Folo Taona Izay, Fa Mbola Tsaroan'i Rosia Hatrany I Anna Politkovskaya, Mpanao Gazety Nisy Namono

Anna Politkovskaya. Source: Amnesty Finland, Flickr

Anna Politkovskaya. Loharano: Amnesty Finland, Flickr.

Folo taona tamin'ny 7 Oktobra lasa teo i Anna Politkovskaya, iray amin'ireo mpanao gazety sangany amin'ny resaka fanadihadiana, no maty nisy nitifitra tao anaty fanakadrihan'ny tranony ao Maosko. Lasa mariky ny zavadoza mitatao amin'ny asa fanaovana gazety ao Rosia ny famonoana azy sy ny tsy fahavitàn'ny fanjakàna—na tsy firaharahiana—hanenjika ireo nahavanon-doza. Na eo aza ny fanamelohana lehilahy dimy tamin'ny 2014 noho ilay vono olona, tsy mbola mazava hatramin'ny anio ny momba izay naniraka hampamono an'i Politkovskaya.

Ahatsiarovana an'i Politkovskaya ny tsy fanànany tahotra manadihady ireo fanitsakitsahana zon'olombelona—diso malaza loatra any Kaokazy Avaratra, toerana nanaovany fandrakofana ny Ady Tsetsenina Faharoa. Ny Zoma, ny Novaya Gazeta, gazety niasan'i Politkovskaya, dia nanasa ny vahoaka mba hiangona eo am-bavahadin'ilay tranobe fiasàny, toerana misy takelaka napetraka ho fahatsiarovana azy sy ny asany. Vao maraina dia efa naka sary ny teny an-toerana ny Radio Liberty/Radio Free Europe tamin'io 7 Oktobra io.

Navoakan'ny Novaya Gazeta ihany koa ny lahatsary iray nomeny lohateny hoe  “Tsy Mbola Hita Foana Ny Atidoha Nikotrika,” fiampangana mahery vaika ny tsy fahavitàn'ireo manampahefana mahita—na, angamba, mamboraka—ny anaran'izay naniraka nampamono an'i Politkovskaya. Nadikan'ny RuNet Echo ireo takelaka izay tazonin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny Novaya Gazeta ao anatin'ny lahatsary eto ambany.

Anna Politkovskaya, maty nisy namono ny 7 Oktobra 2006, teo ampidirana ny tranony. Tao anaty fanakadrihana. Tifitra dimy. Fifanarahana hamono nosandaina $150,000. Tamin'iza? Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Aogositra 2007: tratra ireo noahiahiana no niketrika sy mpamono an'i Politkovskaya, 11 no fitambarany. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. 29 Aogositra 2007, milaza ny Lehiben'ny Fampanoavana, Yury Chaika, fa efa voavaha ny raharaha namonoana an'i Politkovskaya. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika.

21 Septambra 2009: voampanga ilay lehiben'ny ditrika fahiny tao Tsetsenia, Shamil Buraev. Tsy niseho teo anatrehan'ny fitsaràna izy. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. 25 Novambra 2009:  nanomboka ny fitsarana voalohany. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. 19 Febroary 2009: nafahan'ny mpitsara ireo rehetra noahiahiana. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. 26 Jona 2009: Noravàn'ny Fitsaràna Antampony ilay didy. Naverina hodinihan'ny fitsaràna ny raharaha.

31 May 2011: nosamborina i Rustam Maxmudov. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. 22 Aogositra 2011: vavolombelona iray tamin'ilay raharaha, nosamborina ny Lietnà Kolonely ao amin'ny polisy, Pavliuchenkov, fa voatondro ho nikotrika ilay famonoana. Nibaboka izy. Saingy tsy nolazainy izay atidoha naniraka hampamono. Araka ny voasoratra ao anatin'ny fifanarahana  filazan-tsaziny dia tokony namoaka ny anaran'izay naniraka azy i Pavliuchenkov. Tsy nataony izany. Takian'ny zanak'i Anna ny hanafoanana ilay fifanarahana ka hotsaraina tsy misy indrafo izy. Nolavin'ny fitsaràna ny fangatahan-dry zareo. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika.

14 Desambra 2012: Nohelohina 11 taona an-tranomaizina i Dmitry Pavliuchenkov noho ny famonoana an'i Anna Politkovskaya. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika.

3 Jona  2013: nanomboka ny fitsaràna faharoa. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika.

20 May 2014: Nohelohan'ny mpitsara daholo ireo voampanga tamin'ny famonoana an'i Anna Politkovskaya. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Ny mpiketrika, ny mpiray tsikombakomba, ary ny mpamono dia samy nahazo sazy famonjàna. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Nampanarahana dingana hafa ny raharahan'ilay atidoha nikotrika, saingy tsy nisy fanadihadiana nosokafana. Nisintaka i Garabyan, ilay mpanadihady. Tsy nanao na inona na inona i Stepanov, ilay mpanadihady vaovao nisolo azy. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Azo lazaina hoe natsahatra tsotra izao fotsiny ny fanadihadiana. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Miantso ny fitsaràna Eorpeana momba ny Zon'Olombelona ireo zanak'i Politkovskaya, amin'ny fitanisàna ny tsy fihetsehan'ireo mpanao fanadihadiana. Lazain'ny Kaomity Mpanao Fanadihadiana fa efa voavaha ny raharaha Politkovskaya. Saingy tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika.

Efa no taona folo izay no lasa hatramin'ny andro namonoana an'i Politkovskaya. Tsy mbola voavaha foana ilay raharaha. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. [Zanaka lahin'iPolitkovskaya]: Takiako ny hahitàna izay atidoha nikotrika ny famonoana ny reniko.

Arkady Babchenko, mpifandray an'ady ary miaramila fahiny nandray anjara tamin'ny Ady Tsetsenina Voalohany, dia nibitsika sary iray ahitàna an'i Politkovskaya tany Grozny, Tsetsenia, tamin'ny 2005.

Anna Politkovskaya, Stanislav Larkelov, Natalya Estemirova, Grozny, 2005, efitrano fitsaràna. Maty novonoina daholo. Sary an'i Aleksander Cherkasov.

Betsaka ireo nizara ny fahatsiarovany tsara indrindra an'i Politkovskaya, mazàna no tafatafa nanasongadinana ny didohany amin'ny fikarohana ny marina—eto miantso ny hifantohana amin'ny anjara toeran'ireo sampandraharaha manokana tamin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao amin'ny teatra Dubrovka tamin'ny 2002, izay niafara tamin'ny fakàna takalonaina.

Toroako hevitra ny rehetra mba hijery an'ity. Anna Politkovskaya miteny amin'ny @VRSoloviev momba ny maha-tafiditra ireo sampandraharaha manokana tamin'ilay fanafihan'ny mpampihorohoro tao Dubrovka.

Ny tranonkalam-baovao sy fantsom-pahitalavitra Novoe Vremya (tetikasa iarahan'ny RFE/RL sy ny Voice of America) dia nahatsiaro ny tafatafa farany nataon'i Politkovskaya.

Tao anatn'ny tafatafa farany nataony, noresahan'i  Anna Politkovskaya ny momba an'i Kadyrov: andro roa taorian'izay, maty nisy nitifitra tao an-tranony tao Maosko izy.

Ny hafa miantso ny hifantohan'ny saina amin'ny zavamisy iray hoe andro fankalazana ny nahaterahan'i Poutine no namonoana an'i Politkovskaya—fifanandrifian-javatra izay manakoako noho ireo honohono fisian'ny fidiran'ny manampahefana ao anatin'ny famonoana azy sy ny fanafenana ny marina.

Folo taona lasa izay, ny 7 Okobra, maty nisy namono i Anna Politkovskaya. Tsy mbola hita foana ny atidoha nikotrika. Mankalaza ny andro nahaterahanay i Poutine amin'ìo andro io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.