Zavatra 9 Itiavana an'i Afghanistan

Kilonga Afghan mirary hahazo fandriampahalemana. Saripikan'i Najeeb Azad.

Ity tsanganana ity dia voatra nahitsy amin'ny tsanganana iray nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny mpanoratra, A New Stone of Hope.

Any ivelan'ilay firenena, miteraka tahotra avy hatrany amin'ny maro izay mandre azy ny anarana Afghanistan, rehefa faingana amin'ny fampiarahana azy amin'ny hetsika taliban, izay nitondra ny firenena ny taona 1996 ka hatramin'ny taona 2001 ary mbola miezaka ny handrombaka hatrany ny fahefana amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana ny hafa.

Ankoatra ny politika, mitoetra ho fakana aingam-panahy sy fikirizana ho an'ireo olompirenena ao aminy nandalo fisedrana maro i Afghanistan noho ny antony maro.

Ka noho izany, alohan'ny hamoahana ny fanontaniana mateti-pitranga indrindra te-hamantatra ny antony mahatonga ny Afghans maro te-handao ny tanindrazany, dia angamba tsara kokoa ny manontany tena hoe maninona no maro dia maro no nisafidy ny hijanona ao an-tanindrazany ?

1. Iray amin'ny firenena anisan'ny tanora indrindra ary reharehany ny zanany

Afghanistan no firenena fahadimy tanora indrindra eto ambonin'ny tany : latsaky ny 25 taona ny 68 isanjaton'ny mponina ao aminy. Sady mety ahitana tombontsoa no mety hampanahy izany fipongapongaran'ny isan'ny mponina izany. Te-hiroso bebe kokoa amin'ny fampandrosoana ny fireneny ny tanora ary anjaran'ny taranaka nahazo taona kokoa no manome alalana amin'ny fanaovana izany.

Raha misy ny fanantenana, hiforona ny zavatra azo araraotina ahafahan'ny tanora manompo ny tanindrazany an-dalampandrosoana rotiky ny ady, fa tsy ny firenena efa mandroso.

Indrisy, noho ny tsy fahaizan'ny governemanta fampiraisam-pirenena mitantana, ambony dia ambony ny tahan'ny tsy fananana asa, toy izany ihany koa ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly ary ny herisetra.

Na dia mianjady amin'ny tanora aza ny fampilendalendan'ny vondrona mahery fihetsika ho ao aminy, ny zavamahadomelina sy ny fahantrana, dia mbola mitoetra ho ny tanora ihany no otrika lehibe indrindra mbola tsy voatrandraka ao Afghanistan sy hany tokana fanantenany ho amin'ny hoavy tsaratsara kokoa.

2. Firenena iray manana ny fimaroana amin'ny lafiny rehetra

Na dia kelikely ihany aza ny velarantanin'i Afghanistan, dia ahitana karazan-javatra maro dia maro ao aminy ao :

  1. Vakoka ara-kolontsaina : tapaporohan'ny fanjakana Ghaznévida tao Ghazni (renivohitry ny tontolo islamika fahiny) sy ny fanjakan'ny Kouchan ao Bamiyan (izay lasa  renivohitra ara-kolontsain'ny Fikambanana Fiarahamiasam-paritra Aziatika Atsimo tamin'ny taona 2015)
  2. Ny fiteny : Shughni ka hatramin'ny Brahoui
  3. Ny fitenim-paritra : sha amin'ny teny pashtou avy ao Kandahar  (‘tsara’) ka hatramin'ny kha amin'ny fitenim-paritr'i Nangarhâr
  4. Ny sakafo : avy amin'ny Qabuli ozbeka ka hatramin'nyHazaragi Wogray Ajay
  5. Fianjaika : hatramin'ny fianjaika lava ozbeka ka hatramin'ny fianjaika maoderin'i Kabul
  6. Zavamaneno : ny Dambura ka hatramin'ny Rubab
  7. Dihy : misy ny Atan ka hatramin'ny au Qarsak
  8. Lalao nasionaly: misy ny Buzkashi ka hatramin'ny toup-dunda ;
  9. Biby : ny leopardan-dranomandry ka hatramin'ny ondrin'i Marco Polo ary ny yak (karazan'aomby)
  10. Zavamaniry : Ahitana vahatra dia ka hatramin'ny [karazan-javamaniry goavana mamony misary elo]. Mihoatra ny 3000 ny karazan-javamaniry ao Afghanistan, ka misy an-jatony ny karazan-kazo, kirihitra, zavamaniry mandady ka hatramin'ny voninkazo sy holatra mametraka an'i Afghanistan ho toerana manankarena kokoa noho i Eoropa iray manontolo eo amin'ny karazan-javamaniry.

Nohararaotin'ny politisiana sy ireo hery hafa any ivelany anefa ny taompolo maro nisian'ny ady hanararaotana hitrandrahana ireo fimaroan-karazana misy eo amin'ny firenena ireo amin'ny alalan'ny fandranitana ny fifandirana eo amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa. Saingy mbola mitoetra ho ivon'ny vako-pîrenen'i Afghanistan ny fimaroana sy aingam-panahy ho an'ny maro amin'ny mponina.

3. Fomba fandraisan'olona tsy hita any an-toeran-kafa

Tia mandray olona ara-toetra ny Afghan ary manome sakafo vitany an-tranony ho an'ny vahiny. Izany fihetsika izany no fototry ny ohabolana “nan wa piyaz, qash waz”, midika hoe “mofo sy  tongolo dia efa sakafo, rehefa falifaly.”

4. Fitiavan-tanindrazana goavana, na dia eo aza ny fisaratsarahana

Tia tanindrazana ny Afghan, ary maro dia maro ny tantaran'ny ady ho amin'ny fahaleovantena manoloana ny fananiham-bohitra vahiny.

Voatosiky ny Afghan avokoa na ny Britanika na ny Sovietika te-hametraka ny firenena ho eo ambany tongony.

Na dia manana anjara toerana amin'ireo fikomiana iadiana tamin'ny mpanani-bohitra tao Afghanistan aza ny firenena vahiny, dia tsy ho nahavitana na inona na inona izany raha tsy nisy ny fifikiran'ny Afghan mafy dia mafy amin'ny taniny sy ny hetahetam-pahaleovantenany.

Ankehitriny miha-mivondrona manohitra ny asam-pampihorohoroana ratsy indrindra eto ambonin'ny tany, izay nanori-ponenana ao an-tanindrazan-dry zareo ny Afghans.

Ny lazaina ho Revolisiona Tabassum, ohatra, dia hetsika ara-tsosialy iray nipoaka taorian'ny fanapahan-doha zazavavy 9 taona nataon'ny mpampihorohoro izay miharihary ny fiarahany amin'ny vondrona radikaly ISIS izay mavitrika ao amin'ny faritanin'i Zabul.

Mbola milalao amin'ny fampisarasarahana hanjakazakana an'i Afghanistan hatrany ireo hery vahiny, saingy efa manaka-peo amin'ny fitomboan'ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana ny fiarahamonim-pirenena miha-mahazo toky, indrindra fa ireo avy ao an-drenivohitra.

Izany indray izao ny tolom-pitiavan-tanindrazana vaovao, izay miteraka haika na ho an'ny governemanta tsy mahavoa raha na ho an'ny Talibans.

5. Mihamiseho kokoa ny vehivavy

Tamin'ny fanadihadiana navoakan'ny Orina Mpanasoa Thomas Reuters, tamin'ny taona 2011, dia voatondro ho toerana mampidi-doza indrindra ho an'ny vehivavy i Afghanistan noho ny taha avon'ny fahafatesana, tsy fahampian'isan'ny dokotera sy ny tsy fisian'ny zo ara-toekarena.

Nisy ihany, na izany aza fivoarana teo amin'ny sehatry ny miralenta, hatramin'ny nanonganana ny Taliban, izay nandrara ny vehivavy tsy hiasa ivelan'ny tokantranony, namefy azy ireo tsy handeha lavitra raha vao tsy miaraka amin'ny lehilahy ary ny tsy maintsy hanaovan'ny vehivavy andavanandro ny burqa.

Voatonona ny miralenta tao amin'ny lalampanorenana Afghan, tamin'ny taona 2004, ao amin'ny andininy faha-22, izay mametraka fa: “Voarara ny karazam-panavakavahana sy fanomezana tombondahiny eo amin'ny samy olom-pirenen'i Afghanistan. Manana zo sy andraikitra mitovy eo anatrehan'ny lalàna ny olom-pirenen'i Afghanistan – na lahy izy na vavy – ”

Nivoatra ny toe-javatra amin'ny fisian'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta, sy any amin'ny fanamoriana taxi koa indraindray. Saingy mbola lavitra ny lalana mandra-pahatonga any amin'ny fahafaha-miantoka ny zo fototr'izy ireo.

6. Fiainana tsotra

Miaina amin'ny fomba tsotra araka izay tratrany ny Afghans.

Matetika no miara-monina amin'ny trano iray tokan'efitra ny fianakaviana Afghan iray manontolo, tsy tahaka ny any Andrefana izay manana ny efitranony manokana tsirairay ny rehetra, ary amin'ny fotoana fiaraha-misakafo ihany vao tafavory amin'ny toerana iray ny fianakaviana.

Ny fahatsorana eo amin'ny Afghans dia tonga hatrany amin'ny fipetrahana fe mikasi-tany fa tsy amin'ny seza sy ny fatoriana ambony kidoro amin'ny tany fa tsy ambony fandriana.

Nanampy ny Afghans hiavo-tena tamin'ny fahasarotana nozakain-dry zareo nandritra ny taona maro ny tsy firaharahiana rendrarendra, ary ny fiainana tsotra no tian'ny maro kokoa na dia manan-kohariana aza ry zareo.

Toerana masina ny trano tsotra ho an'ny Afghans. Rehefa mivoaka ny tokonam-baravarana vao tena manomboka ny olana.

7. Fandefasana ny kilonga any an-tsekoly

Tamin'ny taona 2001, tsy nisy zazavavy nanatrika sekoly tao Afghanistan amin'ny fomba ofisialy, ary iray tapitrisa monja ny zazalahy no nandeha any an-tsekoly.

Araka ny Banky Mondialy, dia mitotaly hatramin'ny 7,8 tapitrisa ny isan'ny ankizy any an-tsekoly tamin'ny taona 2012, ary zazavavy ny 2,9 tapitrisa amin'izany. Taranaka Afghan vaovao mazoto miasa sy tia karokaroka ara-pahaizana ihany no afa-mampandroso marina ny firenena sy mizotra mankany amin'ny fahavitan-tena.

8. Nan, nan ary nan hatrany

Tian'ny Afghans fatratra ny nan, izay raha lazaina tsy misy fitongilanana kosa, dia iray amin'ny endrika mofo matsiro indrindra eto ambonin'ny tany. Misy nahandro malaza iray antsoina hoe Shorba matetika no mampihinana nan amin'ny nan; asoka ao anaty ro ny nan notapatapahina ary dia hanina miaraka amin'ny nan maina.

Matetika no milaza ho manina amin'ny fihinanana nan ireo Afghans monina ivelan'ny fireneny, ka milaza fa mamparary nify an-dry zareo ny mofo malemy voatapatapaka manify raha ampitahaina amin'ity foto-tsakafo ankafizin-dry zareo fatratra ity !

9. Voankazo mamy maro sy harena an-kibon'ny tany miavaka

Mihoatra ny 80%-n'ny mponina no miankina amin'ny fambolena hivelomana. Manankarena volamena, varahina ary harena ankibon'ny tany hafa ihany koa ny firenena. Saingy vitsy ny manao fihariana amin'ireo noho ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ao Afghanistan. Araka ny fanadihadiana iray, dia manodidina ny telo arivo miliara dolara amerikana any ho any ny sandan'ny akora mineralin'io firennena io.

Mora hita eny amin'ny bazary mameno ny firenena ireo otrikarena voajanaharin'ny firenena ireo . Ny faritanin'i Kandahar ao Afghanistan no mamokatra ampongabendanitra mamy indrindra eto amin'izao tontolo izao, Bamyan manana ny ovy, ary i Kunduz indray no malaza voatavo tsy mampino ny tsirony ao amin'ny faritra. Raha ho amin'ny voankazo fotsiny dia mendrika tsidihana i Afghanistan !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.