Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

‘Rehefa Mangidihidy ny Fela-tànanao, Handray Vola Izany Ianao’, ary Ireo Angano Afrikàna Hafa

Three legged pots commonly used in Botswana. If a young woman eats out of them, she will not get married. Creative Commons image by Rach151.

Vilany misy tongony telo fampiasa matetika any Botsoanà. Raha mihinana ao anaty vilany ny tovovavy, mety tsy hahazo vady izy. Sary misy fahazoandàlana Creative Commons avy tamin'i Rach151.

Mampiasa Twitter amin'ny fomba maro ireo Afrikana, toy ireo olona rehetra manerantany. Indraindray io natao hihomehezany kely. Indraindray natao hitadiavana marimaritra iraisana eo amin'ireo firenena sy ny kolontsaina. Indraindray izy roa mitambatra.

Ohatra, nanomboka ny tenifototra #100AfricanMyths (AnganoAfrikana) i @IGtiz, Keniàna mpianatra, mba hizaràna ireo angano izay nifindrafindra tamin'ireo taranaka nifanesy tany amin'ireo firenena Afrikana, lovan-tsofina no ankamaroany.

Natao ho an'ireo filàna ara-tsosialy sy koltoraly ireo angano any Afrika. Ireo ray aman-dreny ohatra, mampiasa ireo angano mba hanaraha-maso ireo zanany tanora.

Ito ny sombiny amin'ireo angano Afrikana sasany mahatsikaiky indrindra

Nibitsika i Faith Mulungi, mpanentana ao amin'ny radio Ogandey:

Rehefa mangidihidy ny fela-tànanao, handray vola ianao izay#100AfricanMyths

Nanazava angano iray fampiasa izay lasa nalaza tany an-tsekoly nampiasàna ny tsorakazo i @PatohShanqueels :

#100AfricanMyths mahatorana anao ny manisy Tongolobe ambany helika rehefa kapohan'ny mpampianatra ianao 😂😂😂😂😂😂

Aza tapahana amin'ny alina ny hohonao, hoy i @xolelwandengane avy any Afrika Atsimo:

Tsy afaka manapaka hoho amin'ny alina ianao, satria ho tonga haka azy ireny ireo mpamosavy #100AfricanMyths

Nanampy ity iray ity tao anatin'ireo karazany ireo i Flo Letoaba, mpampiantrano resadresaka aminà radio Afrikàna Tatsimo :

Raha mihinana anaty vilany ianao mandritra ny fahandroana sakafo, tsy hahazo vady ianao #100AfricanMyths

Mety ho mampidi-doza ny misioka amin'ny alina — araka ny voalaza:

#100AfricanMyths Raha misioka amin'ny alina ianao, hisy bibilava hitsidika ny efitrao

Ampianarina tsy hihomehy an'ireo olona sembana ireo ankizy, araka an'i @NaughtyMilz any Ogandà:

Raha mihomehy olona kely ila ianao, hiteraka zaza kely ila ianao…#100Africanmyths

Mpitondra hafatry ny fahafatesana ny vorondolo, hoy i @iGitz_:

Raha mandehandeha eo akaikin'ny tranonao ny vorondolo, hisy olona ho faty izany. #100AfricanMyths

Aza fafàna hiala lavitry ny tranonao ny vintana, hoy i Vinnie avy any Kenya nampitandrina:

Aza mamafa trano amin'ny alina, fa toy ny manary ny vintana hiala ao an-trano #100AfricanMyths

Nampiasaina ihany koa ireo angano mba hifantoka tsara ireo ankizy any an-dakilasy:

#100AfricanMyths
Mahatonga anao hifindra kilasy ny fipetrahana eny amin'ny laharana voalohany any an-tsekoly

Na avy any amin'ireo faritra maron'i Afrika aza ireo angano ireo, Dickens Jnr, Afrikana Amerikana ao amin'ny fanjakana Amerikanan'i Michigan, nilaza fa efa naheno ireo rehetra ireo izy:

Marina ny mifandray amin'ny ankamaroan'ireo bitsika #100AfricanMyths 😂 . Mianiana aho fa saika efa reko daholo ny tsirairay tamin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.