- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahaiza-mitantana Eto  Afrika: Cap Vert No Tsara Indrindra, Angola No Ratsy Indrindra

Sokajy: Angola, Cap Vert, Mediam-bahoaka, Politika
Mo Ibrahim, Addis Ababa (arquivo). Foto: Mo Ibrahim Foundation

Mo Ibrahim, mpanorina ny Orina Mpanasoa sy ny lazany. Sary ( Tahirintsary): Orina Mpanasoa Mo Ibrahim [1]/ Flickr CC BY-ND 2.0 [2]

Tsy mora ny miresaka “fahaiza-mitantana” eto Afrika, indrindra rehefa tonga eo amin'ny fandinihana ny fomba fijerin'ireo olom-pirenena ny fitondram-panjakana ao aminy. Momba izay indrindra, nisy ny fandraisana andraikitra natomboky ny Orina Mpanasoa Mo Ibrahim [3] antsoina hoe “Tondro Mo Ibrahim ” tamin'ny taona 2007, izay manao jery todika isan-taona ao amin'ny firenena Afrikana ny hatsaran'ny fitantanana amin'ny alalan'ny fanangonana ny lahatahiry avy amin'ny sehatra isan-karazany, avy any amin'ny fanabeazana ka hatramin'ny fandraisana anjara ara-politika.

Tamin'ity taona ity, navoaka tany Lôndra tamin'ny 3 Aogositra ny tatitra, izay nampiseho vokatra tena nifanipaka [4] ao amin'ireo firenena miteny Paortiogey amin'ny fomba ofisialy (PALOP) amin'ny resaka “fahaiza-mitantana”. nihemotra indray i Angola tamin'ny filaharana izay tany amin'ny laharana faha-43 ary lasa laharana faha 45, ao anatin'ny firenena 54, na dia hita fa mihatsara aza ny zotra niaingany hatramin'ny taona 2006.

Mais alto é impossível – Precisamos de paz em África. Mo Ibrahim A degradação da segurança e do Estado de Direito ao longo da última década provocou uma queda nos índices de governança em toda a África. Precisamos de paz! Você pode baixar uma cópia do relatório de 2016 #IIAG aqui: …

Tsy hainay intsony ny hiteny azy mafy kokoa – Mila fandriampahalemana isika eto Afrika, hoy Mo Ibrahim. Nahatonga fahaverezan'isan'ny tondro manerana an'i Afrika tao anatin'ny folo taona ny fiharatsian'ny fitantanana ny fandriampahalemana sy ny fanjakana tan-dalàna. Mila fandriampahalemana isika! Azonao trohina eto ny dikan'ny tatitra mitovy 2016 #IIAG : http://mif.link/downloads

Cap Vert no mbola manana ny fitantanana  tsara indrindra eo amin'ny firenena miteny Paortiogey izay manana isa 73 amin'ny 100 ka nahazo ny laharana fahatelo, nahazo isa 1,9 tao anatin'ny 10 taona farany, manaraka an'i Nosy Maorisy sy Botswana. Milaza ny tatitra fa manana isa 39,2 amin'ny 100 i Angola, ambany noho ny isa 50 salan'isa ankapobeny, vokatra izay mametraka ny firenen'i José Eduardo dos Santos ho anisan'ny firenena 10 nahazo ny fanombanana ratsy indrindra, ary manasongadina an'i Somalia Sodàna Atsimo sy Repoblikan'i Afrika Afovoany .

Maorisy, Botswana, Cap-Vert, Seychelles sy Namibia no firenena Afrikana manana fitantanam-panjakana tsara indrindra, hoy ny Orina Mpanasoa  Mo Ibrahim .

Mitana ny laharana faha-11 kosa i Sao Tome sy Principe, izay nahazo tombon'isa 2,9 raha oharina ny tamin'ny 2007. Mitana ny laharana faha 21 i Mozambika, fa saingy very isa 1,8 tato anatin'ny folo taona. Any amin'ny laharana  faha-44 i Ginea-Bissau, raha nahazo tombon'isa 4 .

Nanome loka ny filoha teo aloha an'i Mozambika sy i Cap Vert ny Orina Mpanasoa Mo Ibrahim, izany hoe i Joaquim Chissano [9] sy i Pedro Pires [10], noho ny “fahaiza-mitantana” eto Afrika.