Raha Manapoaka ny Ady Ny Mpanao Politika , Miantso Fandriampahalemana Kosa Ireo Olon-tsotra Indiana sy Pakistaney

Message of Ansar Sagar from India

Hafatra avy amin'i Ansar Sagar ao India. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook Voice of Ram Dot Org

Naharatsy kokoa ny fifandraisana misy eo amin'ny India sy Pakistan ny fanafihana mitam-piadiana nataon'ireo mpitolona mitam-piadiana ao Uri, fanjakana tantanan'ny Indiana ao Jammu sy Kashmir tamin'ny 18 Septambra teo. Voalaza fa nahafatesan'olona betsaka indrindra tao anatin'ny roapolo taona farany ny fanafihana ary nahafaty miaramila Indiana 17 . Nanaraka avy eo ny “daroka baomba amin'ny kinendry mahitsy” nataon'i India tamin'ireo mpitolona ahiahiana ho nikasa hiditra ny firenena avy any Kashmir tantanan'i Pakistan .

Toerana maharary ho an'i India sy i Pakistan ny faritanin'i Kashmir satria tsy mitovy hevitra ny amin'izay tena tompony ny roa tonta. Fa taorian'ny herisetra, nandrehitra fihenjanana ireo mpanao politika Indiana amin'ny tokony ijerena indray ny fifanarahana fizaran-drano ifanaovana amin'i  Pakistan na nivoady ny “hanoka-monina an'i Pakistan eo amin'ny sehatra iraisampirenena”. Ary nanatevin-daharana tamin'ny fandrahonana handrava an'India amin'ny baomba atomika ireo mpanao politika Pakistaney.

Na izany aza, mitsangana hanohitra ny ady ireo olon-tsotra ao amin'ny faritra roa tonta .

Manameloka tanteraka ny fanafihana fampihorohoroana rehetra aho Tokony ho takatsika fa ny famoizan'aina dia FAMOIZAN'AINA! Mila hijoro izao tontolo izao hanohitra ny  fampihorohoroana!

Ry India & Pakistan, tsy hiady na hitady vahaolana ianareo ry zalahy. Noho izany atsaharo. Raha tsy misy na inona na inona mandeha, dia modio fanina ny ankilany. Fa aza miady.

Namelona indray ny fanentanana tao amin'ny media sosialy antsoina hoe #ProfileForPeace (SarintavaMitadyFilaminana) ny mpisera sy ny olo-malaza avy any India sy Pakistan, fanentanana nanomboka tamin'ny 2015 ary nampiroborobo ny firaisan-tsaina sy ny fanajana eo amin'ny firenena roa tonta.

Pakistaney aho🇵🇰
Miozolomana aho😇
Tsy mankahala an'India aho 🇮🇳❤️
Tsy mankahala Indiana aho!!
Tsy irery aho , maro ny tahaka ahy!!! #profileforpeace✌️✨

#PraofilinaHoan'nyFilaminana #India #Pakistan. Mila filaminana aho, ary ianao? pic.twitter.com/AoocPJFNn8

Nisy fanangonan-tsonia tao amin'ny Change.org “manosika [ireo] ny mpitarika mba hitady vahaolana ara-diplomatika fa tsy hiroso amin'ny fampisehoana herisetra ara-tafika izay atahorana hamono aina sarobidy sy ny harena voajanahary.” Amin'izao fotoana izao, sonia 560 no tsy mahafeno azy 5.000 ; kasaina hatolotra ny praiminisitra ao India sy Pakistan izany.

Miandany hanohitra izay mety ho karazana ady ireo tanora ary mandrisika ireo mpanao politika mba hanatsara ny fahasamihafana ka hitady ny filaminana. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny Facebook momba ny fifandraisan'ny India sy Pakistan ny tovovavy iray monina  ao Islamabad atao hoe Alizay Jaffer:

What’s strange is the burden we carry of decisions made in our pasts, based on an entirely different socio-political context, when a common, exploitative antagonist made sure we saw each other as the aggressor, and boy, did we fall for it. What’s strange is our prolonged blindness to the immense opportunities that lie before us as a unit, and the vast desolation that lies before us as enemies.

Ny hafahafa dia ny enta-mavesatra entintsika avy amin'ny fanapahan-kevitra noraisintsika taloha, izay mifototra manontolo amin'ny fahasamihafana ara-tsosialy sy ara-politika, rehefa manome antoka hifampijerentsika ho toy ny mpananibohitra ny zavatra iraisana hampifandrafy antsika, dia latsaka tao amin'izany isika ry zalahy. Ny hafahafa dia ny fitohizan'ny fahajambantsika manoloana ny fahafahana midadasika eo anoloantsika ho singa iray, sy ny faharavana goavana mivalampatra eo anoloantsika mametraka antsika ho mpifahavalo.

Namarana ny lahatsorany tamin'ny alàlan'ny fametrahana ny fahatokisany tamin'ny vahoakan'i India sy Pakistan izy:

it is comforting somehow, that when I messaged one of my closest friends across the border, expressing concern over the destructive megalomaniac tendencies of our governments, he responded and said, “It doesn’t matter what they do, you know I will always love you.

Toa mampahery anefa indraindray, rehefa mandefa hafatra any amin'ny iray amin'ireo namako akaiky any andafin-tsisintany aho, ka milaza fa manana ahiahy momba ny firediredena mandrava mahazatra ny fitondram-panjakana aho, dia namaly izy hoe: “Tsy mampaninona izay ataon-dry zareo any, fantatrao fa hitia anao foana aho.

Ao anatin'ny fankahalana rehetra, nankany India ny tovovavy 20 avy any amin'ny faritra maro ao Pakistana mba handray anjara amin'ny Fetiben'ny Filaminan'ny Tanora Maneran-tany faha-11 any an-toerana. Tonga tamin'ny hafatra mazava ho amin'ny filaminana ihany koa ireo tovovavy na dia manahy momba ny fiarovana azy ireo aza ny fianakaviany;

I must say it's a matter of foreign policy. The governments should negotiate and talk with each other, because the public is so welcoming, and the people of both the countries want friendship, want peace. No one wants the war.

Tsy maintsy miteny aho fa resaka politika ivelany io. Tokony hifampiraharaha sy hifampiresaka ny fitondram-panjakana, satria tia mandray olona ny vahoaka, ary maniry fihavanana sy filaminana ny vahoaka avy amin'ny firenena roa tonta . Tsy misy olona maniry ady.

Nisy fiantraikany teo amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao sy ny showbiz  tao amin'ny firenena roa tonta ihany koa ny fihenjanana. Nanaisotra ny sarimihetsika Indiana ireo teatra Pakistaney, ary nanao antso ho amin'ny fandrarana ireo olona Pakistaney nandray anjara tamin'ny tontolon'ny fialam-boly Indiana ny ampahany tamin'ny fampitam-baovao Indiana. Misaintsaina ny voka-dratsin'ny fivakisan-dalana ireo olo-malaza ao amin'ny andaniny sy ny ankilany, miresaka fanohanana ny hetsika ny sasany, ary ny sasany manohitra azy ireo.

Ny ‘Fitiavan-tanindrazana’ izay manaparitaka FANKAHALANA dia tsy fitiavan-tanindrazana. MIJORO isika miray hina. Lavo isika raha misaraka. Eo amin'ny fitondrana ireo mpanao politika mba hanjakazaka fa tsy hanompo ny fiarahamonina.

Mandrara ireo filmantsika ny Pakistaney, lasibatra ny artistantsika: loza, manaiky aho. Kanefa ve isika te-ho tahaka azy ireo, sa te ho amboniny?

Azad Abbas from Pakistan.

Hafatr'i Azad Abbas avy ao Pakistan. Sary avy amin'ny pejy Facebook  Voice of Ram Dot Org

Tao amin'ny Facebook sy Twitter, nandefa ireo hafatra sy sary manohitra ny mety hisian'ny ady ao amin'ny tenirohy #SarintavaMitadyFilaminana sy #VonoyNyMpampihorohoroFaTsyNyFifampiresahana ireo mpisera. Nampiaka-peo manohitra ny hafanam-po ara-diplaomatika sy ara-tafika eo amin'i India sy i Pakistan i Ram Subramanian avy ao Mumbai, izay nanomboka ny hetsika #SarintavaMitadyFilaminana sy niantso ny tenany ho “artivista” (mpanakanto + mpikatroka) :

Millions of Indians and Pakistanis are getting along famously with each other all over the world. Millions more might be able to become truly independent of this rubbish that has been a collective bane for almost 70 years if you decide on it. Both India and Pakistan are still third-world countries because of third-world leadership.

Olona Indiana sy Pakistaney an-tapitrisany manerana izao tontolo izao no malaza ho mifankahazo. An-tapitrisany maro kokoa no mety ho lasa mahaleotena tanteraka amin'io fakonjavatra niombonana nandritra ny 70 taona io raha toa ka manapa-kevitra amin'izany ianareo. Samy mbola firenena an-dalampandrosoana i India sy Pakistan noho ny fitantanana an-dalampandrosoana.

Nametra-panontaniana amin'ny tanjona sy ny fahombiazan'ny tenirohy na izany aza ny olona. Naneho hevitra i Muhammad Zakariya  :

Making posters and giving it to someone who doesn't know what has happend to the people who are fighting for their freedom is completely insane. This is utterly disgracing. If you want justice go there and put these same posters in their hands and tell them to stand by it. They wont. Because what they have suffered, you can't even imagine.

Tena fahadalana ny fanaovana peta-drindrina sy ny fanomezana izany ho an'ny olona iray izay tsy mahalala ny zava-mitranga amin'ny olona miady ho amin'ny fahafahana. Manala baraka tokoa izany. Raha tianao ny rariny dia mankanesa any ka omeo azy ireo ny peta-drindrina toy izany, ka ilazao izy ireo hijoro eo ankilan'izany. Tsy hanao izany izy ireo. Satria tsy azonao an-tsaina akory ny fijalian'izy ireo.

Miezaka mba hampitony ny toe-draharaha eo amin'ny firenena roa tonta i Shina amin'ny alalan'ny fanelanelanana fifampiresahana. Kanefa, mbola sarotra inoana ny hivahan'ny fifampihenjanana ao anatin'ny fotoana fohy raha jerena ny  tantaram-pifandrafiana izay efa nisy hatry ny ela teo amin'ny firenena roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.