Mampiasa Twitter amin'ny fomba maro ireo Afrikana, toy ireo olona rehetra manerantany. Indraindray io natao hihomehezany kely [2]. Indraindray natao hitadiavana marimaritra iraisana eo amin'ireo firenena sy ny kolontsaina. Indraindray izy roa mitambatra.
Ohatra, nanomboka ny tenifototra #100AfricanMyths [3] (AnganoAfrikana) i @IGtiz [4], Keniàna mpianatra, mba hizaràna ireo angano izay nifindrafindra tamin'ireo taranaka nifanesy tany amin'ireo firenena Afrikana, lovan-tsofina no ankamaroany.
Natao ho an'ireo filàna ara-tsosialy sy koltoraly ireo angano any Afrika. Ireo ray aman-dreny ohatra, mampiasa ireo angano mba hanaraha-maso ireo zanany tanora.
Ito ny sombiny amin'ireo angano Afrikana sasany mahatsikaiky indrindra
Nibitsika i Faith Mulungi, mpanentana ao amin'ny radio Ogandey:
When your palms itch,you will receive money#100AfricanMyths [3]
— Faith Liam Mulungi (@Omulungi_Hawt) September 27, 2016 [5]
Rehefa mangidihidy ny fela-tànanao, handray vola ianao izay#100AfricanMyths [3]
Nanazava angano iray fampiasa izay lasa nalaza tany an-tsekoly nampiasàna ny tsorakazo i @PatohShanqueels :
#100AfricanMyths [3] putting Onions under your armpits made you faint when the teacher beat you 😂😂😂😂😂😂
— Soldier ↪ (@PatohShanqueels) September 27, 2016 [6]
#100AfricanMyths [3] mahatorana anao ny manisy Tongolobe ambany helika rehefa kapohan'ny mpampianatra ianao 😂😂😂😂😂😂
Aza tapahana amin'ny alina ny hohonao, hoy i @xolelwandengane avy any Afrika Atsimo:
U can't cut ur nails at night, coz the witches will come and pick them #100AfricanMyths [3]
— Amanda black 🌹 (@xolelwandengane) September 27, 2016 [7]
Tsy afaka manapaka hoho amin'ny alina ianao, satria ho tonga haka azy ireny ireo mpamosavy #100AfricanMyths [3]
Nanampy ity iray ity tao anatin'ireo karazany ireo i Flo Letoaba, mpampiantrano resadresaka aminà radio Afrikàna Tatsimo :
If you eat out of a pot while cooking, you won't get married #100AfricanMyths [3]
— Flo Letoaba (@florenceletoaba) September 27, 2016 [8]
Raha mihinana anaty vilany ianao mandritra ny fahandroana sakafo, tsy hahazo vady ianao #100AfricanMyths [3]
Mety ho mampidi-doza ny misioka amin'ny alina — araka ny voalaza:
#100AfricanMyths [3] If you whistle at night, a snake will visit your room
— The Usual Suspect (@Jude_Mugabi) September 27, 2016 [9]
#100AfricanMyths [3] Raha misioka amin'ny alina ianao, hisy bibilava hitsidika ny efitrao
Ampianarina tsy hihomehy an'ireo olona sembana ireo ankizy, araka an'i @NaughtyMilz any Ogandà:
If you laugh at a lame person you would give birth to a lame child…. #100Africanmyths [10]
— ռɨʟօtɨċ (@NaughtyMilz) September 27, 2016 [11]
Raha mihomehy olona kely ila ianao, hiteraka zaza kely ila ianao…#100Africanmyths [10]
Mpitondra hafatry ny fahafatesana ny vorondolo, hoy i @iGitz_:
If an owl screechs near your house, someone is gonna die. #100AfricanMyths [3]
— African President👑 (@iGitz_) September 27, 2016 [12]
Raha mandehandeha eo akaikin'ny tranonao ny vorondolo, hisy olona ho faty izany. #100AfricanMyths [3]
Aza fafàna hiala lavitry ny tranonao ny vintana, hoy i Vinnie avy any Kenya nampitandrina:
Never sweep dirt from your house at night, that is like throwing away luck from your home #100AfricanMyths [3]
— Vinnie (@vinny_wa) September 27, 2016 [13]
Aza mamafa trano amin'ny alina, fa toy ny manary ny vintana hiala ao an-trano #100AfricanMyths [3]
Nampiasaina ihany koa ireo angano mba hifantoka tsara ireo ankizy any an-dakilasy:
#100AfricanMyths [3]
Sitting in the front row at school will guarantee you a pass— Tumi Sole (@tumisole) September 27, 2016 [14]
#100AfricanMyths [3]
Mahatonga anao hifindra kilasy ny fipetrahana eny amin'ny laharana voalohany any an-tsekoly
Na avy any amin'ireo faritra maron'i Afrika aza ireo angano ireo, Dickens Jnr, Afrikana Amerikana ao amin'ny fanjakana Amerikanan'i Michigan, nilaza fa efa naheno ireo rehetra ireo izy:
Relating to most of the #100AfricanMyths [3] tweets is just 😂. I swear I have heard almost each one Of them.
— Dickens jr (@iickens) September 27, 2016 [15]
Marina ny mifandray amin'ny ankamaroan'ireo bitsika #100AfricanMyths [3] 😂 . Mianiana aho fa saika efa reko daholo ny tsirairay tamin'izy ireo.