- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza An'i Bob Dylan, Loka Nobel Literatiora, i Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Nepal, Fifandraisana iraisam-pirenena, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Mozika, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
President Obama presents Bob Dylan with a Medal of Freedom, May 2012 (NASA/Bill Ingalls) From Public Domain

Filoha Obama mampiseho an'i Bob Dylan miaraka amin'ny Medailin'ny Fahafahana, May 2012. NASA/Bill Ingalls. Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Ilay mpamoron-kira Amerikana Bob Dylan no nahazo ny loka Nobel ho an'ny Literatiora 2016 [1], izy no mpamoron-kira faharoa nahazo ny loka Nobel taorian'ilay Indiana, poeta sady mpamorona tononkira Rabindranath Tagore [2] izay nahazo ny loka Nobel tamin'ny 1913.

Nahazo mari-pankasitrahana i Dylan noho ny famoronany tononkalo vaovao ao anatin'ny hira nentim-paharazana Amerikana. Manana ambaindainy amin'ny mozika malaza sy ny kolontsaina ity lehilahy 75 taona mpiangaly mozika ity tao anatin'ny dimampolo taona mahery. Namorona ny ankamaroan'ny sangan'asany malaza nandritra ny fangotrangotrahan'ny taompolo 1960s izy; nalaza tanteraka ireo hirany tahaka ny Blowin’ in the Wind [3] sy ny The Times They are A-Changin’ [4] nandritra ny Ady amin'i Vietnam sy ny hetsika zo sivily tao Etazonia.

Malaza tanteraka tao amin'ireo firenena Azia Atsimo ihany koa  i Bob Dylan. Raha ny marina, dia tamin'ny 2009 ilay mpanoratra Indiana Nilanjana S Roy [5] no nanolo-kevitra tao amin'ny bilaogin'i Serdadis fa tokony hahazo ny loka Nobel i Bob Dylan:

How many roads must a poet walk down before he is awarded a Nobel? [..] Dylan’s Nobel chances are often treated as a joke; it’s assumed that the austere guardians of the universal literary fame would never unbend far enough to award the Prize to a song-writer. Especially a successful one. And there’s the question of how Dylan, with his twin aversion to formal dress and formal speeches, would react to receiving the Nobel.

The reason why Dylan deserves the Nobel has nothing to do with his popularity, or the fact that his works are actually still quoted, discussed and in wide circulation today. [..]

The argument for Dylan would rest squarely on the quality and influence of his work over the years, and the fact that they have now become classics of modern poetry, decades after they were first composed. It’s not just that Dylan wrote great songs—he wrote songs that were deeply rooted in the history of his times, and in a musical and verbal folk tradition that goes back for decades.

Firy ny lalana tsy maintsy alehan'ny poeta vao mahazo Nobel izy? [..] Matetika raisina toy ny vazivazy ny vintan'i Dylan amin'ny Nobel; midika izany fa tsy mba hanome Loka ho an'ny mpamoron-kira, indrindra ho an'izay mahomby ny mpiambina mafy ny lazan'ny literatiora manerantany. Ary misy ny fanontaniana mikasika ny ho fihetsik'i Dylan amin'ny fandraisana ny Nobel, noho ny fankahalany ny akanjo mihaja sy ny kabary ofisialy.

Ny antony mahatonga an'i Dylan mendrika hahazo ny Nobel dia tsy misy ifandraisany amin'ny lazany, na hoe satria mbola voatsonga, iandian-kevitra sy miparitaka ny sangan'asany ankehitriny. [..]

Ny tohan-kevitra nisafidianana an'i Dylan dia noho ny kalitao sy ny ambaindain'ny sangan'asany nandritra ny taona maro, ary ny zava-misy fa lasa klasikan'ny tononkalo maoderina izy ireny ankehitriny, am-polony taona taorian'ny namoronany azy ireo voalohany. Tsy vitany hoe nanoratra hira tsara i Dylan-fa nanoratra hira izay niorim-paka lalina teo amin'ny tantaran'ny vanim-potoanany, sy teo amin'ny fomba amam-panao ara-mozika sy am-bava efa am-polo taonany.

Indiana maro no nankalaza ny fandresen'i Dylan tao amin'ny Twitter:

Fanina sy mirediredin'ny hafaliana! Nahazo ny loka Nobel Literatiora 2016 i Bob Dylan. Nahazo ny doladolan'ny enimpolo sy ny adaladalan'ny fitopolo…

Mendrika tamin'ny Nobel, Bob Dylan. Toy izao ny fomba fiarahabako!

Mahatsiaro [10] an'i Bob Dylan noho ny fandraisany anjara tamin'ny Fampisehoana ho an'i Bangladesh [11] ny Bangladeshita, fampisehoana fitadiavam-bola nokarakarain'ilay mpitendry gitara mpitarika ny Beatles, George Harrison sy ilay Indiana mpifehy ny sitar Ravi Shankar tamin'ny 1 Aogositra 1971 tao amin'ny Zaridaina Sokeran'i Madison tao an-tanànan'i New York. Ny kaonseritra dia natao hanairana ny sain'ny iraisam-pirenena amin'ny ezaka fanampiana ara-bola ho an'ireo mpitsoa-ponenana avy ao Pakistana Atsinanana ( Bangladesh ankehitriny), taorian'ny fandripahana [12]nataon'ny tafika Pakistaney sy ny mpiara-miasa aminy nandritra ny ady ho fanafahana an'i Bangladesh [13]. Olona mitotaly 40.000 no nanatrika ny fampisehoana, ary teo amin'ny 250.000 dolara Amerikana teo no voahangona hanampiana an'i Bangladesh. Fiverenan'i Bon Dylan [14] teo amin'ny fampisehoana ihany koa izany taorian'ny taona vitsivitsy tsy niakarana an-tsehatra noho ny fianjerany tamin'ny môtô.

Ity lahatsary misy an'i Bob Dylan manao fampisehoana tamin'ny kaonseritra ho an'i Bangladesh:

Tanvir Haider Chaudhury [15] avy ao Bangladesh, namoy ny rainy nandritra ny ady, ary nanoratra tamim-pifaliana tao amin'ny Facebook hoe:

I have this sense of irrational glee at this news – as if someone in my immediate family or a very dear, old friend had won this. Well done your Bobness

Mahatsapa hafaliana feno adalana tamin'ity vaovao aho- tahaka ny hoe nahazo izany [Nobel izany] ny olona ao anatin'ny fianakaviako na ny olona tsy foy, namana taloha. Mahafinaritra ry Bob.

Niarahaba azy tao amin'ny Twitter ny Bangladeshita hafa:

Miarahaba an'i Bob Dylan, tena naman'i Bangladesh.

Arahabaina nahazo ny loka Nobel! Bob Dylan, tena naman'i Bangladesh. ♥♥♥ Fitiavana avy aty Bangladesh

Avy ao Nepal, naneho hevitra ny mpisera Twitter:

Faly tanteraka fa nahazo ny Loka Nobel-n'ny Literatiora i Bob Dylan; mpankafy hatrany ny tononkirany mahery vaika & mahery setra matetika. Mendrika azy izany.

Alin'i Dylan ity ry aiko, ary tsy misy na inona na inona mahasakana ny “Rivo-doza”. Arahabaina ny @NobelPrize [20] tamin'ity safidy mahafinaritra ity.

Tsy mahagaga raha misy mandresy lahatra fa izy no iray amin'ireo olo-malaza goavana indrindra eo amin'ny tantaran'ny kolontsaina pop [23]– mahahoatra tsara ny sisintany iraisampirenena ny sangan'asany.