
Fanazavana: “Hahazo ny Loka Nobel ve i Haruki Murakami ?” — Loka Nobel literatiora izay omena izao hariva izao. Pikantsary avy amin'ny ANN News fantsona YouTube ofisialy.
Tamin'ny 13 Oktobra, lasan'ilay mpihira sady mpitendry mozika Amerikana Bob Dylan ” ny Loka Nobel Literatiora 2016 noho izy namorona teny poetika vaovao tao anatin'ny hira nentim-paharazana Amerikana mahafinaritra “.
Raha maro ny olona nankalaza ny zava-bitan'i Bob Dylan manerana izao tontolo izao [mg], diso fanantenana tamin'ny vaovao kosa ny sasany ao Japana. Maro no nieritreritra fa handresy ihany amin'ity taona ity ilay mpanoratra tantara Japoney Haruki Murakami.
2016年のノーベル文学賞発表まで、あと12時間。さて、村上春樹の受賞はあるんだろうか? https://t.co/ZS08XY5Nqj
— 村上春樹新聞 (@murakami_times) October 12, 2016
12 ora sisa dia hambara ny Loka Nobel [Literatiora] 2016. Hahazo ny loka ve i Haruki Murakami amin'ity taona ity? – Vaovaon'i Murakami Haruki [tranonkalan'ny mpankafy]
Iray amin'ireo mpanoratra malaza indrindra miasa ao Japana amin'izao fotoana izao i Haruki Murakami. Isaky ny mamoaka boky vaovao i Murakami, dia lasa hetsika ara-kolontsaina iray lehibe ao Japana izany:
村上春樹の新刊発売カウントダウン。行列凄くて、すごすご退散。 pic.twitter.com/suHtCkcZRT
— えこら (@eikoran) April 11, 2013
Figadonan'ny fivoahan'ny boky vaovao an'i Haruki Murakami. Lava ny filaharana, aleoko aloha mandeha [ mody] noho izany.
Lasa maro mpanaraka manerantany i Murakami noho ny fandikana ireo tantara sy ireo tantara fohy tamin'ny tenim-pirenena 50 samy hafa fara fahakeliny. Nahazo loka fanta-daza maro tao Japana sy tany ivelany i Murakami, ka ny Loka Nobel Literatiora no mety ho zava-bita farany mba hisalorany amin'ilay asa miavaka .
Talohan'ny fanambaran'ny Ivontoerana Nobel tamin'ny 13 Oktobra, nitatitra ny tambajotra Fahitalavitra Japoney ANN fa nahazo ny laharana favori voalohany tamin'ny fahazoana ny loka i Murakami ary tsy tao anatin'ny lisitr'ireo tafakatra famaranana akory i Bob Dylan:

Tati-baovao tao amin'ny fahitalavitra Japoney momba ny mety ho filaharan'i Haruki Murakami mahazo ny loka Nobel. Sary avy amin'ny ANN News fantsona YouTube ofisialy.
Natao tamin'ny fomba feno fanajana ao Japana ny Loka Nobel, izay toerana manana ny isan'ny mpandresy faharoa betsaka indrindra mahazo ny loka Nobel aorian'i Etazonia.
Mihazakazaka be ny fiandrasan'ireo mpankafy ny fandresen'i Haruki Murakami :
はい、どーも!ノーベル文学賞芸人の村上でーす!春樹でーす!
— HU N DO SHI (SSR) (@WoCrymore_) October 13, 2016
Nahoana, misaotra anareo! Azon'i Haruki Murakami ny Loka Nobel ho an'ny Literatiora! Haruki no voatonona!
Kanefa tsy izay ny zava-nitranga.
#ノーベル文学賞 発表の瞬間。会場には驚きと歓喜の声が。最初はスウェーデン語だったのですが「ボブ・ディラン」という名前だけは分かりました。 #NobelLiteraturePrize pic.twitter.com/Nc16c695V1
— 渡辺志帆 Shiho Watanabe (@shiho_watanabe) October 13, 2016
Ny fotoana nanambarana ny #LokaNobelLiteratiora . Nanakoako ny efitrano ny fahagagana sy ny fifaliana. Natao tamin'ny teny soedoa (sic) ny fanambarana voalohany, ka fantatra ilay anarana hoe “Bob Dylan”.
Tena lehibe ny fiandrasana ny fandresen'i Murakami hany ka nivory mba hanatrika ny fanambarana ny Loka Nobel tamin'ny alàlan'ny rohin'ny zanabolana ny mpianatra maintimolalin'ilay mpanoratra Japoney avy any amin'ny lisea iray tao Kobe.
Nitatitra ny Fampitam-Baovao Mpanaitaitra Nikkan Sports fa fara faharatsiny iray ny mpanatrika fanina tamin'ny antony nahazoan'i Bob Dylan ny lokan'ny literatiora:
村上春樹氏母校ため息「ボブ・ディランは歌手やろ」 – 社会 @nikkansportsさんから https://t.co/xOIz6Qtz40 #ノーベル文学賞 #村上春樹 #ボブ・ディラン
— 日刊スポーツ (@nikkansports) October 13, 2016
Sioka: Nisento ny mpanatrika tao amin'ny lisea an'i Murakami fahiny: “Tsy * mpihira * ve io Bob Dylan io?”
Lohateny sy famintinana: Tsy maintsy mbola miandry ny Loka Nobel i Murakami, “Mpankafy an'i Bob Dylan tokoa izy.”
Mbola nandalo ny Loka Nobel indray ilay mpanoratra tantara Haruki Murakami, na dia nieritreritra izany ho tamin'ity taona ity aza ny “Haruki-ista” (mpankafy an'i Haruki Murakami). […]
Nanana fomba fijery miahiahy kokoa tamin'ny dokambarotra miverimberina fanao isan-taona manodidina ny mety ho Loka Nobel an'i Haruki Murakami ny sasany amin'ireo mpisera Twitter Japoney :
ただ村上春樹が毎年今年は!ついに!ノーベル文学賞文学賞が!ついに!春樹に!ついに!!来ませんでしたーっていうゴチのピタリ賞みたいになってるのはなんか楽しいと思うからずっとやっててほしい(勿論いつか取れたらいいと思うが)
— えいな/ノル (@e_Li2CO3) October 13, 2016
“Ity amin'izay no taona ahazoan'i Haruki Murakami ny Loka Nobel! Ho azony ihany ny Loka Nobel ho an'ny Literatiora! Lasan'i Haruki io! “
Fa toa nanao ny Loka Nobel ho toy ny sezan'ny lalao mozika ny olona rehetra, miaraka amin'ny mpandray anjara tsara vintana iray mahazo ny loka noho ny filalaovana fotsiny. (Mazava ho azy, mihevitra aho fa izy no tokony hahazo ny loka).
Ho an'ny hafa, lasa mampalahelo mampihomehy ny fihetsem-po tamin'ny fahadisoam-panantenana mahazatra isan-taona :
「今年こそ村上春樹がノーベル文学賞か!?」と一応煽ってからの落選という一連の様式美は、もはや伝統芸の域に達していると言ってもは過言ではあるまい。家に帰るまでが遠足ならぬ、持ち上げて落とすまでが春樹。すなわち、持上春樹。 #ノーベル文学賞
— Ga_Orio(学園さん@折尾) (@Gakuen_Orio) October 13, 2016
Mahafinaritra sy lavorary ny fanombohany amin'ny hoe: “Moa ve ity taona ity no andraisan'i Haruki Murakami ny Loka Nobel?”, Ary niafara hatrany tamin'ny fandalovana azy fotsiny izany.
Hita mialoha isan-taona ny endrika [ fiandrasana ny fanantenana sy fahadisoam-panantenana] ary tsy fanitarana ny ilazana izany hoe lasa nanome endri-javakanto ny “fanaovana dokambarotra be tamin'ny Nobel Murakami “- fitsangatsanganana tontolo andro niafara tamin'ny fanantenana sy fahakiviana izany. […]
Raha mety ho nanontany tena ny sasany momba ny fanapahan-kevitra tamin'ny fanomezana ny loka ho an'i Bob Dylan, ilay mpamoron-kira, ilay nahazo ny Loka Nobel ho an'ny literatiora, fara fahakeliny nisy Twitter Japoney iray faly tamin'ny vokatra;
村上春樹の小説は全部読んでるし、本人が騒動にうんざりしてることも知っている。期待した人はみな自分のためなんだろう。ディランも全部聴いてるけど選考員はどうかな。春樹を母国語で読んだわけでもないだろう。賞は政治の一部じゃないか。歌が文学として評価されたのは素直に嬉しい。
— 佐藤龍一 (@RyuichiSato) October 13, 2016
Namaky ny tantaran'i Haruki Murakami rehetra aho, ary fantatro fa tena tsy tian'ny mpanoratra manokana ny fankalazana azy manokana ao amin'ny dokambarotra [natao momba ny mety ahazoany ny Loka Nobel]. Ary tena mieritreritra ny hafalian'ny tenany manokana ireo olona naniry an'i Murakami mba handresy.
Nihaino ny hiran'i Bob Dylan rehetra aho -Manontany tena aho raha nihaino [ny zava-drehetra nataon'i Bob Dylan] ireo mpikambana ao amin'ny komitin'ny Nobel. Azo inoana fa tsy namaky ny tantaran'i Haruki Murakami amin'ny teny Japoney ôrizinaly ny mpitsara Nobel .
Toa tahaka ny resaka politika ny fahazoana ny loka Nobel .
Tamin'ity taona ity, faly aho fa natao ho toy ny literatiora ny famoronan-kira.