- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakaton'ny Manampahefana Etiopiana Ny Tolotra Aterineto Finday sy ny Tranonkala Media Sosialy Lehibe

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Photo published on EthioTube page titled "Pictures from Oromo Protest - Winter 2015". No attribution or further context appears on the site.

Sary navoaka tao amin'ny pejy EthioTube mitondra ny lohateny hoe “Sary Avy Amin'ny Hetsika Oromo – Ririnina 2015″. Tsy misy fanazavana fanampiny mipoitra ao amin'ny tranonkala.

Nakatona avokoa ny tolotra aterineto finday rehetra tao Ethiopia nandritra ny fito andro farany, izay mbola ao anatin'ny hetsi-panoherana miha-mahery setra ary nisy ny fanambarana vao haingana ny “firenena ho latsaka an-katerena”. [1]

Mitranga matetika ara-potoana ny fihetsiketsehana ao amin'ny faritra Oromia [2] ao Ethiopia nanomboka ny Novambra 2015, ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky fizakan-tena, fahalalahana sy fanajana ny fokon'ny vahoaka Oromo bebe kokoa, izay niaina fanilikilihana sy fanenjehana hatrany nandritra ny 25 taona farany. Imbetsaka nampiasa hery mahafaty [3]tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny manampahefana. Tamin'ny 2 Oktobra fotsiny ohatra, olona 52 no namoy ny ainy [4] [mg]. Nitatitra kosa ny Kongresy Federalista Oromo (OFC), antokon'ny mpanohitra fa 600 ny isan'ny olona namoy ny ainy [5].

Raha tsindraindray ny nakatonana ny media sosialy sasany sy ny sehatra fandefasan-kafatra toy ny WhatsApp rehefa mihamafy ny hetsi-panoherana ao Addis Ababa, renivohitra, dia ity no fanakatonana tolotra aterineto finday lava indrindra hatramin'ny nanambohan'izy ireo.

Nampanahy ireo mitsongo dia ny hetsika ao amin'ny Facebook sy ny Twitter ny fahanginan'ny hetsi-panoherana tampoka tao amin'ny media sosialy.

Aterineto finday, media sosialy notapahana nandritra ny 7 andro mahery tao amin'ny “renivohitra Afrikanina” #AddisAbaba [6]. Nilaza ny fanjakana fa hiverina ny tolotra “rehefa hita fa azo antoka”…

Mety hitarika fihenan'ny vaovao antserasera momba ny fihetsiketsehana koa ny fanakatonana ny aterineto finday. Manahy ireo mpikatroka fa hosarahana amin'ny fitaovam-pifandraisan'izy ireo voalohany ny hetsi-panoherana, izay efa niantehitra tamin'ny media sosialy na teo amin'ny fandrindrana na teo amin'ny fanapariahana ny hafatr'izy ireo ho an'ny mpihaino iraisampirenena. Na dia eo aza ny taha ambany amin'ny fidirana amin'ny aterineto ao Ethiopia, dia lasa manan-danja – indrindra indrindra ho an'ny hetsi-panoherana ao amin'ny fanjakam-paritra Oromia sy Amhara ny media sosialy. Tsy mampiseho fahabetsaham-baovao tahaka ny tamin'ny herinandro lasa ny vaovao alefa ao amin'ny pejy Facebook sy Twitter avy ao Ethiopia.

Nahoana i Ethiopia no manampim-bava ny Facebook. Amin'izao fanjakana latsaka an-katerena ankehitriny izao, mety hisy ny fanakatonana sy fanarahamaso bebe kokoa ny aterineto .

Notapahan'ny governemanta ny fifandraisana ary nakatona ny media sosialy tao amin'ny faritra Oromia sy Amhara tao anatin'izay 12 volana izay. Tamin'ny volana Jiona, nakaton'izy ireo ny media sosialy ho fisorohana ny fivoahan'ny fanadinana an-tsokosoko, saingy tsy mazava ankehitriny raha nakaton'ny governemanta daholo ho tahaka ny mpialoha làlana amin'ny fihetsiketsehana mitohy ny tolotra finday aterineto, na fepetra noraisina ho setrin'ny fihetsiketsehana. Manahy ireo manaraka akaiky ny toe-draharaha fa mety fanombohan'ny dingana vaovao mampidi-doza izao taorian'ny fihetsiketsehana efa ho herintaona izay.