”Tsia” ho an'ny Fandriampahalemana ao Kolombia: Ny Podcast Miditra Lalina

Podcast vaovaon'ny Global Voices ny Into The Deep (Miditra Lalina) izay mandavaka lalina ny olana iray izay tsy mahazo ny fandrakofana sahaza azy any amin'ny haino aman-jery.

Anatin'ny andiany amin'ity herinandron'ny 6 Okt ity, henontska avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Robert Valencia sy Andrés Lombana-Bermudez ary koa ilay mpiaro ny fandriampahalemana, Diego Osorio, ny mikasika ny antony nifidianan'ny Kolombiana ”Tsia” tamina fitsapankevi-bahoaka iray natao mba hanamafy ny fifanarahana fandriampahalemana eo amin'ny fanjakana Kolombiana sy ny mpitolona ao amin'ny vondrona FARC izay mety hamarana ny ady naharitra 50 taona ny farany.

Ao amin'ity andiany ity, nasongadinay ny mozika nampiasàna lisansa Creative Commons avy amin'ny Tahirinà Mozika Maimaimpoana, anisan'izany ny hiran'ny Blue Dot Sessions antsoina hoe Ray Gun – FasterFasterBrighter sy  Denzel Sprak, ary We Are; avy amin'i A Ninja Slob Drew Me.

Ny sary asongadina ato amin'ity tantara ity dia avy amin'i Manuel Chacón/Agencia Prensa Rural ary nozaraina teo ambanin'ny lisansa CC BY-NC-ND 2.0. Mivaky toy izao ny sariitatra, ”Ry Vahoaka. Mbola fahafatesana firy indray ?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.