- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora Toniziana Iray Mety Aato Amin'ny Fianarany noho ny Fiampangany tao amin'ny Facebook ny Toe-javatra Mampalahelo Misy ao An-tsekoly

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Garbage accumulates outside of a secondary school in Bizerte, Tunisia. Photo by Hamza Batti via Facebook. [1]

Fako miangona ivelan'ny sekoly fanabeazana fototra ao Bizerte, Tonizia. Sary avy amin'i Hamza Batti tao amin'ny Facebook.

Mety aato [2] mandritra ny telo andro noho ny fiampangana ny havoretran'ny sekoliny ao Bizerte, any avaratr'i Tonizia tao amin'ny Facebook  ny mpianatra Toniziana iray ao amin'ny lisea. Tamin'ny 30 Septambra, nandefa [1]  sary efatra mampiseho  ny asa fanorenana tsy vita teo amin'ny kianja fanaovana basket sy ny fako be miangona teo ivelan'ny vavahadin'ny sekoly i Hamza Batti .

Namoaka ity fanehoan-kevitra manaraka ity izy miaraka amin'ireo sary:

This is what is called a “pioneer” school in Bizerte, which is supposed to be a school where the conditions for studying are convenient, and the most basic elements for succeeding with excellence are available.
[…]
…that pile of garbage is there everyday outside the secondary door which gives our “pioneer” school a more than wonderful image…The garbage is available in other forms inside, like the dust which is everywhere, the restrooms (I won't even describe them), broken windows and doors, and the walls that only get painted once every four years or on special occasions
[…]
Anyway, all this and more you find it everyday at the pioneer school, the face of Bizerte, Tunisia and North Africa

Izao no antsoina hoe sekoly “mpitari-dalana” ao Bizerte, sekoly heverina ho mahafinaritra ny mianatra ao, ary ahitana foto-pampianarana hahazoana fahombiazana ambony dia ambony.
[…]
… Hita isan'andro eo ivelan'ny vavahady faharoan'ny sekoly ny fako miandrona, izay mametraka endrika mihoatra ny tsara kokoa ny sekolintsika “mpitari-dalana” … hita amin'ny endrika hafa ny fako ao anatin'ny faritry ny sekoly, satria hita na aiza na aiza ny vovoka, ny trano fivoahana (aleo tsy tantaraina intsony), varavarankely sy varavarambe vakivaky, ary ny rindrina izay tsy miloko raha tsy indray mandeha isaky ny efa-taona, na noho ny antony manokana
[…]
Na izany aza, hitanao isan'andro ao amin'ny sekoly mpitari-dalana izany rehetra izany sy ny mihoatra izany, ilay sekoly endrik'i Bizerte, Tonizia sy Afrika Avaratra

Nilaza [3] tamin'ny onjampeo tsy miankina MosaiqueFM i Batti fa nalain'ny mpitantana ny sekoly am-bavany izy tamin'ny 5 Oktobra, izay niampanga azy ho nanao ” fampielezan-kevitra manala baraka sy mandainga”. Raha niteny tao amin'ny onjampeo izy dia nanazava ny nokendreny:

I was only expressing myself freely, and I have the right to post pictures with the aim of improving the situation. That was my intention.

Miteny an-kalalahana fotsiny aho, ary manan-jo hamoaka sary amin'ny tanjona hisian'ny fanatsarana amin'ny zava-misy. Izay no kinasako tamin'iny.