Bera Mibonoka Sy Ny Fifanarahana Mamanàlan'ireo Andaniny Roa: ny Fifandraisana Vaovao Amerikàna-Rosiana
Tamin'ny adihevitry ny filoha lefitra Amerikana tamin'ny herinandro talohan'ny 9 Oktobra lasa teo, tao anatin'ireo rantsana maro nitsangana nihofahofa hanapaka fandraisam-pitenenana, nanohy ity fampielezankevitra ity tamin'ny zavatra tsy fanao matetika ilay kandidà Repoblikana, Mike Pence: rehefa miresaka momba an'i Rosia. Namerina ny antsoiny hoe “ohabolana tranainy” i Pence, niteny tamin'ireo mpanatrika hoe, “Tsy maty velively ny bera Rosiana; mibonoka fotsiny izy.” Natao hilazàna ny fandrahonana mieloelo ataon'i Rosia amin'i Etazonia izany teny izany.
Ny fanenon'izany ohabolana izany amin'ny sofin'ireo Amerikana tsy zatra aza no tena mahazendana, tsy tena misy marina amin'ny kolontsaina Rosiana io. Ny tena marina, ny tafatafa niaraka tamin'i Pence nifanaovany tamin'ny National Review tamin'ny 2014 no hany nisy niteny izany. “Asehon'ny tantara fa tsy maty velively ny fikasàn'ny Bera Rosiana; mandeha mibonoka fotsiny izy ireo,” hoy izy tamin'ilay mpanangom-baovao, John Fund.
Kanefa, raha misy zavatra tena tian'ny Aterineto Rosiana, dia ny zavatra diso, ny tsy fifankahazoan-dresaka, ary ny tsy fahaizan'ny olona maneho ny tiany ho lazaina. Tsy ela akory taorian'ilay adihevitra, naneso an'i Pence tao amin'ny pejy Facebook-ny ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelan'i Rosia, Maria Zakharova. Nanoratra tamin'ny teny Anglisy mihitsy aza i Zakharova, izay nisy fotoana nizara ny poziany fitiavan-tanindrazana tao amin'ny Facebook:
Na hita ho noforonin'i Pence samirery aza ilay “ohabolana Rosiana”, mampiseho kosa ny fitomboan'ny fihenjanan'ny tady eo amin'i Washington sy Maosko io. Taorian'ny tsy fifankahazoan-kevitra ny faramparan'ny volana Septambra momba izay nidaroka baomba ny fiaran'ny Firenena Mikambana nanatitra fanampiana noho ny maha olona tany amin'ny tanàna Syriana an'i Alep tratra fahirano, nilaza ny porofo nahatafiditra an'ireo hery mitam-piadiana Rosiana ireo tomponandraiki-panjakana any amin'ny firenena Tandrefana.
Miaraka amin'ireo maty voamarina ho 20 isa ary ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy sivily maro mbola miady amin'ny fahafatesana, milaza ny tomponandraikitry ny Firenena Mikambana, Jens Laerke, fa azo raisina ho heloka bevava amin'ny ady ilay fihetsika. Nanamarina ny mpandrindran'ny ekipan'ny Mpanao Vonjy Taitra ao amin'ny Firenena Mikambana fa ho atao ho heloka bevava amin'ny ady ilay fanafihana, raha toa ka afaka porofoina fa niniana nokendrena mivantana ireo mpiasa mpanampy amin'ny maha-olona.
Hatramin'ny nisian'ilay fanafihana, natsahatra daholo ireo fiaran'ny Firenena Mikambana mitatitra fanampiana ho an'i Syria.
Nandritra ireo herinandro nanaraka ilay fanafihana an-habakabaka, nandà mafy ny fidirany tamin'izany i Maosko, ka lasa lavitra mihitsy hatrany amin'ny fiampangàna an'i Etazonia ho nikarakara ilay fanafihana, nilaza fa nahita drôna “Predator” Amerikana tany Alep ny mpanara-maso Rosiana, minitra vitsy taorian'ilay fanafihana.
Ny ekipan'ny fanadihadiana manana loharano misokatra “Bellingcat,” anefa, namoaka porofo nanipika ny fidiran'i Rosia tamin'ireo fanafihana. Tao amin'ireo potipotika tavela, nahita ny ambinà OFAB-250-270 ireo mpamonjy voina— izay baomba tsy mibaiko tena namboarin'ny Rosiana. Araka ny Bellingcat, “voarakitra be fa ampiasan'ny fiaramanidina mpiady Syriana sy Rosiana amin'ireo fanafihana an-habakabaka any Syria io baomba io. Tsy ampiasain'ny fiaramanidin'ny OTAN ireo baomba ireo, indrindra moa fa ireo drôna toy ny ‘Predator.’”
Satria niteny nivantana ny hanadihady an'i Rosia sy Syria amin'y resaka heloka bevava amin'ny ady ireo tomponandraiki-panjakana any Washington, nampiantona ny fifanarahana mikasika ny fanomezana plutonium izay efa voasonia efa maherin'ny folo taona nialoha ny Filoha Vladimir Poutine. Avy eo, ny 5 Oktobra, nanafoana fifanarahana nokleary iray hafa iarahany miasa amin'ny Amerikana eo amin'ny resaka fikarohana siantifika mifandray amin'ny nokleary sy ny angovo i Poutine.
Milaza i Kremlin fa vonona ny hamerina ny fifanekena fifanarahana nokleary izy, raha toa manaiky ireo karazana fepetra maromaro i Etazonia, tafiditra amin'izany ny fampitsaharana ireo sazy ara-toekarena atao amin'i Rosia noho ny nampiasany miaramila tao Okraina, fandoavana onitra tamin'ny vokadratsin'ireo sazy ireo tamin'ny fandraharahana Rosiana, ary ny fanenana ny isan'ireo andiany Amerikana any anatin'ireo firenena OTAN amin'ireo sisintanin'i Rosia.
Araka an'i Maosko, valinkafatra nilaina natao tamin'ireo “fihetsika tsy namana” nataon'i Etazonia ny fampiatoana ireo fifanekena. Nampitsahatra ny fifanekena nokleary i Kremlin ora vitsy monja nialohan'ny nanambaràn'ny Trano Fotsy ny fanapahany ireo fifampiresahana mikasika ny fampijanonana ny fitifirana rehetra miaraka amin'i Rosia amin'ny ady any Syria. Hanohy hifampiresaka ihany anefa i Etazonia sy Rosia, mikasika ireo daroka an-habakabaka mikendry ireo toeran'ny ISIS ao amin'ny faritra, mba hialàna amin'ny fifampijabahana na fifandonana tsy nahy.
“Nanao ireo zavatra rehetra ao ambany fahefàny mba hamotehana ny fifampitokisana izay tokony namporisika ny fifampiraharahàna ny fitantànan-draharaha Obama,” hoy ny minisitry ny raharaha ivelany Rosiana tamin'ny fanambaràna ofisialy mikasika ny fampitsaharana ny fifanarahana. “Tianay ho azon'i Washington fa tsy afaka, amin'ny tànana iray, mampiditra sazy ho anay izy, amin'ny zavatra mety tsy hampaninona ireo Amerikana, ary amin'ny tànana iray hafa, manohy manao fifampiraharahàna voafantina amin'ireo toerana maha-metimety azy ireo.”
Alexey Pushkov, senatera ao amin'ny Fivoriamben'ny Federasiôna ary filoha teo alohan'ny Kaomitin'ireo Raharaha Ivelan'ny Duma-mpanjakana, nanoratra tao amin'ny Twitter fa efa ela no tsy nisy intsony ny fahatokisana tsara amin'i Etazonia:
Вчера в эфире предложил больше никогда не обсуждать “добрые намерения” и репутационную невинность США. Она утрачена давно и навсегда.
— Алексей Пушков (@Alexey_Pushkov) October 3, 2016
Omaly, tamin'ny fahitalavitra, nandroso hevitra aho ny tsy hiresahana intsony ny “fahatokisana tsara” sy ny “tsy fanànan'i Etazonia tsiny”. Tena efa izany no lany andro.
Hitan'ieo mpikambana amin'ny mpanohitra an'i Kremlin, izay mitsikera amin'ny ankapobeny ny governemanta noho ny fanilihany andraikitra amin'i Etazonia momba ireo olana anatiny, fa mampihomehy ny hoe mangataka onitra noho ireo sazin'ny firenena Tandrefana i Maosko ankehitriny, izay nolazain'ireo tomponandraiki-panjakana, taona maromaro lasa izay, fa lasa zavatra tsara nanampy ny toekaren'i Rosia.
Nanome tsiny ireo fangatahan'I Kremlin i Alexey Navalny, ilay mpikatroka mafana fo manohitra ny kolikoly, izay nanao fampielezankevitra nahagaga tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tany Maosko, telo taona lasa izay:
Путин требует компенсации за потери от санкций и контрсанкций. Удивительно:два года эксперты в телевизоре говорили, что от них только выгода
— Alexey Navalny (@navalny) October 3, 2016
Mangataka onitra amin'ireo sazin'i Etazonia i Poutine. Tena mahagaga! Nilaza tamin'ny fahitalavitra, roa taona lasa izay, ireo manampahaizana fa nahitam-bokatsoa ireo sazy ireo.
Nananihany ihany koa ny mpanao gazetin'ny mpanohitra sady mpiady tamin'ny Adin'i Tchétchène, Arkady Babchenk, nanipika ny lazan'ny T-shirt tamin'ireo roa taona lasa nanehoana sarinà fitaovana miaramila Rosiana miaraka amin'ny teny faneva hoe “Sazy? Aza atao izay hihomehezan'ny “Iskander” [bala afomanga]-ko!” Eo anatrehan'ireo ezaka vaovao ataon'i Maosko mba hamerenana ireo fahaverezana tamin'ilay nolazainy fa sazy “mampihomehy”, ireo akanjo ambony izao—fa tsy ireo sazy—no hita ho tsy misy dikany.
Путин требует от США компенсации ущерба от санкций, включая “потери от введения вынужденных контрсанкций”.
Ну чо, посмеялись?
Спокойно ночи pic.twitter.com/sW0aqqnujW— Старшина Запаса (@StarshinaZapasa) October 3, 2016
Mangataka onitra avy any Etazonia i Poutine noho ireo fahaverezana avy amin'ireo sazy, tafiditra amin'izany ireo “fahaverezana tamin'ny fampidirana ireo fanoherana ny sazy nilaina.” Ka izay e, efa nahazo ny fihomehezanao ve ianao? Tafandria mandry!
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...