- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tarika Tovolahy, Rindran-Dihy ary ny “Lehilahy, Hono, Ka Hoe” ao Azia Afovoany

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Ozbekistan, Tajikistan, Tiorkmenistana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
Members of the Kazakh K-pop boyband 91 Ninety One. Official photo taken from group website.

Mpikambana ao amin'ny tarika tovolahy Kazakh K-pop Ninety One (91). Sary ofisialy nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny vondrona.

Tsy ankasitrahana ao Aktobe, faritany sahirana ara-toekarena ao andrefana manankarena solitany any Kazakhstan ireo bandy boay manao kavina, makiazy sy ny volo miloko.

Notsongaina [1] tamin'ny tatitra vao haingana tao amin'ny Tengri News ao Kazakhstan izany araka ny lazain'ny milaza tena ho solontenan'ny “sangany ara-pahaiza-mamorona ao Aktobe” tsy voalaza anarana :

Мы представители творческой интеллигенции Актобе, от имени молодежи хотим высказать свое мнение о группе Ninety One. Потому что скоро в нашем городе намечаются гастроли этой группы. Они носят гордое название 91 – это год принятия независимости нашей страны. Мы против этого. Нам не нужна эта группа, где вокалисты красят волосы, носят серьги в ушах. Мы против их выступлений на площадке нашего города, мы не считаем их народной группой. Никогда такого не было в истории и традициях казахского народа. Молодежь говорит, что не пустят их к выступлениям. Мы не хотим волнений. Поэтому хотелось бы заранее предупредить о возможном исходе данного мероприятия.

Сейчас идет активная реализация билетов на концерт среди учащихся средних школ, колледжей и так далее. Мы прошлись по учреждениям, как могли объяснили. Мы категорически против их приезда, пусть к нам не приезжают. Мы за народные традиции, где мужчина остается мужчиной, а женщина – женщиной. Мужчина в нашем понятии не может красить волосы, одевать серьги. Мы чтим и уважаем традиции народа, мы все против их гастролей, нам и нашему городу это не нужно.

Izahay, solontenan'ny sangany ara-pahaiza-mamorona eto Aktobe, amin'ny anaran'ny tanora [eto Aktobe] dia te-haneho ny hevitray momba ny tarika Ninety One, satria mikasa hitsidika ny tanànanay tsy ho ela ity tarika ity. Mitondra ny anarana fireharehana 91 – taona nandraisana ny fahaleovantenan'ny firenenay. Manohitra izany izahay. Tsy mila ity tarika ity izahay, izay mandoko volo sy manao kavina ireo mpihira.

Manohitra ny fampisehoan'izy ireo ao an-tanànanay izahay, ary tsy mandray azy ireo ho toy ny tarika avy amin'ny firenena. Tsy mbola nisy ny zavatra nitranga tahaka izany teo amin'ny tantara sy ny fomba amam-panaon'ny olona Kazakh. Nilaza ny tanora fa tsy hamela azy ireo hanao fampisehoana izy ireo. Tsy mila korontana izahay. Noho izany, tiako ny mampitandrina mialoha mikasika izay mety ho vokatr'ity fampisehoana ity.

Amidy eny anivon'ny sekoly, kolejy sy ny sisa amin'izao fotoana izao ny tapakila. Nandeha teny amin'ireny toerana ireny izahay ary niezaka nanazava araka izay azonay atao. Manohitra tsotra izao ny fahatongavan'ny [tarika] izahay. Tsy tokony ho avy eto izy ireo. Manohana ny fomba amam-panao ny firenena izahay, izay mijanona lehilahy ny lehilahy, ary vehivavy ny vehivavy. Tsy tokony handoko volo na manao kavina ny lehilahy araka ny fombanay. Manome voninahitra sy manaja ny fomba amam-panaon'ny vahoaka izahay.

Ny Ninety One dia tarika tovolahy avy ao amin'ny tanàna kosmopolitana lehibe indrindra ao Almaty, izay mandray an'i Kazakhstan amin'izao fotoana izao amin'ny alalan'ny tadio. Makamaka tahaka ny K-Pop, na pop Koreana ny fomban'izy ireo, saingy mihira amin'ny fitenim-pirenena Kazakh izy ireo. Manana sata masina manokana ho an'ny nasionalista Kazakh ny [teny] Kazakh noho ny zava-misy mametraka ny teny Rosiana ho teny iombonana ao Kazakhstan, mihoatra noho ny hafa rehetra ao Azia Afovoany.

Araka ny nomarihan'ny mpandray fitenenana nandritra fivoriana tamin'ny 29 Septambra izay natao hanoherana ny fahatongavan'ny tarika ao Aktobe, tsy mahazatra an'i Kazakhstan ny vatan'izy ireo (metrosexuel). Mihantsy ny hevitra nentim-paharazana momba ny lahy sy vavy ao Kazakhstan izay nolovaina tamin'ny Silamo sy ny mpifindrafindra monina talohan'ny vanim-potoana Sovietika, sy nandritra ny fitopolo taona mahery niainan'ny firenena teo ambanin'ny Komonisma ny lazan'izy ireo — indrindra eo amin'ny tovovavy sy ny vehivavy.

Raha misy ny korontana amin'ny fampisehoan'izy ireo ao Aktobe, dia tsy vao voalohany izany no nitranga ao amin'ny faritra.

Tamin'ny 2014, nokorontanin'ny andrimasom-bondrona iray ny fampisehoana tao Kyrgyzstan mpifanolo-bodirindrina nataon'ny tarika tovolahy Okrainiana malaza iray antsoina hoe Kazaky noho ny fahitan'izy ireo ny dihin'ny tarika ho toy ny ‘midera ny fiarahan'ny pelaka’.

Inona ny dikan'ny hoe lehilahy mpanao rindran-dihy ao Kyrgyzstan?

Tamin'ny 5 Oktobra, namoaka [2] lahatsary mahavariana sy lahatsoratra mampahafantatra ireo lehilahy mpanao rindran-dihy ao Kyrgystan ny vavahadin-tserasera media Kyrgyz Kloop.kg, izay mpianatra any an-tsekoly sy mpianatry ny oniversite avokoa ny ankamaroan'ny mpitati-baovao ao aminy.

Noho ny taona maro niainana teo ambanin'ny imperialisma Rosiana sy ny zioga Sovietika no mbola mampalaza ny rindran-dihy hatramin'izao ao amin'ny firenena, saingy nitohy nandritra ny fahaleovantena ny fialam-boly ary avy amin'ny foko Kyrgyz, fa tsy Rosiana, ireo mpanakanto natao antsafa tamin'ny tatitra tao amin'ny Kloop.

Na izany aza, miatrika karama kely, fepetra ratsy sy fitsarana an-tendrony ireo mpanakanto mpandihy lehilahy ao Kyrgyzstan satria natao ho an'ny vehivavy sy ny pelaka hono izany.

Nahatsiaro toa voatery hamoaka fanamarihana fankahalana pelaka mihitsy aza ny iray tamin'ireo mpanao rindrandihy natao antsafa raha niresaka izany fitsarana an-tendrony izany.

В детстве, когда мне предложили балет, я отказался. Сказал: «Я не гей, в колготках танцевать». Но потом все же потянуло в балет. На самом деле, мы обычные парни, иногда ходим в спортивных костюмах, курим и обсуждаем девчонок. Нет у нас в театре ни одного гея, мы мужики-мужиками.

Tamin'ny fahazazana, nandà aho raha nandefa ahy hianatra dihy [ny fianakaviako], Nilaza aho hoe: “Tsy pelaka mandihy mifandrairayaho.” Saingy voasariky ny rindrandihy aho. Tena lehilahy tsotra izahay. Indraindray izahay hitanareo amin'ny fitafiana fanatanjahan-tena, mifoka sigara sy miresaka tovovavy. Misy pelaka iray miaraka aminay ao amin'ny teatira. Lehilahy eo amin'ny samy lehilahy izahay.