- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Politisiana Mahalala “Miasa Ho An'ireo Nifidy Azy” No Ezahan'ny Islandey Fidiana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Islandy, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Ny Tetezana - The Bridge

The Kitchenware-Revolution in Iceland was organize by Hördur Torfason and "Raddir Fólksins". It started in the wake of the collapse of the banking system followed by the decimation of Icelandic economy in the beginning of October 2008. It resulted in the resignation of Geir H. Haarde and his cabinet on January 26. 2009. The protest meetings were held every Saturday at the Austurvöllur square in front of Alþingishús - the Icelandic parliament house. The first meeting (week 1) was dated Saturday 11. October 2008. The 16th meeting dated January 24. 2009 By OddurBen (Own work) [CC BY-SA 3.0 (http://creativecommons.org/licenses/by-sa/3.0) or GFDL (http://www.gnu.org/copyleft/fdl.html)], via Wikimedia Commons [1]

Hetsi-panoheran'ireo Islandey tamin'ny Janoary 2009 nandritra ny “Revolisionan'ny Vilany sy Lapoaly”. SARY: OddurBen (Own work) (CC BY-SA 3.0) tao amin'ny Wikimedia Commons.

Avy amin'i Lessig

Aty Islandy aho mandritry ny telo volana—fialantsasatra sabatika (andro fialantsasatra tsy andraisana karama) miaraka amin'ny fianakaviako, hanome fahatsapana an'ireo zanako ny atao hoe  ~America, amin'ny fanoratan-javatra an-taonina maro fanaon'ireo mpiondana lalàna—sy ny ady politika iray mahazendana miotrika mialohan'ny fifidianana parlemantera hoavy (29 Oktobra).  Raha ny fandehany, manana olana ny demokrasia any rehetra any—afa-tsy ny eto, misy hetsiky ny olompirenena manao zavatra momba azy io.

Sasantsasany amin'ny zavanisy: Tsaroanareo ny krizy ara-bola tamin'ny 2008. Nandona an'i Islandy izay olana izay. Tena mafy ka an'aliny ireo nidina an'arabe nankany amin'ny Parlemanta nively vilany sy lapoaly (nantsoina hoe “Revolisionan'ny Vilany & Lapoaly [2]”), ary nitaky fiovàna.

Nampifandraisin'ny sasany tamin'ny tsy fahatomombanan'ny Lalàm-panorenan'i Islandy iny krizy iny. Ary ho valin'izany dia nanombka dingana iray ho fiarahana mitrandraka lalàm-panorenana iray vaovao ry zareo. Tany am-boalohany, tsy nisy nifandraisany amin'ny governemanta ilay dingana. Saingy avy eo nirotsaka tamin'ilay hetsika ny Parlemanta, ary nanome endrika azy. Olona an'arivony (noraisina tamin'ny antsapaka) no hitily ireo soatoavina ho ao anatin'ilay lalàm-panorenana vaovao. Avy eo dia hisy filankevitry ny lalàm-panorenana hofidiana mba hanao vakiraoka lalàm-panorenana iray miainga avy amin'ireny soatoavina ireny.

Maherin'ny 500 ireo tonga. Dimy amby roapolo no voafidy. Ary mandritry ny efatra volana izy ireo no hiasa imasom-bahoaka hanao vakiraoka lalàm-panorenana iray vaovao— sy handefa ny dika avy amin-dry zareo ho hita amin'ny Facebook, sy handray ireo fanehoankevitra avy amin'izao tontolo izao. Avy eo ny Parlemanta hametraka ilay vakiraoka hofidiana (fifidianana tsy manery, fa fangatahana raha tokony hisy lalàm-panorenana iray vaovao “miainga avy amin'ny” vakiraokan'ny Filankevitra). Taona efatra lasa izay, mihoatra ny roa ampahatelon'ireo nifidy no nandany ilay vakiraoka. (Fandalinana iray mahafinaritra momba io dingana io ny Blueberry Soup [3].)

Ary avy eo,  nahagaga, tsy nanao na inona na inona ny Parlemanta. Nitohana ny volavolan-dalàna ho fandaniana lalàm-panorenana iray “mifototra” amin'ilay vakiraoka. Ny tsirairay (tao anatin'ny Parlemanta farafaharatsiny) toa samy nanadino azy io.

Saingy rehefa nipoaka ireo tantara ratsy avy amin'ny Taratasin'i Panamà [4], ary nametraka fialàna ny Praiminisitra [5], tsaroan'ny vahoaka tao Islandy fa nisy governemanta nilaina namboarina tao. Araka izany, nanomboka nivelatra tao Islandy ny hetsiky ny olom-pirenena, hanosehana ny hitondrana ilay olana ho eo anivon'ireny fifidianana ireny.

Afaka nanaraka ny fivoaran'io hetsika io aho. Ary amin'ny maha-karazana demokraty “mpitaky ny fitsaboana ny demaokrasia voalohany indrindra”,  nijery tamim-pankasitrahana (sy somary tamim-pialonana kely ihany) aho. Tsy nisy politisiana ireo rehetra mpitarika ity hetsika ity. Misy koa ireo mahery fon'ny politika, toa an'i Birgitta avy amin'ny Antoko Pirate, sy Katrin Jakobsdóttir avy amin'ny Maitso Ankavia, saingy ireo tena mpikatroka eto dia ireo vahoaka tsy mihazakazaka ho amin-java-poana. Olompirenena miezaka ny hanana governemanta mahalala miasa ho an'izay nifidy azy ireo olona ireo—satria taorian'ny taona efatra tsy niraharahiana ny fitsapankevibahoaka iray, dia toa fanontaniana iray misokatra izany.

Andro vitsy lasa izay ry zareo no nanomboka fanentanana iray tao amin'ny media sosialy [6] mba hamehezana io fifidianana io ho amin'ity olana ity. Ny hafatra ao anatin'ilay fanentanana dia miendrika famerenana feno faharanitan-tsaina ilay zava-mahatsikaiky iray mahazatra : “Mba renareo [toy ny ao amin'ny Parlemanta] ve izahay [toy ny vahoaka] ankehitriny?” Lahatsary efatra (roa amin'ny teny anglisy ary roa amin'ny fitenin'ny Islandey) no mametraka ireo teny ho an'ny adihevitra, miampy ireo fifanakalozana 2 amin'ny 10 (amin'ny fiteny Islandey) miresaka ireo olana 10 faratampony hovahan'ilay lalàm-panorenana vaovao. Ireto ambany ireto ny dika amin'ny teny Anglisy.

Angatahan'ilay fanentanana ireo mpifidy — “na avy amin'ny havia na avy amin'ny havanana”—mba hifidy ho an'izay antoko manolo-tena “hanao izay haha-laharam-pahamehana ny hanamafisana ny lalàm-panorenana iray vaovao mifototra amin'ilay drafitra nataon'ny filankevitry ny lalàm-panorenana.” Hatreto, ireo antoko lehibe efatra avy amin'ny fanoherana no nanao izay fanolorantena izay — ny Antoko Pirate [7], Maitso Ankavia [8], Sosialy Demaokraty [9], ary ny antoko Hoavy Mamiratra [10]. Betsaka ny vintana haha-maro an'isa ireo antoko efatra ireo ao amin'ny Parlemanta vaovao.

Raha vitan'io hetsika io ny mahazo fisandratana, hanana fahafahamanao matanjaka izy—ao Islandy sy manerana izao tontolo izao. Ny Icelandic Constitution Society [11] (izay manao ilay fanentanana) dia nampanantena ny handany ny vola nangonin-dry zareo tamin'ny famoriambahoaka tao Islandy ho amin'io raharaha io. Nefa izay ambiny voaangona ankoatra izay ilaina dia ho aleka ho any amin'izay asa momba ny demaokrasia amin'ny sehatra iraisampirenena.

Alaivo sary an-tsaina ny faritra mety ampiharana io fanentanana— Can You Hear Us [12]— io amin'ireo demaokrasia manerantany? (Efa nofandrihako ho ahy sahady ny CanYouHearUs.US). Ny andalana ankafiziko avy amin'ireo doka lavabe ataon-dry zareo : “Raha eto an-toerana ihany isika, ny demaokrasia kosa manerantany. Aleo asehontsika azy ireo ny dikan'izany.”

Mety ho iray amin'ireo fandresena vitsy azon'ny fanovàna ny demaokrasia io amin'ity fifidianana ity—ary ho iray hanainga fanahy ny maro any rehetra any.

Efa resy lahatra sahady aho.

Lawrence Lessig [13] dia olon'ny anjerimanontolo amerikàna, mpampanoa lalàna, ary mpikatroka politika. Navoaka tao amin'ny Medium ny dika iray amin'ity lahatsoratra ity [14]. Ity navoaka etoan ity kosa dia nampiasàna ny lisansa Attribution 4.0 International (CC BY 4.0) [15] .