Tsy Mbola Vita Ny “Hetsika Mainty” Fa Mivoaka Ny Volavolan-dalàna Vaovao Iadiana Amin'ny Fanalan-jaza Ao Polonina

The cover image of the Facebook event "Polandwide Womens’ Strike - Round Two," used with permission.

Sary rakotra ao amin'ny hetsika Facebook “Fitokonan'ny Vehivavy manerana an'i Polonina – Andiany faharoa” nahazoana alalana.

Vao mainka mandrisika ireo mpandray anjara amin'ny “Fihetsiketsehana Mainty”, izay manomana fitokonan'ny vehivavy amin'ny 24 Oktobra ny volavolan-dalàna vaovao hisian'ny lalàna henjana manoloana fanalàn-jaza.

Nahomby ny fitokonana voalohany tamin'ny 3 Oktobra satria nofoanana ilay volavolan-dalàna nampiady hevitra, izay nandràra ny fanalan-jaza saika amin'ny toe-javatra rehetra ary alefa any amin'ny vehivavy afa-jaza mihitsy aza ny ahiahy heloka bevava. Nanjary mariky ny fihetsiketsehana goavana ny sarin'ny Tanàna Fahiny Warsaw nofenoina elo.

Noho ny fanohanan'ireo mpampiasa marobe, tsy niasa ireo vehivavy ao Polonina androany ary nitafy akanjo mainty ho fanoherana ny volavolan-dalàna manohitra ny fanalan-jaza.

Saingy toa mbola tsy tapitra ny tafio-drivotra. Fotoana fohy taorian'ny nankalazan'ny haino aman-jery iraisam-pirenena ny vehivavy Poloney noho ny zava-bitan'izy ireo, niatrika fivoarana hafa natao hanenjanana tanteraka ny lalànan'ny fanalan-jaza efa misy ny hetsika zon'ny vehivavy natsangana vao haingana.

“Ny vatako, ny safidiko” – izany no itoloman'ny vehivavy sy ny lehilahy Poloney amin'ity herinandro ity

Fotoana fohy taorian'ny fihetsiketsehana, nanomboka nilaza ny governemanta Poloney fa tsy voahevitra tsara ny voka-dratsy ny volavolan-dalàna tany am-boalohany, izay nifototra tamin'ny fanapahan-kevitry ny olom-pirenena ary novolavolaina niaraka tamin'ny fanohanan'ny antokon'ny fitondrana sy ny Fiangonana Katolika ao amin'ny firenena ka tsy maintsy nofoanana. Na izany aza, nilaza tamin'ny fanambarana avy eo i Jarosław Kaczynski, mpitarika ny antokon'ny fitondrana PIS, fa manohana ny “fiarovana ny aina” ny antoko ary hanolotra volavolan-dalàna manokan'izy ireo izay hampihena betsaka ny isan'ny fanalan-jaza ara-dalàna ao Polonina.

Tamin'ny antsafa vao haingana, nilaza i Kaczynski fa hitady vahaolana ny antokony mba hiafara amin'ny fiterahana ny “vohoka manahirana”, amin'izay afaka omena anarana sy atao batemy ny zaza, na dia mety hoe misy fahasembanana goavana aza na mety ho faty aty aoriana.

Manantena Fihetsiketsehana Mainty hafa aho ho fanoherana ny fanambarana feno habibiana nataon'i Kaczyński izay te hamorona afobe. Fihetsiketsehana iray handresy azy.

Mandritra izany fotoana izany, nisy ny volavolan-dalàna iray hafa avy amin'ny fikambanana manohitra ny fanalan-jaza “Głos dla Życia” ( “Feo Mankany amin'ny Fiainana”) izay nahangona sonia teo amin'ny 160.000, ary efa nekena hodinihina ao amin'ny Parlemanta.

Tsy ahitana sazy any am-ponja ho an'ny vehivavy ny tolo-kevitra, fa mampiditra sazy henjaka kokoa noho ny fanatanterahana fanalan-jaza, ankoatra ny toe-javatra hoe “ahiana ny ain'ny vehivavy”. Lasa lavitra mihitsy aza ny volavolan-dalàna satria ambarany fa tsy ara-dalàna ny fanabeazana aizana vonjimaika sy ny fanabeazana aizana ara-hormonina izay manakana ny vohoka. Tahaka ilay volavolan-dalàna tsy nahomby, mamaritra ny fiandohan'ny fiainana amin'ny fitambaran'ny tsirin'ain'ny lahy sy vavy ity iray vaovao ity. Ankoatra izany, milaza ny volavolan-dalàna fa ovaina ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly ary ampiroboroboin'ny fanentanana ataon'ny andrim-panjakana ny “kolontsain'ny fiainana” sy ny fanamelohana ny fanalan-jaza. Farany, ahitana fandaharan'asa fanampiana ho an'ny vehivavy sy ny fianakaviana ny lalàna raha misy ny “olana amin'ny fitondrana vohoka.”

Nilaza ny famoaham-baovao antserasera tsy miankina OKO, izay namoaka ny vaovao (lahatsoratra efa nozaraina maherin'ny 18.000 tao amin'ny Facebook tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity) fa toa mifanaraka tsara amin'ny foto-kevitry ny antokon'ny fitondrana ka mety hotohanany ilay volavolan-dalàna.

Mandritra izany fotoana izany, lasa toeram-pandrindrana ny hetsika vaovao hanaovana firaisankina ny vondrona Facebook “Dziewuchy Dziewuchom”  (Sipa miaro sipa) sy ny “Ogólnopolski strajk kobiet” (Fitokonan'ny Vehivavy manerana an'i Polonina) ary feno adihevitra, vaovao, drafitra sy fanohanana ara-maoraly. Nanitatra ny fifantohany ny hetsika ka tafiditra amin'izany ny ady amin'ny fanaovana tsinontsinona sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ny ady amin'ny fitarihan'ny Eglizy Katolika amin'ny politika, ary ny ady amin'ny fisintonana ara-politika eo amin'ny rafi-pampianarana.

Rehefa mazava ny fikasan'ny antokon'ny fitondrana ary tonga tao amin'ny Parlemanta ny fanangonan-tsonia “Feo ho an'ny Fiainana”, dia feno lahatsoratra avy amin'ireo vehivavy tezitra tamin'ny tolo-kevitra ny vondrona ka vonona indray izy ireo hanao diabe miaraka amin'ny tarigetra hoe “Ny vatako, safidiko”

Kasaina hotontosaina amin'ny 24 Oktobra ny “Fitokonan'ny Vehivavy Manerana an'i Polonina”, ka olona an'arivony tao amin'ny hetsika Facebook no nanamafy fa mikasa hoavy izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.