- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manimba Tena Ny Antoko Sosialista Espaniola, Tantarain'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto

Sokajy: Espaina, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Pedro Sánchez, protagonista de una crisis política vivida con enorme intensidad en las redes sociales [1]

Pedro Sánchez, mpisehatra iray tao anatn'ilay olana goavana niainan'ireo tambajotra sosialy. Sary: eldiario.es nampiasàna lisansa CC BY-SA

[Lahatsoratra voalohany tamin'ny teny Espaniola, nivoaka ny 3 Oktobra] Tato anatin'ny herinandro maromaro dia hita ho nihazakazaka ny olana anatiny tao amin'ny Antoko Sosialistin'ny Mpiasa Espaniola (PSOE), efa nisoko nandritry ny volana maro. Ny fihitsohan'ny fiainana politika tao Espaina sy ny vokatra ratsy azon'ny PSOE tamin'ireo fifidianana tamin'ity taona farany ity no niteraka ny fivakisana tanteraka teo amin'ny antoko, izay misy ampahany iray manohitra, ilay fironana tena fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana, manome ny fisoloan-toerana ho an'ny sekretera jeneraly, Pedro Sánchez [2].

Ireo fifidianana natao ny lohataona, 25 Septambra, tao amin'ny Firenena Basque sy Galice, izay nanamafy ny  fitontongan'ny PSOE, [3]no tsy isalasalàna fa singam-bolo nandavo ny vositra ho an'ireo mpanohitra. Nambaran'ireto farany fa ny fandàvan'i Pedro Sánchez hanamora ny fanokanana an'i Mariano Rajoy ary ny fananganana governemanta firaisam-pirenena ataon'ny Antokom-Bahoaka (PP) no anton'ny fanomezan-damosina nataon'ny mpifidy.

Ny Alarobia 28 Septambra, nisy andiany iray mpanohitra notarihan'ilay mpitarika manan-tantara, Felipe González [4] sy Ramatoa filohan'ny Andalousie Susana Díaz [5], nanapaka hevitra tampoka ny hametraka fialàna amin'ny toerany tao amin'ny Kaomity Mpanatanteraka Foiben'ny antoko, mba hanerena ny fandravàna ny rantsana mpitantana sy ny sekretera jeneraliny. Raha tany am-piandohana, nifikitra tamin'ny heviny ilay vondrona mpiaradia amin'i Pedro Sánchez [6], nandritra ny kaomity federaly natao ny Sabotsy 1 Oktobra kosa nametraka ny heviny ireo mpanohitra, izay niafara tamin'ny fametrahana fialàna nataon'ny sekretera jeneraly [7] sy fametrahana rafitra vonjimaika natao hitantana ny antoko mandra-pisian'ny fivorian-dehibe tsy ara-potoana hifidy ireo ho mpitantana vaovao.

Amin'io lohahevitra io, manana ny ambarany ny Espaniola rehetra, fa tsy ireo mpitolon'ny PSOE ihany akory, ary ny voalohany naneho ny heviny dia ireo mpisera amin'ny aterineto, izay nahatonga io resaka io ho ny nanehoana hevitra be indrindra nandritra ny herinandro nanaraka. Azo lazaina anefa hoe faharendrehan'ilay antoko izay manana ny tantarany efa ho an-jato taona ilay izy, ary ny mety hisian'ny « pasokización [8] », entina hanondroana ny fanjavonan'ny antoko sosialista grika (PASOK) tamin'ny 2015.

Misavasava ravina ny mety hitrangan'io i Aldros, bilaogera milaza tena ho « liberaly, mpifikitra amin'ny nentin-drazana ary mpandàla fiainana», ao anatin'ny lahatsorany «¿Y si desapareciera el PSOE? [9] » [Ka raha manjavona moa ny PSOE?] :

Raha manjavona ny PSOE, tsy hisy na inona na inona hitranga. Tsy misy. Fitaovana daholo ny antoko, ilaina mandritra ny androm-pisiany. Izay monja. Tsy miteny aho hoe tsaratsara kokoa raha foana izy, na ny mifanohitra amin'izany. Fa hoe raha tsy eo intsony izy, tsy misy na inona na inona hitranga ankoatra izay. Ary hisy antoko iray na maro hafa ho teraka… Tsy rantsana iray mitoboka akory ny fiarahamonna. Ireo olona mandrafitra azy no mampivoatra azy. Raha tsy mampifanaraka ny momba azy amin'izany ny antoko, dia maty. Izay fotsiny.

Lorenzo Silva [10], mpanoratra, ao anatin'ny pejy voalohan'ny gazety El Español nitondra ny lohateny hoe El fusible [11] dia mitanisa « ny hamafin'ilay fanenjehana, ny fahaverezan'ny fomba fitondrantena sy ny famelàna ireo fomba faran'izay kely indrindra amin'ny fomba fanao», talohan'ny namarànany hoe :

Izay vitan'ity herinandro ity nosimbàna, ary haharitra fotoana ela, dia ny fahatokisana ny antoko izay noraisina ho toy ny fakan-tàhaka avy amin'ny elatra havia Espaniola.

Ao amin'ny Twitter, ireo onjam-panehoankevitra dia manao ny « PSOE », « Ferraz » (foibe nasionalin'ilay antoko), « Pedro Sánchez », « Susana Díaz » sy ireo tenifototra toy ny #VonjeoNyPSOE ho ny fironana ao anatin'ireo malaza be indrindra nandritry ny herinandro tany anaty tambajotra sosialy. Noriatan'ireo sasany mpandefa bitsika ny noheverin-dry zareo ho toy ny famadihana nataon'ìreo mpanohitra tao amin'ny antoko :

“Ny tena mampalahelo indrindra ao anatin'ilay Famadihana dia tsy mba avy any amin'ny fahavalony ilay izy”

Tsy haiko na hanaraka andiany amin'ny tantara ‘Trône de Fer’ aho na hanaraka ny ‘Les Lannister de la chaux vive’ ao anatin'ity #TsimbalivalinàOlanaPsoeARV izao

Ny hafa nanipika ny tombontsoa ho azon'ireo hery politika hafa avy amin'izao tsy fahamarinan-toeran'ny PSOE izao:

Hanihany| Misaotra, ry PSOE !

Nanjavona! [ Ciudadanos : “pop-corn ?” Podemos : “labiera kely ?”]

Na ny kaonty ofisialin'ny « House of Cards [36] », ilay andian-tantara amin'ny fahitalavitra milaza ny fanodinkodinana ara-politika ataon'ny fitondrana aza, dia nanana izay nolazainy ho an'i Pedro Sánchez :

Ilàna olona mandray andraikitra ny fotoana tahaka izao, olona maka toeran'ny mpitondra fahasorenana, ary ilaina. Raha mila ahy ianao, mandefasa HM (hafatra manokana) .

Owen Jones, [39] Britanika mpanao gazety, dia nangataka tamin'ireo Espaniola mpibitsika mba hanazava aminy ny zavatra mitranga ao anatin'ny Antoko Sosialista :

Misy avy ao Espaina ve afaka manazava amiko ny tena manjo ny PSOE?

Sady maneso no tsy lany laniana ny valintenin'ireo espaniola mpibitsika :

Toa misy tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo fironana roa matanjaka ao amin'ny PSOE. Tsy fitoviana manana habe somary midadasika toy ny habakabaka ihany.

Tsaroanao ny Cirque Volant nataon-dry Monty Python ? Dia izay, ‘cirque’ mitovy amin'iny.

Havaozin-dry zareo ny « Ny Fahafatesan'i Julio César : famerenana »

Ary, rehefa aravona, misy zavatra manandanja kokoa eo amin'ny fiainana :

Tsy nanakana ahy tsy hihinana mofo voasesika atody sy saosisy mitovy halava amin'ny sandriko ny olan'ny PSOE. !!!

Ny fametrahan'i Pedro Sánchez fialàna dia manokatra vanim-potoana iray feno fisalasalàna ho an'n PSOE sy ny elatra havia espaniola. [46] Marobe ireo mpitolona sy ireo mpifidy sosialista no tsy mankasitraka ny toa fikisahana ho amin'ny havanana nataon'ilay antokon-dry zareo, no sady tsy naniry ny hanamorana ny fananganana governemanta mpitahiry ny nentin-drazana tarihan'i Mariano Rajoy, izay raisina ho toy ny zavatra efa vita tsy hay hatao ahoana. Izany no fintinin'ny bitsika iray nalefan'i Alberto Garzón [47], mpandrindra ankapobeny ny Izquierda Unida [Havia Miray] :

Azon'ny PP ny fandresena tamin'ny fifidianana tao amin'ny làlana Ferraz.