Sarin'iza No Tokony Hiseho Amin'ny Vola Taratasin'i Tajikistan?

Photoshopped image of Tajik president Emomali Rakhmon on a banknote. Shaird by Said Safarov on Facebook.

Sary natao photoshop misy ny filoha Tajik, Emomali Rakhmon amin'ny vola taratasy. Nozarain'i Said Safarov tao amin'ny Facebook.

Tsy vaovao intsony ho an'ny olona manara-baovao momba ilay firenena Aziatika Afovoany mihamahantra ny fampiiroboroboana fanandrata-tena ataon'ny filoha Tajik, Emomali Rakhmon, na ny fiankinan-dohan'ny repoblika amin'ny fandefasam-bola ataon'ny mpila ravinahitra avy any ivelany, indrindra fa ny avy amin'ny mpiasa manga vozon'akanjo  miasa mafy any Rosia.

Sosotra tamin'ny tolo-kevitry ny olo-malaza iray mpomba ny governemanta tao amin'ny gazety tantanin'ny fanjakana ny Tajik mpisera Facebook iray vao haingana amin'ny filazana fa tokony hamoaka vola taratasy 1000 somoni ahitana ny sarin'i Rakhmon apetraka amin'ny lafiny roa  ny firenena.

Said Safarov nanoratra hoe:

Photoshop of a Tajik migrant on a Tajik banknote. Shared by Facebook user Said Safarov.

Sary natao photoshop misy ny mpila ravinahitra Tajik ao amin'ny vola taratasy Tajik, eo ambony sy Rakhmon eo ambany. Nozarain'ny mpisera Facebook, Said Safarov.

Директор филиала ГУП «Таджиксугурта» в Шахринаве, Шариф Каримов в своей статье, опубликованной в газете «Таджикистан», предлагает выпустить банкноты достоинством 1000 сомони с изображением президента Таджикистана Эмомали Рахмона.
Мой ответ:
Сегодня именно трудовой мигрант достоин как никто другой изображения на купюрах. Именно трудовой мигрант кормит всю страну, в отличии от людей, растаскивающих ее по кускам на свои офшорные счета. Именно трудовой мигрант, сегодня погибает на фронтах трудовой миграции ради куска хлеба для Таджикистана. Именно трудовой мигрант спасает жалкое подобие экономики страны от полного дефолта. Именно трудовой мигрант, как заботливый отец тащит последнюю копейку домой. Именно трудовой мигрант достоин быть изображен на деньгах, ему должны быть поставлены памятники и их именами должны быть названы улицы и села. Вот кто действительно достоин таких почестей!

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny gazety Tajikistan ny talen'ny fitantanana ao amin'ny orinasam-panjakana “Tadzhiksugurta” ao Shahrinav, Sharif Karimov, fa tokony hitondra ny sarin'ny filoha Tadjik Emomali Rakhmon ny vola taratasy mitentina 1000 somoni (127 dolara araka ny taha ofisialy).

Ny valinteniko: Tsy misy olona mendrika [an'izany voninahitra izany] intsony ankehitriny afa-tsy ny mpiasa mpila ravinahitra. Ny mpiasa mpila ravinahitra no mamelona ny firenena manontolo, tsy tahaka ireo olona maka ny sombim-bolany alefany any amin'ny kaontin'izy ireo any ivelany. Ny mpiasa mpila ravinahitra no maty any amin'ny tanim-bahiny noho ny tapa-mofo ho an'i Tadjikistan. Ny mpiasa mpila ravinahitra no miaro ny toekarem-pirenena tsy ho any amin'ny tsy fisiambola tanteraka. Ny mpiasa mpila ravinahitra, no tahaka ny raim-pianakaviana be fitiavana, mandefa ny variraiventy farany aty an-tanindrazany. Mendrika asongadina eo amin'ny vola izany mpiasa mpila ravinahitra izany, tokony atao ho azy ireo tsangambato maro ary tokony mitondra ny anaran'izy ireo [ireo mpiasa mpila ravinahitra] ny lalana sy ny tanàna. Izany no olona tena mendrika amin'ny voninahitra tahaka izany!

Tamin'ny taona 2014, nandefa vola efa ho 50% amin'ny Harin-Karena Anatiny (PIB) an'ny firenena ireo mpiasa mpila ravinahitra Tajik raha mivelona any ivelany ny antsasaky ny lehilahy miasa avy ao amin'ny firenena.

Nanomboka nihena izany taha izany, na izany aza, noho ny voka-dratsin'ny krizy ara-toekarena ao Rosia. Nidina avo dimy heny mahery ny fandefasam-bola tamin'ny tapany voalohany tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny herintaona tamin'ny fotoana tahaka izany ihany raha toa ka nihena 8% ny isan'ireo mpiasa mpila ravinahitra nankany Rosia tamin'izany vanim-potoana izany araka ny filazan'ny manampahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.