Lahatsary Mivantana Tamin'ny Facebook, Miteraka Resabe Amin'izay ho Filoha ao Trinidad sy Tobago

Prior to his presidency, Anthony Thomas Aquinas Carmona (centre), candidate from Trinidad and Tobago, speaks at the ICC Judicial Candidates Forum in New York on October 25, 2011. Photo by Coalition for the ICC, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license.

Anthony Thomas Aquinas Carmona (eo afovoany), kandidà avy any Trinidad sy Tobago, miresaka ao Vovonam-Pitsaran'ny CPI ireo Kandidà tao New York tamin'ny 25 Oktobra 2011. Lany ho filohan'i Trinidad sy Tobago i Carmona ny Marsa 2013. Sary avy amin'ny fiaraha-mientana ho an'ny CPI, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0.

Niteraka resabe nahatafiditra ny filoha ao Trinidad sy Tobago, Anthony Carmona, ny lahatsary Facebook Mivantana iray, ary filazana ny tsy fahaiza-mitantana ara-bola ataon'ny biraony.

Tamin'ny 20 Septambra 2016, nampiantrano fihanoanana mivantana iray tao amin'ny Facebook ilay mpikaroka sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, Rhoda Bharath, ka tao no nangatahany fanazavana mikasika ireo voalaza fa tsy fahaiza-mitantana ny trano sy biraon'ny filoha. Fantatra tsara amin'ny fanehoankevitra politikany ao amin'ny bilaoginy ao Trinidad sy Tobago, ao amin'ny Facebook, ary ao amin'ny media alefa ao an-toerana izy.

Naverin'ny fampahalalam-baovao be mpanaraka nalaina haingana ny vaovao sy ny andalana tamin'ny fanontanian'i Bharath, izay nanontany mikasika ny raharaha toy ny dingana fanomezana tsenam-barotra ho an'ilay divay novidian'ny tranon'ny Filoha, ary ny fanapahankevitry ny Filoha Carmona mba hihaona manokana amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-Pirenena, Edmund Dillon, tsy misy ”fanondroana” ny praiminisitry ny firenena, Dr Keith Rowley.

Eo ambanin'ny lalàm-panorenan‘i Tobago, ny filoham-pirenena no filoha ara-pomba, nofidian'ny parlemanta; raha ny praiminisitra kosa no filohan'ny governemanta, nofidian'ny olom-pirenena.

Tao anatin'ny Tatitry ny Mpanaramaso Ankapobeny ny kaontim-panjakàna tamin'ny 2015, no fantatra voalohany ireo tsy fetezan-javatra hafahafa tao anatin'ny fitantanambolan'ny biraon'ny filoha, tatitra izay navoaka tamin'ny Aprily 29, 2016. Manambara ny fizarana iray ao amin'ilay Tatitra, mitondra ny lohateny hoe ”Faritra Mampiahiahy ny Tsirairay” fa ny tarehimarika napetraky ny biraon'ny filoha dia nirakitra:

“…tranga 85 momba fanasokajiana fandaniana diso mitentina $2,685,236.90 tsy ara-dalàna ao amin'ny Fitsipika faha-65 Mifehy ny Ara-bola izay milaza fa tsy voatery ampiharina aminà tanjona iray nanaovana azy ny fifidianana .”

Ny Tatitry ny Mpanaramaso amin'ny ankapobeny koa dia niteraka fanontaniana mikasika ny fanisàna ny tahiry sy ny fisotroan-dronono ary ireo fitànana an-tsoratra.

Tamin'ny 24 Septambra, nandritra ny Andron'ny Fitenenan'ny Repoblika fanaony isan-taona, niseho mba hamaly ireo filazana miaraka amina famelezana faobe ny media, tamin'ny filazàna fa:

“Misy ireo mpanao gazety no manenjika be fahatany fotsiny tsy misy porofo iaingàna, miditra amin'ny fanaovana gazety eny an-databatra izay mihaino zavatra amin'ny fonbany ary iny no lasa vaovao azo antoka avy eo….Lasa fiteny st medrika sy  fanaratsiana foko ny azy ireo — eny, izany vondrona kely izany no mitondra ny dinika nasionaly, tsy ianareo no feon'ny vahoaka satria hoe manana fahafahna miditra tsy misy fetra sy tsy ara-drariny amin'ny gazety sy ny media ianareo, satria hoe nahaforona vlog sy lahatsary izay ianteheran'ny mpijery ny mpanaraka anareo ianareo, fa tsy amin'ny fikarohana madio sy tomponandraikitra ary amim-pahendrena, fa amin'ny fanodinkodinana sy fampientanentanana”

Ao anaty Lahatsary Facebook Mivantana iray nozaraina tamin'ny 27 Septambra, niteny i Bharath fa ny biraon'ny filoha dia niantso ireo mpiasany tao amin'ny Oniversite ao Antilles Andrefana  ary nandrahona ny asany.

Nandray ny filoha Carmona mba hiandraikitra ireo tsikera ireo ny Fikambanan'ny Media ao Trinidad sy Tobago (MATT), tamin'ny filazàna tao anaty famoahan'ny media tamin'ny 25 Septambra fa ”hadisoana ny fampiasana ny hafatra fanaony amin'ny Andron'ny Repoblika mba hanodinana ireo fanontaniana ara-drariny napetraky ny media mikasika ny fampiasana ny volam-bahoaka ataon'ny Tranon'ny Filoha.”

Nizara lahatsary iray hafa indray i Bharath ny harivan'ny 28 Septambra mba ho valin'ny kabary natolotra ho an'ny olom-pirenena nataon'ny Filoha Carmona ora vitsivitsy talohan'izay, maneho ny tsy fahafahampony tamin'ny fanazavany ireo tsy fetezan'ny fitantanana ara-bola sy ny nanekeny ny tamby isambolana TT$28,000 (Ambony kely noho ny US$ 4,000) amin'ny trano  nefa sady mbola mipetraka amin'ny tranom-panjakana ihany. Nanamarika ihany koa izy fa tsy mba noresahan'ny filoha araka ny tokony ho izy ireo olana toy ny fanaovana kiantranoantrano, ary ny mety ho fanodinkodinana ny volam-bahoaka.

Nahasintona feona mpanaraka maro ny Lahatsary Mivantan'i Bharath, ary namome toky ny hanohy ny fanaovana azy ireo izy mba hamafy ny vaovao sy hanampy ny mediam-pirenena ary ireo olom-pirenena hihazona ireo mpiasam-panjakana ho tomponandraikitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.