Manely Lahatsary ‘Hiram-Pitiavana’ Clinton-Trump Tsy Fanta-Piaviana Ny Manampahefana Shinoa

Screen capture from a spoofed love song video.

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin-kiram-pitiavana natao dika vilana mampihomehy.

Nitakoritsika momba ny andianà lahatsary dika vilana vaovao izay manasongadina ny lahatsary namboarina avy amin'ny adihevitry ny filoham-pirenena Amerikana ny 9 Oktobra teo ny mpisera Shinoa. Mampiseho an'i Clinton sy Trump ho mpifankatia, samy mihira hiram-pitiavana ho an'ny iray ny lahatsary.

Kanefa tsy lahatsary fanaon'ny ampahan'ny tanora mandany fotoana lava ho amin'ny fanaovana izany izy ity. Niara-nampiroborobo ny lahatsary ny sehatra famoaham-baovao sy ny kaonty media sosialy an'ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa sy ny governemanta. Nanao izay tsara indrindra azony natao ireo manampahefanan'ny propagandy mba hifantohana amin'ireo zava-tsy mitombina amin'ny fifaninanan'i Hillary Clinton sy Donald Trump rehefa fantany fa tsy afaka manakana ny olona tamin'ny fanarahana ny vaovao izy ireo.

Nahasarika ekeko mihoatra ny 40.000, zara 15.000 sy fanehoan-kevitra 13.000 ny adihevitra voalohany, izay nalefa mivantana tao amin'ny tranonkalan'ny media sosialy Shinoa malaza Sina Weibo, ary nisy mpitsidika mihoatra ny 7,38 tapitrisa ny pejin'ny tenirohy #USPresidentialDebateOnTV (Adihevitry ny Filoha Amerikana Ao amin'ny fahitalavitra) tao amin'ny Weibo. Toa efa voasivana ny tenirohin'ny adihevitra ofisialy na dia nahasarika fahalianana maro tahaka izany ihany koa aza ny adihevitra ho filoham-pirenena faharoa .

Misy dikan-teny maro isan-karazany ny lahatsary izay mivezivezy ao Shina, ary efa nalefa ao amin'ny YouTube ny sasany tamin'izany. Iray amin'izany ity manaraka ity;

Mitarika ho amin'ny lahatsoratra  an'arivony momba ireo lahatsari-mozika mampihomehy ny fikarohana ny “Trump”, “Hillary” ary eny fa na dia ” ny adihevitry ny filoham-pirenena Amerikana ” amin'ny teny Shinoa tao amin'ny media sosialy aza. Nozarain'ny Sekoly Foiben'ny Ligin'ny Tanora Komonista Shinoa (共青团 中央 学校 部), ny tambajotra fahitalavi-panjakana CCTV TV (央视 网), ny Tambajotran'ny Tanora ao Shina  (中国 青年 网), ny Vaomieran'ny Ligin'ny gazetin'ny Tanora Komonista Beijing Mivoaka Isan-Kerinandro (北京 青年 周刊), ary ny sehatra famoaham-baovao maro hafa toy ny Gazetim-Barotra Mivoaka Isan'Andro Chengdu (成都 商报) ary ny Mpiantso Maraina Xiaoxiang Morning Herald (潇湘 晨报) izany.

Mivaky toy izao ny hafatra mipaingotra amin'ny lahatsari-mozika avy amin'ny Tambajotran'ny Tanora ao Shina taorian'ny adihevitra :

【毫无违和感!请欣赏川普和希拉里情歌对唱】今天美国总统大选第二场电视辩论结束,有才的网友将川普和希拉里的激辩现场做了一组情歌对唱图……现实中的美国大选比《纸牌屋》更离奇。作为“吃瓜群众”,不妨看看热闹罢了。

Tsy mirindra mihitsy sy mifanohitra amin'ny zava-misy! Henoy ny hiram-pitiavana hirain'i Trump sy Hillary: efa tapitra androany ny adihevitra faharoa ho filoham-pirenen'i Etazonia. Namorona hiram-pitiavana ny mpisera manan-talenta  … hafahafa kokoa noho ny [andian-tantara Amerikana] “House of Cards” ny tena zava-misy tamin'ny adihevitry ny filoham-pirenena Amerikana. Ho an'ny “vahoaka mpihinam-boatavo ,” nahoana no tsy hanatevin-daharana ny vahoaka ary manao topi-maso [amin'ny hiram-pitiavana].

Midika ihany koa hoe adala ny teny Shinoa hoe voatavo. Milaza ireo olona tia mikiadaladala sy tsy mahalala ny marina ny “vahoaka mpihinam-boatavo” .

Manao izay hisarihana amin'ny dinika an-tserasera

Mampiseho fiovan-tetika ao amin'ireo manampahefana Shinoa ilay lahatsary. Na dia teo aza ny tsy fahaizana ny teny, dia an'arivony ireo mpisera Shinoa no mbola nijery mivantana ny adihevitra voalohany tamin'ny 26  Septambra ireo kandida amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Anisan'ny resaka an-tserasera tafiditra ireo tsikera tena malemy fanahy momba ny rafitra ara-politika Shinoa, ahitana fanesoana ny sasany amin'izany, toy ny:

民主国家就是烦,每天浪费时间在这些没用的事情上,还是钦定的好

Feno fikorontanana ny firenena demaokratika, mandany fotoana be dia be amin'ny olana tsy misy dikany , tsara kokoa ny rafitra fanendrena.

领导人掐架不值得羡慕,羡慕的是后来未能当选的那个不会被弄死

Tsy tokony hialona isika mahita ireo mpitarika mifamely, inona no hampialona antsika rehefa vita ny fifanafihana rehetra ka mbola velona ihany ireo resy.

看人思己,一国首脑执政理念公之于众,接受别人的质询。

Mijery ny hafa sy misaintsaina ny tenantsika. Maneho ny fomba fijeriny amin'ny vahoaka sy mamaly ny tsikera ireo mpitarika ny firenena .

Fa ho an'ny Antoko Komonista Shinoa,  seho iray manokana amin'ny tsy fahombiazan'ny rafitra demokratika tandrefana ny fifidianana ho filoham-pirenena Amerikana, ary ny tantara manafintohina tsy misy farany manodidina ireo kandidà roa lehibe no porofo fa tsy manan-jo hampianatra ny hafa amin'ny fitsipika demaokratika i Etazonia.

Na izany aza, tsy misy ny toerana hiadian-kevitra mikasika ny rafitra ao an-toerana — na dia resaka kely fotsiny momba ny maodelim-pitantanana Shinoa izay mety hitarika adihevitra manohitra ny tsipika ofisialy aza.

Raha sarim-pihetsehampo mihomehy ny fanehoan-kevitra maro amin'ny lahatsary, tsy hainay ny tsy hihomehy amin'ny zavamisy fa entina toy ny “vahoaka mpihinam-boatavo ” ny olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.