- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mikorisarisa Eny “An-Dohasahan'ny Havoana Arivo” Ry Besorongolan'i Afrika Atsimo

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina
A screenshot of the documentary "Valley of a Thousand Hills." [1]

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Lohasahan'ny Havoana Arivo.”

Lahatsarim-panadihadiana fohy nivoaka vao haingana miresaka ny Indigo Skate Camp, [2] ezaka iray hananganana taranaka Zulu voalohany mpanao skate ao an-tanànan'i Isithumba, ao amin'ny faritra Kwazulu-Natal ao Afrika Atsimo ny “Lohasahan'ny Havoana Arivo”. Voahodidina havoana 1000 ny tanàna, ka izay no nahatonga ny lohatenin'ny filma.

Tsirin-kevitra avy amin'ilay Afrikana Tatsimo matihanina amin'ny fanaovana skate antsoina hoe Dallas Oberholzer ny toby. Fanatanjahantena tsy mahazatra ny ao Afrika Atsimo, indrindra fa ny mainty hoditra, ny fikorisana an-takelakazo.

Ho fanampin'ny fikorisana an-takelakazo, kilonga 30 ka hatramin'ny 40 no handray anjara amin'ny programa fampanajana tena, fahasalamana sy fiarovana ary mozika.

Jess Colquhoun [3], mpanatontosa filma fanadihadiana sady mpaka sary, sy ny Huck Magazine [4]. no niandohan'ny filma. Araraoty ny fijerena azy mandra-panaisotra azy tsy ho hitan'ny besinimaro: