- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voatsikera Mafy Ho Mampiasa Sarin'ankizy Tsy Ampy Taona Mitondra Basy Hahazoana Isa Ara-Politika ny Mpanohitra ao Trinite & Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
The Waterfront Complex in Port of Spain, Trinidad, where the country's parliament is currently located. Photo by DizzyNN (Own work), CC BY-SA 4.0, via Wikimedia Commons. [1]

Tranobe Marolafy Waterfront ao Port of Spain, Trinite, toerana misy ny parlemantan'ny firenena ankehitriny. Sary avy amin'i DizzyNN (Own work), CC BY-SA 4.0, tao amin'ny Wikimedia Commons.

Tamin'ny Talata 11 Oktobra, raha niady hevitra momba ny tetibolam-panjakana ireo mpikambana ao amin'ny parlemantan'i Trinite sy Tobago, namoaka sarina tanora roa mitana basy kosa ilay mpanohitra, Roodal Moonilal, ary manontany [2]ny minisitry ny fitsarana, Faris Al Rawi, raha “mankatò ireto ankizy ireto” [3]izy.

Ny tsoa-kevitra, mazava ho azy, dia zanak'i Al Rawi ireo hita ao amin'ny sary. Mbola tsy nanamarina [4] ny tonia mpampanoa lalàna raha tena izany tokoa saingy nilaza [5]izy fa nanao fanazaran-tena “fanombanana izay fandrahonana” ao anatin'ny arofenitra ara-piarovana ho an'ireo fianakavian'ny manampahefam-panjakana manana toerana mety hidiran-doza ireo olona ao amin'ny fianakaviany.

Nitaky [6] ny fametraham-pialàn'i Al Rawi i Moonilal, na izany aza, tamin'ny filazana fa fanitsakitsahana ny lalànan'ny [fitazonana] basy [7] ao amin'ny firenena ny toe-javatra asehon'ny sary. Satria nanamafy ireo minisitra roa hafa ao amin'ny governemanta fa zanak'i Al Rawi tokoa ireo ankizy voalaza, nilaza i Moonilal fa tsy manana fahefana ara-maoraly handidy amin'ny raharahan-keloka bevava” ny tonia mpampanoa lalàna ankehitriny.

Naneho hevitra avy hatrany ny media sosialy. Tian'ireo mpisera Facebook mba hamaly ny fanontaniana [8] i Al Rawi ary hanamafy raha [9]zanany tokoa ireo ankizy ao amin'ny sary. Ny sasany kosa nanasokajy ny raharaha ho fandrebirebena izay tsy manana ny toerany amin'ny adihevitra ara-teti-bola. Ary tezitra kosa ny hafa fa mampiasa ankizy ho fitaovana ara-politika ny mpanao politika, ary toa manaiky ny famoahana sarin'ankizy tsy ampy taona ny haino aman-jery, na dia natao manjavozavo aza ny tarehin'izy ireo.

Naneho hevitra [10]i Justin Phelps Mpampanoa Lalàna hoe [10]:

A country is entitled to, and does, make its own values. We think it's ok to produce in parliament pictures of children? And the media republishing the photos? Obscuring the faces does nothing because you're identifying the children. You have to admire Al Rawi's restraint really.

Manan-jo sy afaka mametraka ny soatoaviny manokana ny firenena iray. Mino isika fa azo atao ao amin'ny parlemanta ny famoahana sarin'ankizy? Ary ny famoahan'ny fampahalalam-baovao izany indray ? Tsy misy dikany ny fanafenana ny tarehy satria fantatrao ireo ankizy ireo. Tsy maintsy miaiky ny fifehezan-tenan'i Al Rawi ianao.

Mikasika ny maha ara-dalàna ny ankizy afaka mihazona basy, dia nananihany [11] toy izao ny mpisera Facebook Dion Boucaud :

So I've been listening to all the prattling going on about the laws of T&T being broken because two teenagers held weapons in an Army Camp whilst being supervised by trained Defence Force personnel. Well then I'm about to turn myself in. As a teenager and a member of the Trinidad and Tobago Cadet Force, I was trained in and used firearms on the range in La Seiva Maraval, in school at Trinity College, marched on the streets of Port of Spain on at least two Independence days whilst bearing arms, and even held one out to salute the Queen of England when she visited and drove past my position. Since many are adamant that there are no exceptions whatsoever to this law, I hereby apologize for violating the laws of T&T and I urge everyone who has ever served or currently serves as a Cadet to turn themselves in forthwith. Or …. is this all just bullshit?

Mihaino foana ireo tabataba mandeha momba ny lalànan'i T & T nohitsakitsahana aho satria tanora roa no nitàna fitaovam-piadiana tao amin'ny Tobin'ny Tafika izay arahan'ny mpiasan'ny Tafi-piarovana voaofana maso. Ka dia mitodika any amin'izany aho. Amin'ny maha-zatovo sy mpikambana ahy tao amin'ny Semipin'i [Sekoly Miaramilam-Pirenena] Trinite sy Tobago, nampiofanina tao aho ary nampiasa basy isan-karazany tao La Seiva Maraval, tao an-tsekoly tao amin'ny Kolejy Trinite, nilahatra teny an-dalamben'i Port of Spain farafahakeliny mandritra ny roa andron'ny fahaleovantena no sady milanja basy, ary efa nanatontosa fiarahabana ny Mpanjakavavin'i Angletera mihitsy aza rehefa nitsidika sy nandalo ny toerana nijaridinako izy. Koa satria maro no nanaiky fa tsy mila fanavahana ity lalàna ity, dia miala tsiny etoana eto aho noho ny fandikana ny lalànan'i T & T ary mandrisika ny tsirairay izay efa nanompo ny firenena na ireo Zandry manompo firenena amin'izao fotoana izao mba hiala avy hatrany. Na …. hagaigena fotsiny ve izany rehetra izany?

Nisy ihany koa ny ahiahy momba ny loharanon'ny sary tafaporitsaka, resy lahatra mihitsy aza ny sasany fa avy ao anatin'ny tafi-piarovana izany. Phelps, tamin'ny vaovao farany taty aoriana nilaza hoe [12]:

It should worry you that there are state security people with political allegiances so influential that they would leak the pictures for political mileage. The implications of that might keep you awake at night.

Tokony hampanahy anao izany fa misy ny olon'ny fiarovam-panjakana manana fankatoavana ara-politika no manana ambaindainy be ka mety mamoaka antsokosoko ny sary hanaovana resaka ara-politika. Mety tsy hampatory anao amin'ny alina ny fiantraikan'izany.

Nisisika nilaza [13] i Moonilal fa hita tao amin'ny Facebook ny sary.

Nihevitra kosa ny mpisera media sosialy sasany fa mampiseho ny fivakisan-tsaranga ao Trinite sy Tobago ny raharaha. Hoy i Anderson Bridgelal nanamarika [14]tao amin'ny Facebook:

Al-Rawi ah want ah gun! Ah living in the ghetto!

Al-Rawi, te hanana basy aho! monina any ambany tanàna aho!

Khemy Lalla nanampy hoe [15]:

Have been saying for a long time that the SHEEP has [sic] been stumbling over themselves to position themselves amongst certain CLASS and ELITES in the society. Take a look at how that type of behaviour has resulted in the creation of the UNTOUCHABLES in the society, who believe that they and their children can do what […] they want and no one can do anything …
It's all a GAME …..

Efa ela no nilaza fa mifamingana ny ONDRY mba hametraka ny tenan'izy ireo ao anatin'ny KILASY ambonimbony sy SANGANY eo amin'ny fiaraha-monina. Topazo maso ny vokatr'izany karazana fitondran-tena izany amin'ny fiforonan'ny TSY AZO KITIHANA ao anatin'ny fiaraha-monina, ary mihevitra fa afaka manao izay tiany atao izy ireo sy ny zanany ka tsy afaka manao na inona na inona ny olona …
LALAO avokoa izany rehetra izany …..

Nalahelo fotsiny [16]ny hafa noho ny haavon'ny filalaovana politika ao amin'ny parlemantan'ny firenena. Mpisera Facebook Jamilia Wallace nanazava [17]hoe:

I refused to mention the story on my timeline immediately because I wanted to hear both sides of the story. . .knowing that this is someone's children we're talking about and I have children of my own. I personally believe that though ppl have Parliamentary coverage they need to be more responsible and stop using the Parliament to score cheap political points. Yes it is a good sensational story and since bachannal [sic] is the order of the day it sells but things like these is [sic] wrong.
What made this most reprehensible he aimed to link this to ISIS.

Nandà tsy hilaza ny tantara teo amin'ny rindriko avy hatrany aho satria te handre ny roa tonta ao anatin'ny tantara. . . Mahafantatra fa zanak'olona ity resahantsika ity ary manan-janaka manokana ihany koa aho. Izaho manokana dia mino fa na dia manana fiarovana Parlemantera aza ny vahoaka, mila atao ho tompon ‘andraikitra bebe kokoa izy ireo ary mampitsahatra ny fampiasana ny Antenimiera ho fitaovana hisongadinana (hahazoana isa) ara-politika. Eny tantara tsara mampitolagaga izany ary rehefa lasa ao anatin'ny lohavolana ny hagaigena [sic] dia azo amidy [=mahomby] saingy diso (=tsy mety) [sic].
Izay nahatonga azy ity hahazoana sazy bebe kokoa dia ny tanjony hampifandray azy ity amin'ny ISIS.

Tahaka izao [18]no nilazan'i Maria Rivas izany:

A kinder man, with children of his own, would have had a quiet word with the parent, either directly or indirectly. It's more important to score political points. And, so it goes…

Lehilahy tsara fanahy, manana ny zanany manokana, no nanana teny mangina miaraka amin'ny ray aman-dreny, na mivantana na ankolaka. Tena zava-dehibe kokoa ny mahazo isa ara-politka. Ary, mitohy izany