- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Eufrasia Vieira, ‘Angelina Jolie Hafa Indray’ Ao Timor-Leste

Sokajy: Indonezia, Timor Atsinanana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tantara, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
Eufrasia Vieira image drawing. Published by Eufrasia Vieira, used with permission.

Eufrasia Vieira eo am-panaovana hosodoko. Navoaka tao amin'ny Facebook [1], nahazoana alalana.

Hita taratra any amin'ny fikatsahana fankatoavana ny sehatry ny kolontsaina sy ny zavakanto ny tolona naharitra ela nataon'i Timor-Leste hahazoana fahaleovantena avy amin'ny fanapahana Indoneziana sy hirosiana amin'ny maha firenena.

Ohatra iray amin'izany ny fivoaran'ilay mana-talenta maro Eufrasia Vittoria Vieira [2], tanora mpilalao sarimihetsika, mpihira, sady mpanoratra tantara izay maniry ny hampiroborobo ny finamanana eo amin'ny firenena roa tonta.

Image of Eufrasia published on Facebook. Used with permission.

Sarin'i Eufrasia navoaka tao amin'ny Facebook. Nahazoana alalana.

Teraka tany Dili, Timor-Leste, i Eufrasia, na i EV raha afohezina. Manana anadahy iray sy rahavavy efatra avy amin'ny reniny izy ary anadahy enina sy rahavavy telo avy amin'ny rainy.

Ny zavakanto no hany kilasy nisy dikany tamin'i Eufrasia tany am-pianarana, indrindra fa ny manao sary sy manao hosodoko. Nonina tany Angletera nihoatra ny 10 taona izy ary nahazo diplaoma ambony kokoa tamin'ny zavakanto sy famoronana sary tao amin'ny Kolejy City of Oxford tao Oxford.

Iray amin'ireo tanora mpanakanto vitsivitsy ao Timor-Leste, nahasarika ny sain'ny olona i Eufrasia noho ny fombany, orizinaly sy ny asa fanandrata-teny. Amin'izao zavatra ankafiziny izao, afa-mihoatra lavitra ny sisintanin'i Timor-Leste izy ary mety hahazo laza manerantany.

Ry olo-masina Katolika Mère Teresa; ilay mpanoratra Britanika Richard Templar, ary ireo psikôlôgy Daniel Goleman sy Paul Kleiman no sasany amin'ireo olo-malaza nanome aingam-panahy an'i Eufrasia. Hoy izy raha nanaovana antsafa :

I want to help change the world and impact people’s lives through my words. I wanna be part of the world in a positive way. I have doubts, fears and worries, like everyone else. But I know I was meant to do this, because doing anything else is torture.

CD Cover. Used with permission.

Fonon'ny Kapila Mangilatra. Nahazoana alalana.

   Te-hanampy hanova izao tontolo izao sy hampisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona amin'ny alalan'ny teniko aho. Te ho anisan'izao tontolo izao amin'ny fomba tsara aho. Manana fisalasalana, tahotra sy ahiahy, toy ny olon-drehetra aho. Saingy fantatro fa natao hanao izany aho, satria fampijaliana ny fanaovana zavatra hafa.

Tamin'ny 2009, namoaka ny rakikira voalohany antsoina hoe “What's Her Name [3]” ahitana hira iraika ambin'ny folo i Eufrasia. Mikasika ny mozikany, tahaka izao no nolazainy:

Music has always been a matter of energy to me, a question of soul. Sentimental people call it inspiration, but what they really mean is soul. On some nights I still believe that a car low on gas in the middle of traffic jump can run about fifty more miles if you have the right music very loud on the radio.

14697020_10208448226096516_1213177300_n
Miompana amin'ny angovo ho ahy hatrany ny mozika, miompana amin'ny fanahy. Antsoin'ny olona be fihetseham-po hoe aingam-panahy izany, saingy ny tena tian'izy ireo ambara dia midika fanahy. Indraindray amin'ny alina, mbola mino aho fa afaka mandeha eo amin'ny valopolo kilaometatra eo ny fiara efa kely lasantsy eo anivon'ny fitohanan'ny fiara raha misy mozika tena izy mandeha mafy ao amin'ny radio

Tamin'ny 2015, nanatontosa [4] ny tantarany voalohany mitondra ny lohateny hoe “Vittoria: Helena's Brown Box,” niaraha-nanoratra tamin'i Les D. Soriapoetra i Eufrasia.

Tantaram-pitiavana momba ilay mpanao gazety Indoneziana sy tovovavy Timorey Atsinanana tamin'ny taona 1999 tao anatin'ny tolon'i Timor-Leste ho amin'ny fahaleovantena ny tantara. Nanazava i Eufrasia:

The reason that I wrote the story was to try to communicate help and connect with others families, women, men and children going through the same thing…It has been more than 15 years since East Timor war began but many of those caught up in the conflict are still trying to heal.

Ny antony nanoratako ny tantara dia fiezahana hampita fanampiana sy fifandraisana amin'ny fianakaviana hafa, vehivavy, lehilahy sy ankizy mandalo toe-javatra mitovy … Efa ho 15 taona mahery izay no nanombohan'ny ady tao Timor Atsinanana saingy maro amin'ireo tratran'ny ady no mbola miezaka manasitrana [ny fery].

Ao anatin'ny sangan'asany ihany koa ny fampifanarahana ny sarimihetsika iray amin'ny tantara noforonina, Eufrasia tenany ihany no mpilalao miaraka amin'ilay Indoneziana mpilalao sarimihetsika malaza Ari Wibowo [5].

So ready for our upcoming action movie after "Vittoria" The Movie [6]

A photo posted by Ari Wibowo (@ariwibowo_official) on

Hoy i Eufrasia namaly ireo mpankafy [1] mampitaha azy amin'ilay Amerikana mpilalao sarimihetsika sady mpikatroka Angelina Jolie [7] .

People say anything from what they see on the cover. But yeah it’s pretty funny comparing me to Angelina Jolie. It’s unbelievable. Sometimes, I take those compliments as a joke. Angelina is so beautiful and she’s just wow. I’m just an ordinary woman living a simple life.

Milaza izay tiany avy amin'ny zavatra hitany amin'ny fononin'ny kapila mangilatra ny olona. Saingy, eny, mahafinaritra ny mampitaha ahy amin'i Angelina Jolie. Tsy mampino. Indraindray, mandray izany fandokafana izany ho vazivazy aho. Tsara tarehy loatra i Angelina ary tena mahavariana fotsiny. Izaho kosa vehivavy olon-tsotra manana fiainana tsotra.