Nilaza ny Filoha Nizeriana Fa “Ao an-Dakoziako sy ny Efitra Hafa no Misy ny Vadiko

Nigerian First Lady Aisha Buhari. A Creative Commons image by Brendafash.

Vadin'ny filoham-pirenena Nizeriana Aisha Buhari. Sary voaaro amin'ny Creative Commons avy amin'i Brendafash.

Tamin'ny fitsidiham-panjakana tao Alemaina tamin'ny herinandro lasa, nanao fanehoan-kevitra manambany vehivavy momba ny vadiny Aisha Buhari, ny Filoha Nizeriana Muhammadu Buhari, hoy izy: “Tsy fantatro izay antoko misy ny vadiko, an'ny lakoziako sy ny efitra fandraisam-bahiniko sy ny efitrano hafa izy.” Natao nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natrehin'i Buhari sy ny Chancelier Alemà Angela Merkel izany fanehoan-kevitra izany.

Nandritra ny antsafa vao haingana niaraka tamin'ny BBC, nitsikera ny fitondran'ny vadiny sy ny fanendrena nataony i Aisha Buhari, nilaza fa mety tsy hanohana ny firotsahany ho fidiana fanindroany izy.

“Tsy mahafantatra ny 45 amin'ireo olona 50 notendreny ny filoha ary tsy fantatro ihany koa izy ireo, na dia efa vadiny nandritra ny 27 taona aza aho,” hoy izy. “Mbola hilaza amiko izy saingy nanapa-kevitra aho amin'ny vady ahy fa raha mitohy tahaka izao foana ny fandehan-javatra hatramin'ny 2019, tsy hivoaka sy hanao fampielezan-kevitra intsony aho ary hangataka amin'ny vehivavy mba hifidy tahaka ny nataoko teo aloha. Tsy hanao izany intsony aho. “

Niezaka nampitony ny rano i Garba Shehu, mpitondratenin'ny filoha avy eo, nilaza fa mamazivazy fotsiny ny filoha Buhari:

Ry namako, tsy mba afaka mamazivazy intsony ve ny mpitarika? Nihomehy ny filoha talohan'ny nanaovany izany fanambarana izany.

Misalasala, na izany aza ny ankamaroan'ireo Nizeriana mpiserasera aterineto:

Tsy resy lahatra tanteraka i Kola Tubosun, mpahay momba ny teny:

@GarShehu Hahahhaha-Adala ianao-hahahahaha.

Nilaza i Yomi fa nanamafy fotsiny ny fitsarana an-tendrony momba ny lahy sy ny vavy ny vazivazy:

Mbola olana lehibe ao Nizeria ny zon'ny lahy sy ny vavy. Mampidi-doza ny fanehoan-kevitry ny filoha ary manamafy ireo fitsarana an-tendrony mahatsiravina marobe. Vazivazy ratsy?

Voateny ny anaran'ny kandidà ho filoham-pirenena Repoblikana Donald Trump noho ny fanambarana vao haingana momba ny fanehoan-keviny manokana teo aloha manambany vehivavy.

Raha leo an'i Trump ianao, ity no mpitarika manerantany ANKEHITRINY izay nilaza fa ao an-dakozia ny toeran'ny vadiny

Namoaka fanehoan-kevitra somary masiaka kokoa ny gazety antserasera YNaija:

Beyond the hard bigotry of his comments lies something even more worrisome because it lies up there with the kind of unrestrained crassness as defined Donald Trump’s political philosophy of ‘grab ‘em by the pu__y’.

The president, in trying to silence, and ultimately humiliate his wife, said this: “belongs to my kitchen and my living room and the other room”.
While Nigerians, trying to cope with this tragedy by laughing rather than crying, have turned #TheOtherRoom into a trending hashtag, every adult of common sense knows exactly what room the Nigerian President was referring to, thinking he was sharing a ‘’locker-room’ joke: the bedroom. We always suspected our president was un-evolved, unsophisticated, and probably unable to absorb both complex emotion and information. But who would have thought that he was also, at the base of it – this man who positions himself as a paragon of virtue, introspection and personal discipline – crass?

Misy zavatra somary mampiahiahy kokoa ao ambadiky ny tsy fandeferana amin'ny fanehoan-keviny satria hita ao ny fahasiahana tafahoatra araka ny faritan'ny filôzôfia ara-politikan'i Donald Trump ‘grab ‘em by the pu__y’. [Sintony amin'ny f__y]

Nilaza ny filoham-pirenena, amin'ny fiezahana hanampim-bava, sy hanala baraka ny vadiny hoe: “an'ny ny lakoziako sy ny efitra fandraisam-bahiniko ary efitrano hafa”.

Raha niezaka namadika ny #TheOtherRoom [Ilay Efitra Hafa] ho tenirohy malaza ny Nizeriana, izay miezaka miatrika ity voina ity amin'ny fihomehezana fa tsy amin'ny fitomaniana, ny olon-dehibe tsirairay vory saina kosa mahalala tsara hoe efitrano inona no tian'ny filoha Nizeriana lazaina, mihevitra fa nizara ny kivazivazin'ny ‘efitra fisoloana akanjo” izy: Efitra fatoriana. Efa niahiahy foana ny filohanay izahay fa tsy-nivoatra, tsy sarotra ary angamba tsy afaka mitàna ny fihetseham-po sy ny vaovao sarotsarotra izy. Saingy iza moa no nihevitra fa izy koa dia lehilahy mametraka ny tenany toy ny maodelin'ny ny hatsaran-toetra, fandinihan-tena sy fitsipika manokana – masiaka?

Nilaza i Emeka fa fijerin'ny filoha ny fanehoan-kevitra ary tsy maneho ny fomba fihevitry ny lehilahy Nizeriana rehetra:

Ry namana Angela Merkel, ny fijerin'i Burahi ny vadiny dia tsy milaza fa tahaka izany daholo ny lehilahy Nizeriana rehetra. Azy manokana izany. Misaotra

Tsy niombon-kevitra ny mpiserasera hafa, manasokajy ny fanehoan-kevitr'i Buhari ho mampiavaka ny ankamaroan'ny lehilahy Nizeriana izy ireo:

Eto Nizeria, izay manambady tovovavy 14 taona ny lahiantitra ary an'ny lakozia ny vady, tsy handresy amin'ny fifidianana ve i Trump?

Nasian'i Amara Nwankpa akony ny fijerin'i Femke:

Aza hadinoina fa misy ireo olona manan-danja maro ao amin'ity firenena ity izay mino fa an'ny efitra hafa ny tovovavy 14 taona

Vao haingana, “nanambady” tovovavy 14 taona ny mpitondra nentim-paharazana ao avaratra-atsinanan'i Nizeria.

Naneho fihetseham-po tahaka izany momba ny PMB (Filoha Muhammadu Buhari) i Rita:

Nigafy ve ny PMB? Eny
Tokony hisy ho tezitra ve? Tsia angamba.
Iza no olona nametraka fanamafisam-peo & fitaratra lehibe amin'ny eritreritry ny lehilahy Nizeriana marobe.

Nanamarika i Somi Ekhasomhi fa tokony tondroina ho tompon'andraikitra noho ny fanehoan-keviny ny filoha, fa tsy mampiasa izany ho fialan-tsiny hananarana ny hafa:

Mahita olona tsy te hitsikera an'i Buhari aho. Fa aleon'izy ireo mampiasa azy ho toeram-pifandraisana amin'ny “lehilahy Nizeriana rehetra.”

Nisy ihany koa ny vazivazy maromaro, mazava ho azy:

Ramatoa Osibanjo: Yemi, Aiza no misy ahy?

PYO: Eto ihany, eo akaikiko, ry malala.

(PYO dia Profesora Yemi Osibanjo, filoha lefitra ao Nizeria.)

Mpisera Twitter hafa nilaza momba an'i Atiku (Abubakar), filoha lefitra Nizeriana teo aloha.

Manantena sioka avy amin'i Atiku ao an-dakozia miaraka amin'ny fanamiana (tablier) rahampitso, hilaza amintsika hoe ahoana ny fialam-boliny no ahitana fahandroana Vary Jollof.

Nilaza i Sam Hart fa malahelo izy satria hanakona ny tena tombontsoan'ny fitsidihana tany Alemaina ny fanehoan-kevitra manambany vehivavy

Ny zavatra mampalahelo dia hanakona izay nalehany tany ity tantara ity

Na izany aza, tsy nety niala tsiny ny filoha Buhari

LAHATSARY! Mihizingizina i Buhari fa an'ny Lakozia ny Vadiny Aisha

Niantso ny raharaha manontolo ho “mampatahotra tanteraka” ny gazety YNaija:

A journalist from Germany’s Deutsche Welle gave him an opening, and just in case we didn’t hear him clearly on Friday, Buhari responded by saying that the kitchen and living room are a woman’s responsibility even if she has a job – capping it off by saying Aisha Buhari’s responsibility is to look after him.

He did not attempt to play down his comments by calling them a poor attempt at humour, even though that is probably what his media team advised given the backlash. He did not think he needed to. Because he believes he, the wisest of them all, is right.

By confirming his initial remarks, Muhammadu Buhari has shown that he is exactly like America’s openly misogynistic presidential candidate, Donald Trump. And that is truly frightening.

Nanokatra ny resaka ilay mpanao gazety tao amin'ny Deutsche Welle ao Alemaina, ary raha sendra tsy nahare azy mazava tsara isika tamin'ny Zoma, namaly tamin'ny filazana i Buhari fa andraikitry ny vehivavy ny lakozia sy ny efitra fandraisam-bahiny na dia manana asa aza izy – namarana izany tamin'ny filazana fa andraikitr'i Buhari Aisha ihany koa ny fikarakarana azy (ny vadiny).

Tsy nikasa hanao tsinotsinona ny fanehoan-keviny amin'ny fiantsoana izany ho kivazivazy ratsiratsy izy, na dia izany aza angamba no torohevitry ny ekipa media rehefa hita ireo valin-kafatra. Tsy nihevitra izy fa ilaina izany. Satria mihevitra izy, ilay hendry indrindra amin'ny rehetra, fa marina [manana ny rariny].

Tamin'ny fanamafisana ny fanamarihana nataony voalohany, nampiseho miharihary i Muhammadu Buhari fa tahaka an'i Donald Trump, kandidà filoham-pirenena mankahala vehivavy ao Amerika, izy. Ary tena mampatahotra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.