(Fanambarana) “Mibodo Ireo fampitam-baovao sy Tambajotra” : Fihaonamben'ireo Vehivavy Mpampita Resaka Avy Amin'ny Teratany Sy Taranaka Afrikana Ao Meksika

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fihaonambe faharoa an'ireo vehivavy eo amin'ny sehatry ny fifandraisana manana fiaviana tompontany sy Afrikana. ” Mibodo ny fampitam-baovao izahay (isika), mibodo ny aterineto izahay (isika)”, izany no teny filamatr’io fihaonambe io, izay [n]otontosaina ny 6 ka hatramin’ny 10 Oktobra 2015, ao amin'ny Trano Foiben'ny Zavakanto (CASA Arts Center) ao Saint Agustín Elta, Oaxaca, Meksika.

Araka ny fanambarana, ny fihaonambe dia “mikatsaka ny handrisihana ireo vehivavy hizara ny traikefany ahafahana miatrika ireo fanamby sy ny fahasarotana amin’ny asan'ireo vehivavy eo amin'ny sehatry ny fifandraisana ; mifanakalo amin'ny lohahevitra tahaka ny “miralenta”-n'ny lahy sy ny vavy sy ny fifampidiran'ny kolontsaina samihafa ao amin'ny fampitam-baovao, ny fampitam-baovaom-piarahamonina sy ny lalàna, ny firotsahana ara-politika sy ny fanafahana ny vehivavy, ary ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny serasera ao anatin'ny paikadin'ny fifandraisana”:

Mujeres que participan en proyectos comunicación, procedentes de comunidades indígenas y afrodescendientes de México y Centroamérica, se reunirán para potenciar el uso de herramientas digitales y transformar la información en acción; generando estrategias de comunicación al servicio de sus proyectos…

Hivory hanatsara ny fampiasana ireo fitaovana nomerika sy hanova ireo torohay ho asa amin'ny alàlan'ny famoahana paikady ho ampiasaina ao anatin'ny tetikasa ireo vehivavy manana fiaviana afrikana na avy amin'ny vondrom-piarahamonina tompontany ao Meksika sy Amerika Latina, mandray anjara amin'ireo tetikasan-tserasera…

Ireto ny fepetra takiana amin'ny fandraisana anjara:

• être présente durant les cinq jours de la conférence.
• être actuellement et en permanence active ou collaboratrice dans un projet de communication (radio, photographie, documentaire en vidéo, etc.).
• ëtre de descendance africaine ou issue d'une communauté indigène du Mexique ou de l'Amérique Centrale.

• manatrika ny fihaonambe mandritra ny dimy andro
• mpiasa maharitra sy mavitrika na mpiara-miasa  ao amin'ny tetikasa misahana ny serasera  (onjam-peo, sary, lahatsarim-panadihadiana , sns).
•  taranaka afrikanina, na manana fiaviana avy amin'ny vondrom-piarahamonina tompontany ao Meksika na Amerika Afovoany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.