- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Manjò ny Zambian Watchdog: Nakatona Ny Tranonkalam-baovao Mpanohitra Mahery Vaika

Sokajy: Afrika Mainty, Zambia, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava
Zambia Lusaka skyline. Photo by Mike Lee via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Fara-vodilanitra ao Zambia Lusaka. Sary avy amin'i Mike Lee tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Voalaza fa nakaton'ny governemanta Zambiana ny tranonkalam-baovao malaza mpanao fanadihadiana Zambian Watchdog. Tsy azo nidirana ny tranonkala sy ny pejy Facebook nanomboka tamin'ny 21 Septambra.

Tamin'ny 28 Septambra, nanafika ny biraon'ny orinasa mpampiantrano habaka an'i Hai Telecommunications tao Lusaka ireo mpitsikilom-panjakana nirongo basy AK47 mba hitady ny lohamilin'ny Zambian Watchdog. Tsy nisy ny fanambarana ofisialy navoakan'ny manampahefana mikasika ny fanakatonana ny tranonkala, tsy fantatra mazava na ny orinasa na ny mpandrindra azy manokana (angamba noho ny baikon'ny governemanta) no nanakatona ny pejy Facebook.Tsy mbola nahitana tranga [1] mangataka amin'ny Facebook mba hanaisotra votoaty ao amin'ny tambajotrany i Zambia.

Mety ho teboka lehibe fanehoana fiovana eo amin'ny fanenjika naharitra ela teo amin'ny governemanta sy ny tranonkalam-baovao mahabe adihevitra ny fanakatonana sy ny fanafihana. Malaza amin'ny asa fanaovan-gazety manao fanadihadiana tsy mitsitsy sy fitateram-baovao somary mampitolagaga kokoa ny Watchdog, izay ahitana ireo mpanao gazety Zambiana ao Etazonia sy any ivelany (izay manoratra tsy mitonona anarana ny ankamaroan'izy ireo). Feo mitsikera ny antokon'ny fitondrana Mandan'ny Tia Tanindrazana nanomboka tamin'ny nandraisany fahefana tamin'ny taona 2011 ny Watchdog.

Zambia's Supreme Court reserves ruling in presidential petition case, February 17, 2009, photo by Harrison Tuntu. Lusaka, Zambia. Demotix.

Fitsarana Tampony ao Zambia mitsara ny raharaha fanangonan-tsonia momba ny fiadidian'ny filoha, 17 Febroary 2009, sary avy amin'i Harrison Tuntu. Lusaka, Zambia. Demotix.

Noho ny ezaka tsy tapaka ataon'ny manam-pahefana amin'ny fandravana ny fisiany an-tserasera, dia matetika tsy azo nidirana tao Zambia ny Watchdog hatramin'ny 2012. Niantehitra be tamin'ny Facebook izay toy ny sehatra faharoa hanapariahana ny tantaran'izy ireo sy hanaovana adihevitra eo amin'ny mpamaky ny vondrona . Satria mikatona ankehitriny ny pejy Facebook, nanomboka niahiahy ireo mpamaky na koa ny mpifaninana aza fa mety fiovana lehibe izao ho an'ilay fampahalalaham-baovao atao fahirano.

Ny fanakatonana vao haingana dia mety nisy fifandraisany tamin'ny fitateram-baovaon'ny Watchdog momba ny fifidianana ankapobeny 2016. Nanohana ny mpanao politika mpanohitra lehibe indrindra, Hakainde Hichilema, avy ao amin'ny Antoko Mitambatra ho amin'ny Fampandrosoana ny Firenena (UPND) ny tranonkala.

Mikasika ny fifidianana 11 Aogositra, fampahalalam-baovao isan-karazany no niharan'ny teriterin'ny fahefana mpanara-maso. The Post [2], gazety tsy miankina lehibe indrindra mpivoaka isan'andro ao Zambia no niharan'ny fanakatonana ary nogiazan'ny Fahefana Mpanangon-Ketra Zambia (ZRA) ny fitaovana fanontam-pirintin'izy ireo [3]noho ny hetra voalaza fa tsy voaloa izay mitentina K68 tapitrisa (6,1 tapitrisa dolara).

Screen shot of Zambian Watchdog on February 12, 2015.

Pikantsarin'ny Zambian Watchdog tamin'ny 12 Febroary 2015.

Taorian'ny fifidianana, naaton'ny [4] Fahefan'ny Haino Aman-jery Tsy Miankina ao Zambia (IBAa) ny fahazoan-dalana mandefa fandaharana ho an'ny fahitalavitra tsy miankina lehibe indrindra ao amin'ny firenena sy ho an'ny onjam-peo roa noho ny “fitondran-tena tsy matihanina mety mampidi-doza ho amin'ny fandriampahalemana sy fahamarinan-toeran'ny firenena” taloha, nandritra ary taorian'ny fifidianana 2016. Efa nesorina ny fampiatoana.

Nitarika fananganana pejy Facebook Zambian Watchdong “hala tahaka” ny fanakatonana ny pejy Facebook-n'ny Zambian Watchdog. Tranonkalam-baovao iray hafa, The Observer, no namoaka fanambarana avy amin'ny tompon’ ny Watchdog, mampitandrina [5]ny mpamaky manoloana ny hala tahaka:

We would like to inform you that none of the pages “Zambian Watchdog 1, Zambian Watchdog Two and the so called Zambian Original are a true replica of the Mighty and Famous Zambian Watchdog.

Although all the three have been created by junior Zambian Watchdog Reporters…[they are] NOT being edited by Zambian Watchdog editors. People are hereby informed that the mighty Zambian Watchdog is yet to open a page. It is actually still closed.

Te hampahafantatra anareo izahay fa tsy misy ny mitovy tanteraka amin'ny Zambian Watchdog Malaza sy Matanjaka amin'ireo pejy “Zambian Watchdog 1, Zambian Watchdog faharoa ary ilay antsoina hoe Zambian Orizinaly ireo.
Na dia natsangan'ireo Mpitati-baovao zandriny ao amin'ny Zambian Watchdog aza izy telo ireo …dia TSY navoakan'ireo tonian-dahatsoratry ny Zambian Watchdog. Nampahafantarina ny olona araka izany fa ny Zambian Watchdog tena izy dia mbola hanokatra pejy. Mbola mikatona izy amin'izao fotoana izao.

Notazonin'ny tranonkala ny kaontiny Twitter [6] na dia tsy ahitana fanavaozam-baovao aza izany nanomboka ny 23 Septambra. Mitondra ireo mpitsidika mankany amin'ny GoDaddy, tranonkala iray fampiantranoana habaka, izay mampiseho [7] fa amidy ny anaran-tsehatry ny Zambian Watchdog, ny fitsidihana ny anaran-tsehatrany.

Namoaka [8] lahatsoratra mahery vaika miaro ny zon'ny tranonkala mba hisy ny gazety Post, izay nanohitra ny Zambian Watchdog taloha, na dia eo aza ny toerany mahabe adihevitra:

What is happening to the internet-based news media outlet – the Zambian Watchdog? A few years ago, the Zambia Information and Communications Technology Authority, in the worst form of media censorship, blocked Zambians from accessing the Watchdog’s website. One can only view this website from outside Zambia. The Watchdog had to resort to Facebook to service its readers based in Zambia. Now, it seems even this will not be tolerated. The Zambian authorities are trying very hard to destabilise their presence on Facebook.

We are not fans of the Watchdog. We actually have serious issues with them. Sometimes they have really taken journalism to the dogs. And we have raised issues with them for that doggish conduct. But our displeasure, or indeed the displeasure of all other Zambians, with them should not lead us to wipe them out, to annihilate them. As Nelson Mandela once aptly put it, “None of our irritations with the perceived inadequacies of the media should ever allow us to suggest even faintly that the independence of the press could be compromised or coerced. A bad, free press is preferable to a technically good, subservient one.”

Inona no mitranga amin'ny fampahalalam-baovao amin'ny aterineto – Zambian Watchdog? Taona vitsy lasa izay, nanakana ny Zambiana tsy hiditra ao amin'ny tranonkalan'ny Watchdog, amin'ny endrika ratsy indrindra amin'ny sivana mihatra amin'ny media ny Fahefan'ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana ao Zambia. Any ivelan'i Zambia ihany no azo jerena ity tranonkala ity. Tsy maintsy nampiasa Facebook ny Watchdog mba hanome tolotra ho an'ny mpamaky azy ao Zambia.  Ankehitriny, toa tsy azo leferina ihany koa izany. Miezaka mafy tanteraka hanozongozona ny fisian'izy ireo ao amin'ny Facebook ny manampahefana Zambiana.
Tsy mpankafy ny Watchdog izahay. Raha ny marina dia manana olana lehibe amin'izy ireo izahay. Indraindray mandray tanteraka ny asa fanaovan-gazety ho an'ny alika izy ireo. Ary efa nilaza ny olana tamin'izy ireo momba izany fitondran-tena alika izany izahay. Saingy tsy tokony hitarika anay hamafa azy ireo, na handringana azy ireo ny tsy fahafalianay, na ny fahatezeran'ny Zambiana hafa rehetra amin'izy ireo. Araka ny nolazain'i Nelson Mandela hoe, “Ny fahatezerantsika amin'ny faharatsian'ny fomba fijerin'ny  haino aman-jery dia tsy tokony hamela antsika hilaza na dia amin'ny fahamenarana aza fa tokony manaiky lembenana na gejaina ny fahaleovantenan'ny asa fanaovan-gazety. Aleo asa fanaovan-gazety malakaka, sy ratsy toy izay tsara ara-teknika tsara, sy mpisolelaka. “

Hatramin'ny nandraisan'ny Antoko Manda Tia Tanindrazana (PF) ny fahefana tamin'ny 2011, nisy ny ezaka mahazatra hanampim-bava ireo tranonkalan'olon-tsotra mpamoaka vaovao [9] tahaka ny Zambian Watchdog sy ny Zambia Reports [10]. Samy nakatona imbetsaka tao amin'ny firenena ireo tranonkala ireo. Na izany aza, nanohana ny governemanta ny Zambia Reports nanomboka tamin'izany.

Tamin'ny 2014, nilaza [11] i Bert Mushala, Sekretera Maharitra teo aloha amin'ny Haino Aman-jery sy ny Vaovao, fa namolavola lalàna natao handaminana ny media antserasera sy hiatrehana ny “fihoarana amin'ny aterineto” sy ny heloka antserasera ny governemanta. Nilaza izy fa misy ireo media antserasera sasany sy famoaham-baovao hafa no mandany andro manevateva sy mampiely lainga ka lasa manimba ireo tatitra marina sy azo antoka ary ny resaka fampandrosoana.

Tamin'io taona io ihany, nanolotra valisoa 2000 dolara Amerikana [12]ho an'ny olona mamoaka mombamomba ny olona ao ambadiky ny tranonkala fampahalalam-baovao tsy miankiina Zambian Watchdog i Miles Sampa, minisitra lefitry ny Varotra, Tsena ary ny Indostria teo aloha ao Zambia, noho ny fanoratana tantara sy fanontana sary milaza azy ho mampirafy. Ho fanoherana ny valisoa, nanolotra iPads sy tablety hafa ho an'ny olona izay antsoin'izy ireo hoe “vaovao azo antoka” momba ny raharaham-pitiavana ara-panambadiana voalaza fa mikasika ny minisitra ny Zambian Watchdog.

Nodarohana sy norahonan'i [13]Kazim Sata, zanakalahin'ny filoha Zambiana,  Michael Sata i Thomas Zgambo, mpanao gazety niatrika fitsarana tamin'ny raharaha mampifandray azy amin'ny Zambian Watchdog. Niatrika fiampangana heloka bevava isan-karazany [14]ireo mpanao gazety: Wilson Pondamali, Thomas Zgambo sy ilay manam-pahaizana momba ny fampahalalam-baovao Clayson Hamasaka hatramin'ny nahatogavan'ny PF teo amin'ny fahefana noho ny fifandraisan'izy ireo amin'ny Zambian Watchdog.

Tamin'ny 2014, nilaza ny polisy Zambiana [15]fa hampiasa “fepetra ara-dalàna iraisampirenena” izy ireo hanagadrana ireo mpandraharahan'ny tranonkalaza, izay nolazain'izy ireo fa mandrahoana ny fiarovam-pirenena. Nitranga izany taorian'ny namoahan'ny tranonkala volavolan-dalàmpanorenana [16]nosoratan'ny governemanta saingy tsy noraharahiany avoaka ho an'ny vahoaka.

Vakio Bebe kokoa Lahatsoratra Momba ny Sivana Mihatra amin'ny Media ao Zambia

Zambia: Tandindonin-doza Ireo Mpanao Gazety Ao amin'ny Haino Aman-jerim-panjakana [17], Aprily 2014

Zambia: Nampitandrina Ny Mpamoaka Vaovao Ny Zanakalahin'ny Filoha, “Hamono Anareo Izahay” [13], Marsa 2014

Enjehin'ny Polisy ny ‘Watchdog’ Noho Ny Famoahany Ny Volavolan-dalàmpanorenena Ao Zambia [15], Janoary 2014

Mpanao Gazety Hafa Voasambotra ao Zambia [14], Jolay 2013

Mpanao Gazety Voampanga Ho Manakorotam-Panjakana Tao Zambia [18], Jolay 2013

Zambia: Miatrika Valifaty ny Mpanome Tolotra Aterineto Noho Ny Fanakatonana Tranonkalam-baovao [19], Jolay 2013

Zambia: “Hankalaza” Ny Fanakatonana Tranonkam-baovao ny Filoha Lefitra [20], Jolay 2013

Zambia: Minisitra Mandrahona Tonian-dahatsoratra ao Amin'ny Watchdog Noho Ny Fiampangana Azy Fa Mpamadika [21], Janoary 2013