenena Mohammad Bin Salman.

Rehefa tafapetraka ny fandaminana  rehetra, dia antenaina handray anjara amin'ny fanafahana ny toe-karena Saodiana amin'ny fianteherana amin'ny solitany ny Vina 2030, izay mampitombo ny vola miditra, tsy avy amin'ny solitany, ho an'ny governemanta ho 530 lavitrisa Riyal (141,3 miliara dolara) amin'ny 2020, raha 163,5 arivo tapitrisa riyal izany tamin'ny 2015.

Ao amin'ny Twitter, mampiasa tenirohy roa ny fanentanana: #Hahatonga_fatiantoka_ho_anareo_izahay sy #finday_tsy_miserasera_stc.

#Hahatonga_fatiantoka_ho_anareo_izahay
Tsy mihemotra! Afaka manao izany ianao.

Ny Orinasa Fifandraisandavitra Saodiana (STC) no tambajotran'orinasam-pifandraisana finday voalohany ao amin'ny firenena izay an'ny sampan-draharahan'ny governemanta sy ny mpanao fihariana an'ny fanjakana. Mobily sy Zain kosa ireo orinasa lehibe roa hafa ao amin'ity tsena ity .

Misy ireo famantarana sasany fa angamba eo ampandraisana fepetra hanatsarana ny tolotry ny fifandraisandavitra ao amin'ny firenena ny governemanta Saodiana . Tamin'ny 26 Septambra , talohan'ny fanombohan'ny fanaovana ankivy,  nampahafantatra ireo Saodiana mpiserasera an-dahatahiry finday ireo sampan-draharaha mpandamina ilay sokajiin'asa fa nofoanana ny fivarotana ny karatra aterineto “tsy misy fetra” izay aloa vola mialoha, sady nanambara fisian'ny drafitra “hitsinjara ny ny fampiasana ny tambajotra amin'ny endrika voafehin'ny làlana, mba hanamaivanana ny tsindry mahazo ny tambajotra mba hanomezana tolotra tsara kokoa, rehefa nihoatra noho ny salanisa iraisampirenena ny tahan'ny fiseraserana voarakitry ny tondro famantarana. “

Tsy mahagaga amin'ny ao Arabia Saodita ny ahiahin'ny fanjakana momba ny lahatahiry finday, izay mahatratra ny 41 isan-jaton'ny mpisera aterineto rehetra ny miditra Twitter—misongona an'i Etazonia sy i Shina, araka ny  tatitra navoakan'ny Business Insider tamin'ny 2013.

Masiaka be tao amin'ny Twitter ny fanohanana  ny fanentanana manohitra ny fifandraisandavitra Saodiana, sy araka ny asehon'ny lahatsary fohy eto ambany:

Ny hafa indray aza te-handeha lavidavitra kokoa, nianiana hanery ny STC sy ny mpandraharaha hafa hiditra fatiantoka [ho bankirompitra]:

#finday_tsy_miserasera_stc
Isika no nitondra ny STC hanaka-danitra ary isika ihany koa no  hahatonga ny fianjerany
Andriamanitra anie hampahery anareo!
Ny tena zava-dehibe dia ny fiarahan'ny rehetra misalahy

Tena mientanentana aho amin'ny fanaovana ankivy ny STC.
Androany amin'ny 6 ora hariva ka hatramin'ny 9 ora alina, vonoy ny findainao na ataovy finday tsy miserasera
Hanararaotra ity fotoana ity aho, mba hahalalako tsara kokoa ireo ray aman-dreniko 🙂
#finday_tsy_miserasera

Ho an'ireo rehetra izay milaza hoe inona ny soa azo raha vonoiko mandritra ny ora 3 [ny findaiko] ary avy eo maka fifandraisana indray na mampiditra fahana, dia afaka mamaky ny fanazavana ao amin'ny sary ianareo ary ho fantatrareo ny antony ilana izany #Hahatonga_fatiantoka_ho_anareo_izahay #finday_tsy_miserasera_stc [milaza ireo mpanentana ao amin'ny sary fa ho very 302 Riyals Saodiana isaky ny telo ora ny STC raha misy mpandray anjara iray tapitrisa manatevin-daharana ny fanentanana amin'ny fanaovana ankivy]

#finday_tsy_miserasera_stc
#Hahatonga_fatiantoka_ho_anareo_izahay
Ry zalahy, azafady ampiharo ireo fepetra ireo mba hanomezantsika azy ireo lesona lehibe sy hahatonga azy ireo hiala amin'ny fanaovana fitaka sy manambaka olom-pirenena 👇👇 mianiana amin'Andriamanitra aho, fa tsy hilefitra na oviana na oviana amin'ny zontsika isika.

#finday_tsy_miserasera_stc
Amin'izao fotoana izao, atao amin'ny fanaovana ny orinasa STC [hoy ny fanamafisam-peo tao amin'ny lahatsary hoe: “satria tsy tsara intsony isika ao amin'ny Twitter”]

Nandrara (tanteraka na amin'ny ampahany) ny tolotra an-tserasera maro izay mamela ny fifandraisana ao amin'ny Aterineto, toy ny Viber, WhatsApp, Facebook Messenger, Telegram, sy Skype ny manampahefana Saodiana. Tamin'ny volana lasa,  nandrara ny antso tao amin'ny fampiasa “Line” ny fanjakana , izay nahatezitra ireo mpisera Twitter Saodiana ka nahatonga azy ireo hanomboka fanentanana mitaky ny fidirana amin'ny teknolojia an-tserasera toy izany.

Navoaka voalohany tao amin'ny tranonkalan'ny Fikambanana Fifanakalozana ara-Media Sosialy (SMEX) ny dika voalohany amin'ity lahatsoratra navoakan'i Mahmoud Ghzayel ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.