“Angamba mety ho maneho ny tenantsika sy ny fiainantsika, amin'ny ambaratonga maro ny biby sary sokitra nataoko avy amin'ny fanangonana gazety,” hoy Chie Hitotsuyama . Niainga hanao ‘ny fitetezan-tany voalohany ho any Etazonia ilay mpanakanto Japoney, manao fampirantiana efatra miaraka miseho any amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena hatramin'ny Janoary 2017. Mpanakanto karamain'ny MOAH:CEDAR ao Lancaster ihany koa izy, ao California mandritra izany fotoana izany.
Namorona objets d'art tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny teknikan'ny taratasy voatsakotsako i Hitotsuyama. Ny biby no lohahevitra fampiasany, arymanana endrika tahaka ny tena izy ny famoronany amin'ny alàlan'ny taratasy , ary matetika mameno efitrano iray manontolo.
Rehefa voahorona ny taratasy iray, hoy Hitotsuyama , dia mitombo ny hamafiny, ary araikitra tsirairay amin'ny lafiny avy dia afaka mamorona fiolika sy bika amin'ny alalan'ny singa tsirairay.
Tao anatin'ny fanambarana ara-javakanto iray navoaka JAI & JAI, toerana fanaovana fampirantiana ao Los Angeles, nanazava ny fomba fanaovana ny asakanto amin'ny alàlan'ny taratasy i Hitosuyama :
Newspapers come out everyday and at the same time, are thrown out everyday. This cycle repeats rebirth and death whilst carrying our memories. This, I felt, is so similar to humans who also repeat their own histories and experience the cycles of life and death.
Mivoaka isan'andro ny gazety ary ariana isan'andro avy eo. Mamerina fahaterahana indray sy fahafatesana izany herina izany sady mitondra fahatsiarovana ho antsika. Tsapako fa tena mitovy amin'ny olona izay mamerina ihany koa ny tantara sy ny zavatra niainany manokana izany, ny tsingeringerin'ny fiainana sy ny fahafatesana.
Efa nahazo fankasitrahana noho ny asakanto i Hitosuyama tao Japana, izay monina ao Shizuoka, akaikin'ny Tendrombohitra Fuji talohan'ny fampirantiana ao Etazonia izay ataony amin'izao fotoana izao .
全部、新聞紙で出来てるそう
造形作家の一ツ山チエさんの作品です pic.twitter.com/RN4DhhHtdS— ももん (@ff_mon) October 25, 2015
Vita avy amin'ny gazety ny famoronana rehetra. Ireto misy fantina avy amin'ny tsangan'asan'i Hitotsuyama .
Avy any amin'ny faritra manana fifandraisana ela tamin'ny fanamboarana taratasy ao Japana i Hitosuyama :
富士山紙フェアで、地元のアーティスト、一ツ山チエさんの作品
新聞紙のこよりで出来ています pic.twitter.com/hCY52gC4Sa— mumin (@MuminTa623) October 25, 2015
Tao amin'ny Foaran'ny Taratasy ao an-Tendrombohitra Fuji [fanamarihana: maro ny orinasa fanamboarana taratasy any amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Shizuoka, teo am-pototry ny Tendrombohitra Fuji], no nanao fampirantiana famoronana vita amin'ny taratasy i Chie Hitotsuyama mpanakanto tao an-toerana.
Mifanakaiky amin'ny tena izy ny famoronany izay toa mampiseho ny fanahin'ny biby ampiasainy ho lohahevitra.
一ツ山チエさんの個展へ(o^^o)
全部新聞紙で出来てます!とても好きな作家さんpic.twitter.com/6ObhPHEf6D— Shinohara Namiko (@naichip) December 11, 2015
Ato amin'ny fampirantiana manokan'i Hitotsuyama aho (o ^^ o)
Vita avy amin'ny gazety ny zava-drehetra. Tena tiako ity mpanakanto ity.
Ho hita indray miaraka any Los Angeles, Chicago, Lancaster ary Miami hatramin'ny Janoary 2017 ny fampirantiana ny zavakanton'i Hitotsuyama.
Jereo ny pejy Facebook-n'ny Studio Hitotsuyama raha mila fanazavana fanampiny. Hita ao amin'ity lahatsari-paritra hanaovany ny fitetezan-tany an'i Amerika ity ny santionany maro amin'ny asakanton'i Hitotsuyama vita amin'ny taratasy voatsakotsako :
Ary ao jerena ihany koa ao amin'ny tranonkalan’ilay mpanakanto :