Can Thi Thêu Vietnamiàna Mpikatroka Mafana Fo Miady Ho An'ny Fananantany, Niaritra Herisetra, Fisamborana Sy Fonja

Notànana in-droa noho ny fikarakarana angon-tsonia manohitra ny fandroahana amin'ny tany i Can Thi Thêu.
Ity lahatsoratra navoakan'i Giang Nguyễn ity dia avy amin'i Loa, vohikalam-baovao tsy miankina sy “podcast” izay maneho tantara mahakasika an'i Vietnàma, ary naverina navoakan'ny Global Voices ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Mitantara ny tantaran'i Cấn Thi Theu, mafana fo miady ho an'ny fananantany izay nosamborina tamin'ny volana Jona lasa teo, noho ny ‘fanakorontanana filaminam-bahoaka’ nandritra ny fihetsiketsehana iray. Voasazy 20 volana an-tranomaizina izy tamin'ny 20 Septambra.
Lasa mponina tao Dương Nội, tanàna ao ivelan'i Hanoi i Cấn Thị Thêu, 53 taona, taorian'ny nanambadiany tantsaha teo an-toerana. Tamin'ny faran'ny taona 2007, nalain'ny governemanta ny tanin'ny fianakaviany, ary lasa mpikatroka ho an'ny fananantany izy. Hoy izy tamin'i Loa:
Tany fonenako i Dương Nộino. Tiako raha manana trano ny zanako. Fony aho nipetraka tao Dương Nội, tantsaha nahomby aho . Nanana omby 40 hatramin'ny 50, zaridainam-boankazo sy legioma, dobon-trondro. Namokatra tsara izany. Fa nony tonga ‘naka azy indray’ ry zareo, nosimbàny ny zava-drehetra, ny trano fitehirizam-bokatra, ny dobo. Very ny fihinananay. Ankehitriny, sarotra ny fiainana.
Nampiasain'i Thêu ny teny hoe ‘naka indray” satria ao Vietnàma, tsy an'ny mpamboly ny tany, na ara-teknika dia tsy an'ny olona rehetra. Mifototra amin'ny fambolena ny toekarena ao amin'ny Repoblika Sosialista ao Vietnàma ary ny tany dia heverina fa ‘fananam-bahoaka’ . Manana zo hampiasa ny tany ny tsirairay, fa tsy tompony velively. Midika izany fa tsy maintsy mamoy ny faritra eo alohan'ny tranony ny mponina ao an-tanàna mba hahatonga izany ho làlana raha mitaky izany ny fanjakana. Mety ho tojo fangihazana ny sahany ny fianakaviana tantsaha iray, na dia efa nifandimbiasan'ny taranaka maro aza izany.
Ny governemanta no mitantana ny fampiasana ny tany. Miaraka amin'ny fientanana malakin'ny fandrosoana ara-toekarena ao Vietnàma tato anatin'ny taompolo telo farany, ary ny tanimbary izay manokatra làlana vaovao hoan'ny fampandrosoana, manomboka mikoa ilay rafitra marefo kely.
Nanazava ny fitondrana tsy an-drariny nahazo azy ireo i Theu:
Vola 200.000 đồng (9 dolara amerikana) monja isaky ny metatra toradroa no nomen-dry zareo anay, nefa eny an-tsena, amidin-dry zareo manomboka amin'ny 31 tapitrisa đồng isaky ny metatra toradroa. Efa ho in-200 ny vola omeny anay. Amn'io vidiny tsy rariny io, ary noho ny olona tsy mety mahita asa vaovao, olona maro no lasa mahantra sy tsy an'asa. Izany no antony tsy anekenay ny fakàna indray ny taninay. Mandroba anay an-jambany io vidin-javatra io.
Cấn Thị Thêu, ny vadiny ary ny zanany lahy roa dia iray ihany amin'ireo fianakaviana maherin'ny 350 any Dương Nội monja, izay hany nitaraina ny manjò azy ireo tany amin'ny manampahefana ary nanao fanangonantsonia ho fanarenana.
“Misy an'analinaliny angamba amin'izy ireo’, hoy Dũng Mai, mpanakanto avy any Hà Nội. Nanomboka ny 2012, nitantana vondrona iray izy, antsoina hoe Cứu Lấy Dân Oan (Fanampiana ireo mpanao Fitakiana Tany).
Mai sy ireo mpiasa an-tsitrapo ho an'ny Fanampiana an'ireo Mpanao Fitakiana ny Tany dia mampiasa ireo fanomezana avy amin'ny tsy miankina mba hanomezana ny zavatra ilaina isan'andro hoan'ireo mpanao fitakiana ireo mandritra ny fipetrahan'izy ireo ao Hanoi. Milaza izy fa afaka mahita asa an-tselika ny sasany, toy ny manasa lovia, mandritra ny fotoana ipetrahany ao an-drenivohitra, saingy zara raha velona fotsiny ny sasany.
Tsy manana asa izy ireo, tsy manana trano. Vao haingana kely, tsy maintsy nividy fialofana izahay mba hiarovana azy ireo amin'ny orana sy ny masoandro, noho izany afaka mahita fialofana amin'ny sisin-dalana, hazo na amin'ireo trano manana tafo lehibe ry zareo mba hahafahany mialoka. Nividy lamba matevina ho azy ireo izahay mba handriany. Mangatsiaka ny tany ary raha tsy misy lamba matevina, mety ho lena izy ireo. Tena mafy ho azy ireo izany..

Manohitra ny fitsarana an'i Cấn Thị Thêu mpikatroka mafana fo miaro ny zo hanana tany ny olona, ary voasakana tsy mahazo miditra ao anaty efitrano fitsarana ireo avy amin'ny fianakaviany sy ireo olona mpanohana azy. Hoy ny sorabaventin'izy ireo:” tsy manan-tsiny i Cấn Thị Thêu” ary “Asa ratsy ny fisamborana olona sy fangalarana ny taniny”. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Trịnh Bá Phương.
Araka ny tatitra vao haingana avy amin'ny Fandraisana andraikitra ara-tSosialin'ny Vondron'orinasa any Azia, tombanana ho ny 80% ny fitarainana napetrak'ireo olona tezitra any amin'ny manampahefana dia mifandray amin'ny ady tany sy onitra tsy ara-drariny.
Miha mitombo hatrany io isa io, ary ny feon'ny vehivavy no maro an'isa amin'izany.
Angamba noho ireo vehivavy tezitra ireo, ary anisan'izany koa ireo lehilahy tsy matahotra na iza na iza intsony, no antony nanan'izy ireo fahavononana hahafoy ny zavatra rehetra toy izao.
Ireo rakitsary tsy matihanina mahakasika ny fakàna an-keriny ny tany dia mampiseho ny daroka ataon'ireo lehilahy manao fanamiana sy jiolahimboto lazain'ireo tantsaha fa polisy manao fitafin'olontsotra.
Tsaroan'i Thêu tsara ny fifandonana iray.
Tamin'ny 25 Aprily 2014, polisy sy hery fiarovana sivily an'anarivony no tonga nandrava ny tany izay tsy mbola nandraisanay vola akory. Tanam-polo izahay, kanefa izy ireo nanana langilangy, kibay ary basy. Nitsangana teo ambony tranoheva namboarinay aho mba hitazana ny eny amin'ny fasana. Nitsangana teo aho handrakitra an-tsary ny zava-niseho, ny fampahoriana nataon'ny manampahefana taminay. Nosamborin'izy ireo ny olona, ary nokapohan'izy ireo tamin-kabibiana. Naka sary fotsiny aho. Avy eo nanatona ahy ry zareo. Naka ny fakantsariko, nikapoka ahy. Tsy fantatro hoe hatramin'ny oviana aho no tsy nahatsiaro tena. Nony nifoha aho, tao anatin'ny faritry ny foiben'ny polisy tao amin'ny distrikan'i Hà Ðông no nisy ahy.
Niaraka voasambotra sy voadaroka izy sy ny vadiny, hoy izy. Nolaniany tany am-ponja iny taona lasa iny, miaraka amin'ny vesatra “fanohintohinana olona manao ny asany’ araka ny andininy faha 257 amin'ny fehezan-dalàna famaizana. Nilaza koa izy hoe voadaroka ary nandeha rà koa ny zanany tamin'ny fotoana hafa.
Rehefa avy niady nandritra ny efa ho valo taona, hita indray eny anoloana izy tamin'ny tapaky ny volana Septambra, niaraka tamin'ireo am-polony maro mpiray vodirindrina ao Dương Nội sy ireo mpanao fitarainana avy lavitra, natory nandritry ny alina teo anoloan'ny foiben'ny mpitandro filaminana. Nampangain'izy ireo ny fampitahorana sy ny fampielezankevitra fanalam-baràka nataon'ny polisy vao haingana..
Nolazain'i Thêu fa nahazo fandresena ny vondrona, rehefa avy nifampiraharaha momba ny fandaharam-potoana sy ny fandraisan'anjaran'ireo mpivory, ny ampitson'io nilaza taminy ny olom-panjakana iray fa manana zo hametraka fitarainana tsy misy fanelingelenana ny olona, ary mahazo mandray vola fanomezana ary hanao fanamiana maneho fanoherana.
Milaza i Thêu fa na avy amin'ny alalan'ny angon-tsonia, fanoherana na fandraisana andraikitra eo an-toerana, tsy hijanona izy raha tsy miverina aminy indray ny taniny.
Afaka mamono ireo olona 5 amin'ny ankohonako ry zareo. Nefa heveriko fa indray mandeha ihany ianao no velona ary indray mandeha ihany no maty. Noho izany, hiaina aho amin'ny fomba izay hahitan-dry zareo fa tsy hampatahotra ny finiavanay hiady amin'ny herisetrany. Izahay mpanao fitakiana ny tany dia hifikitra amin'ny taninay hatramin'ny farany.
Mandritra izany fotoana izany, mbola mitoetra ho tsy misy mpikarakara sy tsy mivoatra ireo fananan'i Thêu taloha, efa ho valo taona taorian'ny fandroahana azy.
Henoy misimisy kokoa ao anatin'ity rakipeo ity ny tantaran'i Cấn Thị Thêu :
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...