- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mananontanona Ny Fe-potoana Farany Hoan'i Trinidad & Tobago Handaniana Ny Lalàna Amerikàna Momba Ny Hetra Raha ireo Politisiana Kosa ‘Milalao’

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
A screen shot of a Parliament Channel YouTube video, showing the parliamentary debate of Friday September 23, 2016 in Trinidad and Tobago. [1]

Dikasarin'ny lahatsary avy amin'ny Fantsona Youtube-n'ny Parlemanta, mampiseho ny adihevitry ny parlemantera tamin'ny zoma 23 septambra tany Trinidad sy Tobago.

Ny 30 Septambra 2016 no fe-potoana farany ho an'i Trinidad sy Tobago ho tonga mpanasonia ny FACTA., lalàna momba ny fampoandoavana hetra ireo kaonty ivelan [2]‘i Etazonia. Ilay lalàna, izay navoakan'ny kaongresy Amerikàna tamin'ny 2010, dia miezaka manao izay mba hahazoana antoka fa handoa hetra ireo olom-pirenena Ameriàna sy ny mponina ao Etazonia izay manana fananana any ivelan'ny firenena.

Ny lalàna dia manome fahefana ireo banky amerikana mba hitazona ampahany (hatramin'ny 30%) amin'ny vola aloa amin'ireo toeram-pandraharahana ara-bola any ivelany izay tsy manaiky hanome  vaovao momba ireo mpanjifany izay manana kaonty amerikana. Raha ny marina, afaka lavin'izy ireo hatramin'ny fanaovana raharaham-barotra miaraka amin'izy rehetra ireo. Mety hiteraka vokadratsy lasa lavitra kokoa aza ny tsy fanekena: ireo tolotra lehibe omen'ny banky toy ny fampiasana karatra fisintonam-bola, ny famindràna vola elektronika ary ny fampodiana vola dia mety ho tapaka, dia vao maika koa hihena ny toe-karena ao Trinidad sy Tobago —  izay efa malemy noho ny vidin'ny angovo izay ambany — ary ny vidim-piainana ankapobeny sy ny fanaovana raharaham-barotra dia mety hitombo [3].

Na izany aza, tsy mbola nolaniana tao amin'ny parlemantan'ny firenena ilay volavolan-dalàna. Na dia niara-nifidy tsy nisy nitsipaka ny fanarahan-dalàna aza ny governemanta, ny mpanohitra amin'izao fotoana izao — izay nandroso ilay volavolan-dalàna tamin'ny fotoana naha tao anatin'ny fitondrana azy ireo [4] — no misakana ny famoahana izany. Manana mpikambana 23 ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny governemanta, nefa vato 26 no ilaina mba hahalany ilay volavolan-dalàna. Na eo aza ny fanizingizinana hoe [5] “tsy misy olona te-hifidy io volavolan-dalàna io mihoatra [azy ireo], ao amin'ny parlemanta izay nivory tamin'ny 23 septambre 2016, nifidy “tsia” ny mpikambana tsirairay amin'ny mpanohitra (54:46 amin'ity lahatsary ity). Ho an'ny mpanohitra, nomeny tsiny ny governemanta [5]ho “mamadika ilay olana ho politika.”

Ny mpitarika ny mpanohitra, Kamla Persad-Bissessar, nanazava [6]fa manahy [7]izy sy ireo mpiara miasa aminy momba ny “fepetra jadona ao amin'ilay volavolan-dalàna izay tsy ilaina akory mba hampisy fiantraikany ilay fifanarahana”.

Tao anatin'ny famelabelarany ho an'ny parlemanta, nomarihan [1]‘ny Minisitry ny Fitantanam-bola, Colm Imbert, ny “Toko faha-8 –manana olana amin'io ny mpanohitra. Tsy misy zavatra ao amin'ny andininy faha-4 amin'ilay lalàna momba ny vola miditra, ny lalàna fiarovana ny antontan-kevitra na lalàna hafa misy fiantraika toy izany manakana ny fanaparitahana torohay. Manamafy ny mpanohitra fa izany dia manaisotra ny fiarovana ny olom-pirenentsika, fiarovana izay mety homen'ny lalàna ho azy ireo.

Na dia efa nilaza aza ny governemanta fa handray an-tànana ny telo amin'ireo olana fito naroson'ny mpanohitra, tsy voaresaka mihitsy ilay raharaha.Taorian'ny famelaberan'i Imbert tao amin'ny parlemanta tamin'ny zoma lasa teo, nangatahany tamin'ny filohan'ny parlemanta ny hanemorana ora iray ny fotoana, ka mandritra izany dia ho afaka hiara-hipetraka handinika ny fanitsiana ilay volavolan-dalàna ny ankolafy roa. Nefa nandà ny mpanohitra. Tsy ela taorian'ny niverenan'ny fotoam-pivorian'ny parlemanta indray, bedin'ny mpitarika fivoriana ilay mpitarika ny mpanohitra  ary nangatahany mba hiala [8]. Nivoaka [9]ny sisa tamin'ny mpanohitra (afa-tsy mpikambana iray) — tanatin'ny fihetsika toy ny fanehoana firaisankina.

Ara-teorika, tokony hivory ny parlemanta ny 30 septambra ary handany ara-potoana ilay volavolan-dalàna mba hanatratra ilay fe-potoana– nefa amin'io daty io no hanoloran'ny ministry ny fitantanam-bola ny tetibolan'ny firenena ho an'ny taona 2017 [10], noho izany tsy ho afaka horesahina akory ny FACTA. Afa-tsy hoe raha manaiky hanemotra ny fe-potoana farany ny Amerikana, izay toa azo inoana amin'izao fotoana izao fa ho tavela aminà toerana marefo i  Trinidad sy Tobago. Na inona na inona mitranga, anefa, tezitra ireo mpampiasa aterineto.

Atoa Live Wire mpanoratra bilaogy mpilaza vaovao ho an'ny Wired 868 namazivazy [11]hoe:

Tena tsy dia misy ilàna azy ny namandrihan'ny minisitry ny tetibola, Colm Imbert, hanao ny lahateniny momba ny tetibola tamin'iny andro iny. Angamba tsy hitan'i Imbert mialoha fa ny UNC [Kongresy Nasionaly Miambatra an'ny mpanohitra] dia nody tsy nahalala izay mitranga eto.

Mazava ho azy, izany akory tsy milaza fa niombon-kevitra tanteraka tamin'ilay lalàna izy, satria nampionona ny tenany hoe tsy maintsy hitranga ny fanarahana ny lalàna [11] :

Raha ny marina, lasa mpanome vaovao maimaimpoana ny IRS ny banky rehetra eran'izao tontolo izao.

Tombanana ho manodidina ny im-balo avo heny amin'ny sandan'ny vola miditra izay antenain'ny IRS ho azo no vidin'ny fihazàna mpamosavy any Amerika atao an'ireo mpandositra hetra. Noho izany, mba hahatonga io fampiasana ara-bola io ho azo iainana, ireo banky no ho avelan'ny IRS hanangona ny vola vidin'ny fanadihadiana ireo teratany Amerikana mampiasa ny tolotra omeny […]

Noho izany, tokony holavin'i Trinidad sy Tobago ve ny fanekena fivoahana lafo vidy sy manahirana tahaka izany ataon'ny Amerikàna ao anatin'ny rafitry ny bankiny manokana? Mazava ho azy!

Tokony holavintsika koa ny hanary vola 300$ TT amin'ny viliana paty any amin'ireo  trano fihinanana [mihaja] any andrefan'i Trinidad.

Nefa raha toa moa efa any ianao ary te-ho voky, handoa vola ianao. Ary raha toa ka te-hiditra ao amin'ny sehatry ny rafitry ny banky amerikana ianao, dia hanao toy izany koa.

Raha tsy izay, hanomboka hitazona ny 30% amin'ny famindràm-bola ny IRS – na dia amin'ny MoneyGram sy Western Union aza – mankao an-toerana, na Amerikana na tsia izy ireo, mandra-pahazoan'izy ireo porofo fa tsy voasaringotra amin'ny fandosirana hetra ireo mpamindra vola.

Mandritra izany, ny Fikambanan'ny Tomponà Banky ao Trinidad sy Tobago no mandoa ny faktiora [12], ireo tranoben'ny varotra dia mitaky fampanarahan-dalàna [13] ary nanome ny fanehoankevny ny Kaomisionan'ny Fiarovana sy Fifanakalozana [14]ao amin'ny firenena dia nanome hevitra.

Na izany aza toa mizarazara arakaraka ny antoko politika ireo mpiserasera. Mpampiasa Facebook iray, Gideon Charles, nanondro ny fandavan'ny mpanohitra tsy hifidy ilay volavolan-dalàna ho toy ny andrana mahery vaika amin'ny fanakorontanana, manombatombana [15]ny mpanohitra ho tsy tia ny fampanarahana ny FACTA “satria mety hampiharihary ny halatra madinika, ny fanodinkodinana ny volan'ny mpandoa hetra”, nataon'ny governemanta fahiny sy ny UNC mpanohitra amin'izao fotoana. Ny sasany mbola be hanihany [16], raha ilay mpampiasa Facebook, Susan Charles, indray kosa niantso [17]ny ministry ny fitantantambola amin'ny fomba fanaovany politika:
:

Nijanona tsy nanao ho kilalao ilay volavolan-dalàna FACTA intsony i Imbert tamin'ny filazàna hoe ianareo manantena ny hanitàrana ny fe-potoana, eny ny daty farany dia Zoma, nefa [tsy efa] nahazo fanitarana ve ianareo ajanony ny mihambo ho manao zavatra… Trinidad ity ary mifankahafantatra foana ny tsirairay ka araka izany mbola hipoaka ny marika [fiteny ao an-toerana izay midika fa izay natao tao amin'ny maizina dia hivoaka tsy ho ela amin'ny mazava] .

Na izany aza, nanizingizina i Imbert fa “ilay volavolan-dalàna […] dia mitovy amin'ny volavolan-dalàna nomanin'ny governemantan'ny fiaraha-miasam-bahoaka. Volavolan-dalàna mitovy, isaky ny teny nampiasaina”

Noho ny fandaniana ilay volavolan-dalàna mbola any ankibon'ny omby, manontany tena ireo mpampiasa haino aman-jery sosialy ao Karaiba raha hiaraka hanao zavatra tsara goavana kokoa ny governemanta sy ny mpanohitra — na amin'ny tenin'Atoa Live Wire [18]:

Nimenomenona momba ny FACTA koa ny filohan'i Rosia, Vladimir Putin, izay nolazainy fa fanafihana ny fiandrianam-pirenena Rosiana. Avy eo, 24 ora talohan'ny fe-potoana farany nomen'ny Amerikana, nanaiky i Putin ary nanasonia [19] tamin'ny 30 jona 2014.

Eritrereto ny hoe afaka mitarika fifampiraharahana mafy kokoa noho ny Smurf mpaneso, miohatra amin'ny lehilahy iray mitaingina soavaly maro tsy misy fitazonana any Siberia ary manani-bohitra amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy amin'ny fotoanany malalaka? Vintana FACTA ! Soniavo fotsiny io fatin-javatra io dia izay, Kamla!